Dans la męme rubrique

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

24/06/2019

Araka ny vokatra vonjimaika avy amin`ny CENI, ny vondrona politika manohana ny filoham-pirenena no nahazo ny maro an`isa.

Antenimieram-pirenena Mbola baraingo ny ho mpanohitra

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

24/06/2019

Tany amin` ny Repoblika voalohany no nisy farany ny kermesin`ny Tafika Malagasy teny Betongolo karakarain'ny Foloalindahy teto amintsika noho ny antony fandriampahalemana.

Fankalazana ny fetim-pirenena Naverina ny kermesin’ny Tafika

Hamaky ny tohiny...

Marc Ramiaranjatovo Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna

24/06/2019

Ny fanomanana ny fifidianana Ben’ny tanàna indray izao no malaza eto amintsika. Ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Antananarivo Avaradrano manokana dia fantatra fa mbola hilatsaka hofidiana Atoa Marc Ramiaranjatovo hahafahany manohy ireo asa tsy vita ao anatin’ity kaominina iadidiany ity.

Marc Ramiaranjatovo Mbola hilatsaka hofidiana ho Ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...

Fanjakana Malagasy Hividy fitaovam-piadiana raitra…

21/06/2019

Tonga nitsidika ny andiany faha-53 amin’ny hetsika iraisam-pirenen’ny fiaramanidina sy ny tontolony fanao any Bourget Paris na « Salon du Bourget 2019 »

Fanjakana Malagasy Hividy fitaovam-piadiana raitra…

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’i Ihosy Velon-taraina amin’ny hala-bato i René Fulgence

21/06/2019

Velon-taraina ny kandida ho depioten’i Ihosy, René Fulgence, manoloana ny hala-bato nitranga tao an-toerana na dia nametraka fitarainana tamin’ny HCC aza, raha ny nambarany omaly.

Distrikan’i Ihosy Velon-taraina amin’ny hala-bato i René Fulgence

Hamaky ny tohiny...

Fampidinana vidin-tsolika Esoin’ireo mpanao politika

21/06/2019

Misaotra ny filoham-pirenena, hoy ny filohan’ny antoko politika Kintana, Tabera Randriamanantsoa, nandany 3 andro niady hevitra hampidina ny solika.

Fampidinana vidin-tsolika Esoin’ireo mpanao politika

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana ankehitriny « Tsy tokony hiala bala intsony. »

20/06/2019

Fanjakana IRD na Mapar no mitondra izao, hoy ny mpahay lalĂ na Willy Razafinjatovo na Olala.

Fitondrana ankehitriny « Tsy tokony hiala bala intsony. »

Hamaky ny tohiny...


Politique

Tsy fahaiza-mitantana Mampisavorovoro saim-bahoaka ny fanjakana

04/06/2019

Nampisavoritaka saim-bahoaka ilay resaka andro tsy fiasana izay fankalazana ny fetin'ny mpino silamo Eid Al-Fitr, izay efa namoahana didim-panjakana N°2019-191 ny 22 febroary fa andro tsy iasana fa andraisan-karama anio 4 jona.

 

 

 

 Nilaza ny mpanaraka ny finoana silamo andro vitsy nialohan’io fa miankina amin’ny fahitana ny volana io, ka mbola nampisalasala na ho 4 na ho 5 jona. Navela hiroaroa saina ny olona, nisavoritaka ny rehetra indrindra fa ny mpiasa. Tsy foana ilay didim-panjakana tsy nofoanana, fa nisy ny fampitam-baovao navoakan’ny Minisiteran’ny asa sy ny lalàna sosialy niampy ny fanambaran’ny Praiminisitra efa omaly fa ny 5 jona indray no andro tsy iasana fa andraisan-karama. Tsy nisy ny didim-panjakana ofisialy nanafoana ilay navoaka ny 22 febroary fa ny “communiqué” izany no nandrava azy. Tsy fahaiza-mitantana sy petatoko tsotr’izao! Maro ny orinasa nikorontana satria efa nisy fandaminana samihafa natao mialoha. Ho an’ny tontolon’ny fanaovan-gazety, ohatra, dia efa nisy ny fanapahan-kevitra nataon’ny orinasa sasany fa tsy hamoaka gazety anio. Tao ny mpiasa efa nody no  nantsoina indray, ary nisy ny tsy afa-niverina tamin’ny fanapahan-keviny. Ny orinasa sasany efa nandà ny kaomandin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpanjifa,… Ny resaka fampianarana moa, dia nisavoritaka satria ao ny tompon’andraikitra efa nilaza fa ny 04 jona no tsy mianatra, ao nanova ny fanapahan-kevitra ho ny 05 jona,… Niharihary ny tsy fahamatoran’ny fanjakana, ka toa ohatry ny kilalaon-jaza ny fitantanana firenena. Tsy tamin’iny resaka daty iny ihany, fa efa hita izany tamin’ny resaka fitsapan-kevi-bahoaka hoe: ny didim-panjakana sy ny daty, ny an-tsapaka momba ny fampielezan-kevitra amin’ny haino aman-jery no mandeha alohan’ny fangatahana fankatoavana avy amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Mpitondra tsy matotra sy tena tsy mahafehy firenena.Ny filoha sy minisitra vitsivitsy moa naharitraritra ihany nivahiny tany Frantsa.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana