Dans la mme rubrique

Sehatra fizahantany Hanainga haingana ny toekarena Malagasy

14/06/2019

Nanomboka omaly alakamisy 13 jona teny amin'ny CCI Ivato ny salon ITM (International Tourism Fair Madagascar) andiany fahavalo.

Sehatra fizahantany Hanainga haingana ny toekarena Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Ketrika.com Manakaiky kokoa hatrany ny mpanjifa

14/06/2019

Mandray anjara eny amin’ny ITM 2019 andiany faha-8 eny amin’ny CCI Ivato ny www.ketrika.com.

Ketrika.com Manakaiky kokoa hatrany ny mpanjifa

Hamaky ny tohiny...

Toekarena sy fandraharahana Mpanondrana lavanila miisa 139 no nahazo fankatoavana

13/06/2019

Tafiakatra 130,9 tapitrisa dolara ny tombony azo tamin`ny fanondranana lavanila ny telo volana voalohany ny taona, nahitana fiakarana 15,9% izany.

Toekarena sy fandraharahana Mpanondrana lavanila miisa 139 no nahazo fankatoavana

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny fandraharahana Manomboka mahazo laka ny vehivavy

12/06/2019

Mba ahafahana mametraka ny anjara toeran’ny fandraharahan’ny vehivavy eto Madagasikara dia roa andro no hanatanterahana ny Fikaonandoha mahakasika ny fandraharahan’ny vehivavy matihanina na ny “Women in business”

Tontolon’ny fandraharahana Manomboka mahazo laka ny vehivavy

Hamaky ny tohiny...

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Mitaky ezaka maro amin’i Madagasikara

12/06/2019

Nanambara ny teo anivon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) fa mandeha amin’ny tokony ho izy ny toekarena Malagasy.

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Mitaky ezaka maro amin’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Fandaharan’asa FEC faha-5 Nankatoavin’ny FMI

11/06/2019

Nanomboka tamin’ny 28 mey lasa teo ny fijerena ny tomban’ezaka andiany fahadimy nataon’i Madagasikara amin’ny fandaharan’asa Facilité Elargie de Crédit (FEC).

Fandaharan’asa FEC faha-5 Nankatoavin’ny FMI

Hamaky ny tohiny...

Fambolena, fiompiana, fahasalamana Mpilatsaka an-tsitrapo 42 hanome tantsoroka

07/06/2019

Mpilatsaka an-tsitrapo Amerikanina avy amin’ny Corps de la Paix miisa 42 no nampanaovin’ny Masoivohon’i Etazonia Michael Pelletier fianianana nandritra ny lanonana natao teny amin’ny trano fonenany teny Ambaranjana omaly 6 jona 2019.

Fambolena, fiompiana, fahasalamana Mpilatsaka an-tsitrapo 42 hanome tantsoroka

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

Entrepreneurship World Cup Hanome vahana ny fandraharahana Malagasy

06/06/2019

Handray anjara voalohany amin’ilay hetsika maneran-tany “Entrepreneurship World Cup” momba ny fandraharahana i Madagasikara amin’ity taona 2019 ity.

 

 

Hotanterahina eto Antananarivo izany ny 13 jolay ho avy izao ary ny 100startups.co no hikarakara azy. Fifaninanana famolavolana tetikasa hananganana orinasa izy io. Efa nanomboka ny 25 aprily ary tapitra ny 30 mey lasa teo ny fandraisana ny tetikasa. Hisy mihitsy ireo mpitsara izay mpandraharaha matihanina ka ny voalohany dia handeha hisolotena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana maneran-tany any Riyadh amin’ny novambra ho avy izao. Rehefa izay dia hiditra ofisialy amin’ilay fikambanana GEN Starters izay ahafahana mifanakalo hevitra amin’ireo mpandraharaha matihanina manerana izao tontolo izao ny solontena Malagasy ary afaka mitady lalana ny amin’ny fanatanterahana ny tetikasa.  124 eo ireo manana tetikasa handray anjara sy hotsaraina amin’ity fifaninanana edisiona voalohany eto Madagasikara ity. Ilaina ny hetsika sahala amin’itony satria hanome tombony sy vahana ary tena hampiroborobo ny sehatra tsy miankina. Hivelatra ihany koa ny fandraharahana Malagasy satria iraisam-pirenena ny hetsika hatao ka ho fantatra i Madagasikara. Hisy ny famoronan’asa ho teraka aorian’ny hetsika ary hisy akony amin’ny toekarena izany, indrindra raha azon’ny Malagasy ny amboara.

Tsirinasolo

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana