Dans la mme rubrique

Polisy vao nivoaka Hanome ra hanampiana ireo marary mila fandidiana maika

23/07/2019

Hafa dia hafa ny fihetsika hasehon’ireo mpianatra ho polisy vao nivoaka ny zoma lasa teo miisa 1.098 mirahalahy. Mialoha ny handraisan’izy ireo ny tena asany mantsy dia hanome ra

Polisy vao nivoaka Hanome ra hanampiana ireo marary mila fandidiana maika

Hamaky ny tohiny...

Colonie de vacances Miteraka olana ny fialantsasatra tsy mitovy

23/07/2019

Ny tontolo iainana, ny fanabeazana ary ny fiarahamonina no tanjona telo napetraky ny CEMEAM, izay fikambanana mikarakara hetsika fialantsasatra iombonana (colonie de vacances).

Colonie de vacances Miteraka olana ny fialantsasatra tsy mitovy

Hamaky ny tohiny...

Fitrandrahana ny farihin’i Tritriva Lehilahy iray tsy nahazo alalana no tratra

23/07/2019

Lehilahy iray izay tsy nahazo alalana akory avy amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana, efa nitrandraka ny farihin’i Tritriva ao Antsirabe nandritra ny fotoana maro no tratra ka nampiatoana tamin’izany.

Fitrandrahana ny farihin’i Tritriva Lehilahy iray tsy nahazo alalana no tratra

Hamaky ny tohiny...

Vidin’ny vary Tsipala Niakatra 50 Ariary ny kapoaka

22/07/2019

Manomboka miakatra indray ny vidim-bary eny an-tsena raha toa ka marin-toerana izany nandritra ny herinandro maromaro.

Vidin’ny vary Tsipala Niakatra 50 Ariary ny kapoaka

Hamaky ny tohiny...

Miverina indray ny aretin-doza Ebola Anisan’ny tandindonin-doza i Madagasikara

22/07/2019

Nahatratra 11 000 ny matin’ny aretina Ebola ary 28 000 no narary tany amin’iny faritra Afrika Atsinanana iny ny taona 2014-2016, ka anisan’ny voa mafy ny tao RD Congo,

Miverina indray ny aretin-doza Ebola Anisan’ny tandindonin-doza i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Hetsika “tagnamaro” fahadimy Nafotaka ny fanadiovana teny Ankatso

22/07/2019

Manomboka azon`ny olom-pirenena ny hevitra hampitaina amin`ny hetsika “tagnamaro” izay efa miditra amin`ny andiany fahadimy.

Hetsika “tagnamaro” fahadimy Nafotaka ny fanadiovana teny Ankatso

Hamaky ny tohiny...

TOBIN’NY ZAZA MADITRA Zazalahy 115 no harenina ao Anjanamasina

22/07/2019

Miisa 115 amin’izao ireo zazalahy nania beazina ao amin’ny toby Anjanamasina eny Ambohidratrimo.

TOBIN’NY ZAZA MADITRA Zazalahy 115 no harenina ao Anjanamasina

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Antoko FANOROLAHY Nanampy ireo sahirana teny Andohatapenaka

04/06/2019

Nijery ireo sahirana monina ao anatin’ny fokontany Andohatapenaka II, kaominina Antananarivo Renivohitra ny antoko Fanorolahy, notarihin’ny filoha nasionaliny Randrianary José, ny sabotsy teo,

 

 

 

notronin’ny masoivohon’i Portugal Atoa Rabesahala. Olona miisa 800 no nizarana sakafo atoandro maimaimpoana, niaraka tamin’ny fikambanana Rotary Club Ivandry. Nambaran-dRandriamananjara Patrick, anisan’ireo mpikambana ao anatin’ny antoko Fanorolahy fa mijery ny sahirana ihany koa izy ireo sady mampianatra ny mpiara-belona mba hahay hizara. Io mantsy no tsy ampy eto amintsika raha ny nambarany ka anisan’ny ezaka hotratrarin’ny antoko misy azy ny hamelona indray ilay fitiavana ao am-pon’ny tsirairay mba hahay hifanampy sy hifanohana. Ankoatra ny fijerena ireo sahirana tahaka izao dia miezaka ny manampy hatrany ireo tantsaha ao amin’ny fokontany Ampanataovana Ambohidratrimo ihany koa ity antoko iray ity amin’izao. Anisan’izany ny fanomezana fiofanana ankoatra ny fizarana masomboly sy zezika hahafahana miady amin’ny fahantrana. Manampy ireo tantsaha hahay hilofo sy hiezaka amin’ny fiainana ihany koa izy ireo fa tsy ho zatra hionona amin’ny zava-misy fotsiny.

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana