Dans la mme rubrique

Solombavambahoakan’Ampanihy Andrefana Tsy laharam-pahamehana ny fangatahana fiara 4x4

23/07/2019

Taorian’ny fifidianana ireo birao maharitra teny amin’ny Antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza,

Solombavambahoakan’Ampanihy Andrefana Tsy laharam-pahamehana ny fangatahana fiara 4x4

Hamaky ny tohiny...

Antenimierandoholona Hetsika maro no hanamarihana ny faha-60 taona

23/07/2019

Omaly alatsinainy 22 hatramin’ny sabotsy 27 jolay ho avy izao no hankalazana amin’ny fomba ofisialy ny faha-60 taonan’ny Antenimierandoholona.

Antenimierandoholona Hetsika maro no hanamarihana ny faha-60 taona

Hamaky ny tohiny...

Famafazam-bola amin’ny fifidianana Afa-bela hatrany ny mpividy fahefana

23/07/2019

Manjaka eto Madagasikara ny aferafera maloto sy ny zavatra tsy mangarahara izay ny mpitondra no lohalaharana amin’izany.

Famafazam-bola amin’ny fifidianana Afa-bela hatrany ny mpividy fahefana

Hamaky ny tohiny...

Jean-Jacques Rabenirina "Mila fanatsarana ny kalitaon'ny asa fanaovana lalàna"

23/07/2019

"Maniry ny fanamafisana fiaraha-miasa eo amin'ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona indrindra eo amin' ny kalitaon'ny asa",

Jean-Jacques Rabenirina "Mila fanatsarana ny kalitaon'ny asa fanaovana lalàna"

Hamaky ny tohiny...

Serge Zafimahova–Dinike “Ataovy aloha ny fifidianana lalàmpanorenana”

23/07/2019

Tsy tokony hotanterahina aloha ny fifidianana kaominaly sy ny Ben’ny tanàna, hoy i Serge Zafimahova avy amin’ny vovonana Dinike, fa ny fifidianana lalàmpanorenana aloha no tokony hatao voalohany,

Serge Zafimahova–Dinike “Ataovy aloha ny fifidianana lalàmpanorenana”

Hamaky ny tohiny...

Adin’ny samy manampahefana Atao hazalambo i Rivo Rakotovao

23/07/2019

Nambaran’ny fahampahalalam-baovao mpanohana ny fitondrana omaly, fa manao fanjakana kely ao anaty fanjakana be ny antenimierandoholona ary mifanohitra amin’ny sata Repoblikanina ny fanamarihana ny faha-60 taonan’ity andrim-panjakana ity,

Adin’ny samy manampahefana Atao hazalambo i Rivo Rakotovao

Hamaky ny tohiny...

Lalàna mifehy ny fanoherana Misy zavatra mbola hokitihina indray

23/07/2019

Hisy fivoriana manokana avy hatrany eny amin`ny Antenimieram-pirenena ka ny lahadinika dia ny hanitsiana ny lalàna n°2011-013 natao tamin’ny 9 septambra 2011 izay mifehy ny satan’ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra.

Lalàna mifehy ny fanoherana Misy zavatra mbola hokitihina indray

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fikirakirana ny “PV” taratasy Ho vitan’ny CENI amin’ny 13 jona

04/06/2019

Nifarana omaly ny fikirakirana fitanana an-tsoratra niainga avy amin` ny fitanana an-tsoratra an-tsary (PV scanné) avy amin` ny SRMV tsirairay avy.

 

 

 Nanomboka ny fikirakirana ny fitanana an-tsoratra ara-taratasy raha toa ka fikirakirana fitanana an-tsoratra an-tsary no natao tao nanatin` ny heriandro izay ka nahafahana namoaka ny fironana. Mizara 4 ny dingana arahin` ny CENI mba hikirakirana ny voka-pifidianana amin’ny alalan’ny fitanana an-tsoratra tena izy mba hahatongavana amin’ny vokatra vonjimaika. Voalohany, jerena ny maha ara-dalana ireo fitanana an-tsoratra tena izy alohan’ny hikirakirana azy (amin’ny alalan’ny ny endrika ankapobeny ireo fitanana an- tsoratra, ireo sonia…). Manaraka izany, jerena ny fahamarinan’ireo antontan’isa izay voarakitra ao anatin’ireo antontan-taratasy samihafa. Avy eo, hamarinina ireo antontan’isa voarakitra ao amin’ilay fitanana an-tsoratra tena izy amin’ny alalan’ny fampitahana izany: amin’ny fitanana an-tsoratra “scanné”, amin’ny alalan’ny “saisie”, amin’ny alalan’ireo “feuilles de dépouillement” ary farany amin’ny alalan’ny fitanana an-tsoratra izay nataon’ny SRMV. Raha misy tsy fifanentanana amin’ireo isa rehetra izay voarakitra dia havoaka ireo vato manan-kery ary averina isaina. Rehefa azo antoko izay rehetra izay  dia afaka mamoaka ny vokatra vonjimaika ary ireo “Commissaires Electoraux” no manao ny fanamarinana farany aorian’ireo fikirakirana maro samihafa mba ahafahan’ny CENI mamoaka ny vokatra tena izy vonjimaika. Ho vita ny alakamisy 13 jona ny fikirakiran’ny CENI ireo fitanana an-tsoratra ireo. Ny zoma 14 jona kosa no haravona sy hatao ny fandaminana rehetra. Ny 15 jona, ny CENI no mamoaka amin’ny fomba ofisialy ireo vokatra vonjimaika.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana