Dans la mme rubrique

Fanendrena ny Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Efa any am-pelatanan’ny filoha ireo anarana 3

14/06/2019

Efa nalefa any amin’ny filoham-pirenena ny 2 jona lasa teo ny anaran’ireo olona 3 hisafidianany ka tendrena ho tale jeneralin’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco)

Fanendrena ny Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Efa any am-pelatanan’ny filoha ireo anarana 3

Hamaky ny tohiny...

Jhonny Rakotoarisoa « Tsy maty izany aho »

14/06/2019

Niely ny tsaho fa maty voatifitra tany Mahereza ny tenako raha namonjy voka-dehiben’ny fiangonana tany, hoy ny kandida ho depiote tao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo farany teo, Jhonny Rakotoarisoa.

Jhonny Rakotoarisoa « Tsy maty izany aho »

Hamaky ny tohiny...

Gasy Youth Up Manatsara ny lenta sy ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny CUA

14/06/2019

Hifarana anio zoma 14 jona ao amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely rehefa naharitra roa andro, ny “team building project” na fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Gasy Youth Up Manatsara ny lenta sy ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny CUA

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Talatamaty Nitondra am-bavaka ny firenena

14/06/2019

Nitondra am-bavaka ny firenena ny kaominina Talatamaty, ny alarobia hariva teo, tao amin’ny Ekar Faralaza.

Kaominina Talatamaty Nitondra am-bavaka ny firenena

Hamaky ny tohiny...

Mitaintain-dava ny vahoaka Mitombo isa ireo miaramila tsy voafehy…

13/06/2019

Raharaha mafampana ny mombana miaramila miisa 34 naiditra am-ponja vonjimaika noho ny fahafatesana sivily miisa telo hita faty tao amin’ny Reniranon’i Onive tao Ampitatafika distrikan’Antanifotsy ny 31 mey taorian’ny nisamborana azy tany Ambohimahasoa ny 21 mey lasa teo

Mitaintain-dava ny vahoaka Mitombo isa ireo miaramila tsy voafehy…

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao « Manahirana io vidin-tsolika io »

13/06/2019

Vita ny tatitry ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), andrasana ny fampidinana vidin-tsolika. Araka ny fanamby nataon`ny filohan`ny Repoblika, tsy maintsy hahena ny vidin-tsolika ary efa nanaiky izany ireo mpandraharaha, hoy ny minisitry ny vola Randriamandranto Richard.

Rivo Rakotovao « Manahirana io vidin-tsolika io »

Hamaky ny tohiny...

Kaontim-bola any amin’ny banky Arahi-maso ny mpanao politika sy olona ambony

13/06/2019

Arahin’ny fanjakana maso akaiky ny kaontin’ny mpanao politika sy ny mpiasam-panjakana ambony toy ny Tale jeneraly na “cadre” ambony amin’ny orinasa, izay sokajiana amin’ny hoe “client sensible” amin’izao fotoana izao.

Kaontim-bola any amin’ny banky Arahi-maso ny mpanao politika sy olona ambony

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Voka-pikarohan’ny Malagasy Tsy misy vidiny amin-dRajoelina…

06/06/2019

Andrasana izay ho fihetsika ataon'ny filoham-pirenena amin'ireo avara-pianarana sy manampahaizana Malagasy maro be fa tsy ny voka-pikarohana ataon'ny Frantsay momba ny harena ankibon'ny tany no mampirehareha.

 

 

 

 Nisy izao ilay vondrona mpampianatra mpikaroka efa namoaka ny voka-pikarohany teny amin’ny oniversiten’Antananarivo ny 15 mey lasa teo. Navoitran’izy ireo fa manana harena ankibon’ny tany antsoina hoe “Lithium” akora ampiasaina amin’ny fanamboarana solosaina, finday sy fakantsary i Madagasikara. Manana “Carbone” fanamboarana ireny vatana fiaramanidina (Airbus A380) sy fiarakodia ihany koa, ary tsy izay ihany tena betsaka ny akora eto be mpitady eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Omena ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany ny vokatry ny fikarohana mba hahafahana mamadika azy ho tetikasa ka hirosoana amin’ny fitrandrahana, hoy ireo mpampianatra. Naniry izy ireo mba ho ny mpandraharaha Malagasy no homena vahana amin’io satria hatrizay dia ireo orinasa goavana vahiny no tena misitraka ny harena ankibon’ny tany eto. Tsy nandrenesam-peo ny fanjakana sy ny filoha. Vao ny vazaha anefa dia Rajoelina mihitsy no nandray ny voka-pikarohana. Tsy atao mahagaga izany satria ny IEM aza tany Frantsa no naseho voalohany, ny voka-pifidianana,… Aiza ho aiza ilay fitiavan-tanindrazana ? Izany ve tsy manaporofo ilay hoe saribakolin’ny Frantsay ?

 

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana