Dans la mme rubrique

Instat Madagasikara Antontan'isa tamin'ny 2012 no mbola ampiasaina

23/07/2019

Mbola antontanisa tamin'ny taona 2012 no ampiasain'ny INSTAT amin'izao fotoana izao hijerena ny faripiainan'ireo tokantrano Malagasy.

Instat Madagasikara Antontan'isa tamin'ny 2012 no mbola ampiasaina

Hamaky ny tohiny...

Arina fandrehitra eto Antananarivo Niakatra 50% ny vidiny

23/07/2019

Nahitana fiakarany 50% ny vidin'ny arina fandrehitra eto an-drenivohitra tato anatin’ny 2 volana. Tafakatra 23 000 ka hatramin’ny 30 000 Ariary ny vidiny amin’izao fotoana raha manodidina ny 17 000 ka hatramin’ny 20 000 Ar teo aloha.

Arina fandrehitra eto Antananarivo Niakatra 50% ny vidiny

Hamaky ny tohiny...

Taha-bola Taratry ny tanjaky ny toekarena

22/07/2019

Samy manana ny taha-bola na ny “taux de change” mety aminy ny firenena tsirairay arakaraky ny zava-misy ao aminy. Miankina amin’ny toetoetran’ny toekarena any amin’ny firenena no hametrahana ny taha-bola mifandraika amin’izany.

Taha-bola Taratry ny tanjaky ny toekarena

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Fihariana Mahatratra 50 486 ny dosie voaray

22/07/2019

Miisa 50 486 ireo antontan-taratasy voaray eo anivon`ny Antenimieran`ny varotra manerana ny faritra 22 eto Madagasikara mahakasika ny fandaharanasa

Tetikasa Fihariana Mahatratra 50 486 ny dosie voaray

Hamaky ny tohiny...

Tantsaha eto Madagasikara Vitsy no afaka mindram-bola

22/07/2019

Ambany ny tahan’ny tantsaha mahazo fahafahana mindram-bola sy manatona eny anivon’ireny ivontoerana manao fampindramam-bola ireny amin’izao.

Tantsaha eto Madagasikara Vitsy no afaka mindram-bola

Hamaky ny tohiny...

Tantely avy eto Madagasikara Anisan`ny tsara indrindra maneran-tany

18/07/2019

Tafakatra amin’ny dingana famaranana amin`ny « Start-up : Entrepreneur-ship World cup” ny orinasa Ikiray Miel de Madagascar, izay orinasa mpamokatra tantely avy eto amintsika.

Tantely avy eto Madagasikara Anisan`ny tsara indrindra maneran-tany

Hamaky ny tohiny...

Fanondranana lavanila taona 2019 Niakatra 15% ny tombombarotra

17/07/2019

Raha oharina ny taona 2018 dia niakatra 15% ny tombony azo tamin’ny fanondranana lavanila teto Madagasikara tamin’ity fiandohan’ny taona ity.

Fanondranana lavanila taona 2019 Niakatra 15% ny tombombarotra

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Harena ankibon’ny tanin’i Madagasikara Mahalala zavatra maro ny Frantsay

04/06/2019

Natolotra an’i Madagasikara ny 31 mey 2019 tao amin’ny Muséum National d'Histoire Naturelle, Paris, ny vokatry ny asa fikarohana sy firaketana rehetra nataon’ny Bureau de Recherche Géologique et Minière (BRGM)

 

nandritra ny 50 taona mahery izay mirakitra ireo torohay sy firaketana rehetra momba ny toe-tany sy ny harena ankibon’ny tany Malagasy. Nandray izany ny filoha am-perinasa Andry Rajoelina. Nandritra ity lanonana ity no nanaovan’ny minisitry ny harena ankibon’ny tany ny loharanon-karena stratejika, Atoa Fidiniavo Ravokatra sy ny Filoha tale jeneralin’ny BRGM, Rtoa Michèle Rousseau ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana lasitra ho fanomezana ireo voka-pikarohana ireo. Voaporofo hatrany fa ny vahiny no mahalala kokoa ny harena eto. Efa notaterina teto, ohatra, ny fisiana “galerie” na tonelina ambanin’ny tany anaty lavabato efa namboarin'ny Frantsay tao Betsiaka Ambilobe tany amin’ny taona 1918, nenti-nitrandraka volamena, ary efa nahazoana 1 taonina, raha ny resaka mandeha. Nisy tarehimarika hafa nilaza fa volamena milanja 7285 kilao no efa azo tao amina kaominina 3 mifanakaiky tamin’i Betsiaka ny 1906-1934 ka naondrana tany ivelany. Taty amin’ny 2013, dia nisy fikarohana ka nivoahan’ny resaka fa 500 taonina no miandry trandrahana fotsiny ao Betsiaka-Ambilobe. Inona ary no tambin’ny fanomezan’ny Frantsay ny dosie ? Mety hirarakopana ny fitrandrahana harena eto ato ho ato.

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana