Dans la mme rubrique

Fivoarana ara-teknolojika Sady manampy no mamotika fanabeazana

13/06/2019

Efa maro ireo sekoly ankehitriny no mampiasa ny teknôlôjia maoderina, hanamorana ny fampitana ny fampianarana. Betsaka, ohatra, ireo sekoly mampiasa ny solosaina sy ny aterineto.

Fivoarana ara-teknolojika Sady manampy no mamotika fanabeazana

Hamaky ny tohiny...

Asa fandrefesan-tany Tsy mbola fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy

13/06/2019

Nanomboka omaly alarobia 12 jona tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ary haharitra 3 andro ny fampirantiana karakarain’ny fikambanan’ireo Injeniera misehatra amin’ny asa topografika na fandrefesan-tany.

Asa fandrefesan-tany Tsy mbola fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Volobe Toamasina Hamokatra herinaratra 120 MW ny CGVH-Jovena

12/06/2019

Nosoniavina ny 28 mey lasa teo tany Paris ny fifanarahana lasitra momba ny tetikasa famokarana herinaratra amin'ny alalan'ny tohadrano ao Sahofika.

Volobe Toamasina Hamokatra herinaratra 120 MW ny CGVH-Jovena

Hamaky ny tohiny...

Toekarena Indianina Lasa lavitra na dia maro aza ny sehatra tsy ara-dalàna

12/06/2019

Lany ho praiminisitr’i India indray i Narendra Modi taorian’ny fifidianana ho solombavambahoaka natao tany an-toerana ny volana mey lasa teo tamin’ny alalan’ny antokony izay nahazo toerana betsaka indrindra tao amin’ny kongresy.

Toekarena Indianina Lasa lavitra na dia maro aza ny sehatra tsy ara-dalàna

Hamaky ny tohiny...

Lalam-pihariana ronono Tsy ampy ny famokarana eto Madagasikara

07/06/2019

Nanomboka omaly ary ho tapitra ny sabotsy ho avy izao ny foaraben’ny ronono andiany fahatelo atao etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

Lalam-pihariana ronono Tsy ampy ny famokarana eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Harena ankibon’ny tanin’i Madagasikara Mahalala zavatra maro ny Frantsay

04/06/2019

Natolotra an’i Madagasikara ny 31 mey 2019 tao amin’ny Muséum National d'Histoire Naturelle, Paris, ny vokatry ny asa fikarohana sy firaketana rehetra nataon’ny Bureau de Recherche Géologique et Minière (BRGM)

Harena ankibon’ny tanin’i Madagasikara Mahalala zavatra maro ny Frantsay

Hamaky ny tohiny...

Faritra Malalaka Ifanakalozana Tombony ho an’ny firenena matanjaka

04/06/2019

Ny nitsirian’ny hevitra namoronana ny Faritra Malalaka Ifanakalozana (Zone de libre échange continentale na ZLEC) dia ny fahitana fa sarotra ny manao fanambarana ara-kaba na ara-ketra

Faritra Malalaka Ifanakalozana Tombony ho an’ny firenena matanjaka

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Zon’ny ankizy Mbola betsaka ireo tsy voahaja eto Madagasikara

06/06/2019

Ny 40,17 %-n’ny mponina eto amintsika dia ankizy vao teraka ka hatramin’ny 14 taona avokoa, raha araka ny antontan’isa nivoaka tamin’ny taona 2016.

 

 

 

 Ny ankizy anefa ho an’ny firenena mikambana dia ireo latsaky ny 18 taona. Mbola betsaka ireo  zon’izy ireny tsy voahaja eto amintsika, raha araka ny fanadihadiana natao. Anisan’ireny ny zo hianatra, hisakafo, hitafy, hilalao, hotsaboina raha marary noho ny vesatry ny fahasahiranana  sy ny fialokalofan’ny ray aman-dreny ao ambadiky ny fahantrana.

ZARA RAHA MIANATRA NY ANKAMAROANY

Tafakatra 2.000 isa ireo ankizy mpatory an-dalana eto an-drenivohitra ankehitriny. Tsy misy mianatra intsony izy ireny, raha araka ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana miaro ny zon’ny ankizy iray, antony mahatonga ny salanisan’ireo zaza Malagasy ho 45 % sisa no mahavita ny sekoly ambaratonga fototra, 23 % manohy ao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa sy lisea, 2 % no tafakatra eny amin’ny oniveriste. Ny 30 % kosa tsy nianatra mihitsy, izany hoe tena miaina anaty habadoana. Zon’ny ankizy anefa ny hianatra  ka farafaharatsiny mahavita sivy taona any an-tsekoly izy ireny vao tokony hijanona.

HIHARAN’NY HERISETRA

Manjaka ho azy vokatr’izany ny herisetra toy ny vono mihatra amin’ireo miasa aman’olona nefa tsy ampy taona akory. Misy ireo voaolana tsy fidiny mihitsy. Raha ny fanadihadiana nampanaovin’ny minisiteran’ny mponina ny UNICEF sy ny INSTAT tamin’ny volana jona taona 2018  dia ankizy 4 amin’ny 10 no voalaza fa efa niditra teo amin’ny sehatry ny asa sahady, mialoha ny faha-18 taonany. Tafiditra ao anatin’izany ireo mipetraka any ambanivohitra. Mahatratra 11% ireo nilaza ho efa tratran’ny herisetra ara-batana miendrika sazy. Anisan’ireo tena misedra herisetra ara-pananahana koa ny ankizy kely miasa, indrindra ireo miasa an-trano. Tanora  9 amin’ny 10 ihany koa no efa niharan’ny herisetra  teo anivon’ny fianakaviany raha  tanora 1 amin’ny 2 no lasibatra tany amin’ny faritry ny sekoly.

 

FIJOROANA VAVOLOMBELONA:

Lolona, zazavavy kely 14 taona naolan’ny mpampiasa azy ( tsy nanaiky nalaina sary) : Vao 12 taona aho dia efa niasa taman’olona. Zanak’olona avy any ambanivohitra aho ary nipetraka taman’olona. Tsy tao an-trano anefa ilay Ramatoa mpampiasa ahy ka nohararaotin’ilay Rangahy aho ary noroahin’izy ireo rehefa nilaza ny marina.

Feno, zazalahy kely 14 taona : Nipetraka tamin’ny fianakavianay no nahatongavako teto Antananarivo. Mpanao hôtely izy ireo ary nantsaka rano sy nanasa lovia tsy mitsahatra no asa nataoko tamin’izany. Tsy nisy nomeny anefa ny karamako herintaona sady tsy nomeny sakafo matetika aho fa namaky lovia, hono,.

NY RAY AMAN-DRENY INDRAY NO VELOMINA

 

Tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanajana ny zon’ny ankizy ny ray aman-dreny vao miampita eny anivon’ny fiaraha-onina izany. Mifanohitra amin’izay tanteraka anefa ny zava-misy eto amintsika. Ny ray aman-dreny indray mantsy amin’izao no maniraka ireo menaky ny ainy hiasa  ka  izy ireo no lasa velomina. Manomboka eo amin’ny fahatelo taonany dia efa miasa mangataka ny zaza iray eto an-drenivohitra.  Tsy maintsy mitondra vola mody 1.000 Ar isan’andro raha kely ny ankizy iray vao mahazo mody raha tsy izany dia tsy misakafo. Tsy misy intsony ny fotoana hilalaovana. Olona mba mihantra no manome ny fitafiana. Tsy eken’ny fikambanana miaro ny zon’ny ankizy anefa ny tranga tahaka ireny. Ny ray aman-dreny mantsy no mpamelona ary tsy tokony hialokaloka ao ambadiky ny fahantrana izy ireny. Anisan’ny miaina izany ireo ankizikely monina etsy La Réunion kely Ampefiloha. Tahaka izao ny resaka nifanaovana tamin’izy ireo.

 

 

Temoignage : Telo mianadahy ry Olga sy Sylvia no naterak’ireo ray aman-dreniny. Eny La Réunion kely izy ireo no mipetraka ary mitsindroka eny amin’ny daban-jaoridira no asan’ireo ray aman-dreniny. Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’izy mirahavavy kely dia amin’ny hariva izy ireo vao afaka mody any an-tranony satria izay vao misy sakafo. Amin’ny maraina sy atoandro kosa dia izy ireo ihany no mitady ny sakafony ka mangataka no ataony amin’izany. Mahazo 3.000 Ar isan’andro izy mirahavavy kely raha kely.

 

ANTSO AVO

 

Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana, araka izany, ireo fikambanana maro samihafa miaro ny zon’ny ankizy eto amintsika, indrindra amin’izao fankalazana ny iray volana ho an’ny ankizy izao. Mihamitombo isa hatrany mantsy ireo ankizy tsy ampy taona miditra eo amin’ny sehatry ny asa, ireo hiharan’ny herisetra, indrindra ireo tsy mianatra, antony nanosika ny CONAMEPT nanao hetsika goavana tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana. Tsiahivina fa  nanasonia ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fiarovana ny zon’ny ankizy i Madagasikara, tamin’ny taona 1989. Manana ny lalàna lah 2007-023 ihany koa isika, tamin’ny 20 aogositra 2007, izay manambara, ao amin’ny andininy faha-67 fa ny fehezan-dalàna famaizana no ampiharina amin’ireo rehetra nahavanona herisetra tamin’ny ankizy.Voararan’ny lalàna eto amintsika nanomboka tamin’ny taona 1996 ny fampiharana sazy mihatra amin’ny vatana any an-tsekoly. Hankalazaina mandritra ity volana jona ity ny iray volana ho an’ny ankizy.

 

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana