Dans la mme rubrique

Solombavambahoakan’Ampanihy Andrefana Tsy laharam-pahamehana ny fangatahana fiara 4x4

23/07/2019

Taorian’ny fifidianana ireo birao maharitra teny amin’ny Antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza,

Solombavambahoakan’Ampanihy Andrefana Tsy laharam-pahamehana ny fangatahana fiara 4x4

Hamaky ny tohiny...

Antenimierandoholona Hetsika maro no hanamarihana ny faha-60 taona

23/07/2019

Omaly alatsinainy 22 hatramin’ny sabotsy 27 jolay ho avy izao no hankalazana amin’ny fomba ofisialy ny faha-60 taonan’ny Antenimierandoholona.

Antenimierandoholona Hetsika maro no hanamarihana ny faha-60 taona

Hamaky ny tohiny...

Famafazam-bola amin’ny fifidianana Afa-bela hatrany ny mpividy fahefana

23/07/2019

Manjaka eto Madagasikara ny aferafera maloto sy ny zavatra tsy mangarahara izay ny mpitondra no lohalaharana amin’izany.

Famafazam-bola amin’ny fifidianana Afa-bela hatrany ny mpividy fahefana

Hamaky ny tohiny...

Jean-Jacques Rabenirina "Mila fanatsarana ny kalitaon'ny asa fanaovana lalàna"

23/07/2019

"Maniry ny fanamafisana fiaraha-miasa eo amin'ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona indrindra eo amin' ny kalitaon'ny asa",

Jean-Jacques Rabenirina "Mila fanatsarana ny kalitaon'ny asa fanaovana lalàna"

Hamaky ny tohiny...

Serge Zafimahova–Dinike “Ataovy aloha ny fifidianana lalàmpanorenana”

23/07/2019

Tsy tokony hotanterahina aloha ny fifidianana kaominaly sy ny Ben’ny tanàna, hoy i Serge Zafimahova avy amin’ny vovonana Dinike, fa ny fifidianana lalàmpanorenana aloha no tokony hatao voalohany,

Serge Zafimahova–Dinike “Ataovy aloha ny fifidianana lalàmpanorenana”

Hamaky ny tohiny...

Adin’ny samy manampahefana Atao hazalambo i Rivo Rakotovao

23/07/2019

Nambaran’ny fahampahalalam-baovao mpanohana ny fitondrana omaly, fa manao fanjakana kely ao anaty fanjakana be ny antenimierandoholona ary mifanohitra amin’ny sata Repoblikanina ny fanamarihana ny faha-60 taonan’ity andrim-panjakana ity,

Adin’ny samy manampahefana Atao hazalambo i Rivo Rakotovao

Hamaky ny tohiny...

Lalàna mifehy ny fanoherana Misy zavatra mbola hokitihina indray

23/07/2019

Hisy fivoriana manokana avy hatrany eny amin`ny Antenimieram-pirenena ka ny lahadinika dia ny hanitsiana ny lalàna n°2011-013 natao tamin’ny 9 septambra 2011 izay mifehy ny satan’ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra.

Lalàna mifehy ny fanoherana Misy zavatra mbola hokitihina indray

Hamaky ny tohiny...


Politique

Savorovoron’ny fifidianana Mamono afo ny Praiminisitra

04/06/2019

“Ao anatin`ny fiandrasana ny voka-pifidianana ny rehetra amin` izao ka ilaina ny fitoniana sy fanarahana lalàna hatrany ny fiandrasana izany ary ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no tompon` ny teny farany mandamina izay voka-pifidianana raikitra izay”

 

 

hoy ny praiministra Ntsay Christian raha nitafa fohy tamin` ny mpanao gazety omaly. Ny fifidianana natao teto Madagasikara dia tao anatin` ny fitoniana sy filaminana ary miara manaiky, hoy izy, fa misy korontana goavana tamin` iny fifidianana iny. Raha jerena ny tetiandro dia tokony efa eny anivon` ny CENI ireo vokatra rehetra avy amin` ireo SRMV amin` izao fotoana fanangonana vokatra izao. Manao antso avo anefa ny Praiministra amin’ireo Kandidà sy ny mbomba azy ary ny vahoaka, mba hanaja ny lalàna velona ka hitondra eo anatrehan’ny Fitsarana mahefa ny raharaha rehetra mety ho fifanolanana. Nanamfy izy fa tsy mila korontana  ary aoka ny HCC afaka manapaka farany ireo olana tamin` ny fifidianana. Ahoana moa no tokony hitony ny vahoaka? Ny Filoham-pirenena moa dia mahita ny voka-pifidianana mialohan` ny fotoana. Ny taham-pahavitriana dia tena ambany, izay maneho ny tsy fankasitrahan` ny vahoaka Malagasy ny Fitondrana ankehitriny. Distrika maromaro no nisehoana fomba fanoherana isan-karazany. Ireo firaisamonim-pirenena dia efa nanao fanambarana fa ny ankabeazan’ireo endrika fanoherana ireo dia fanehoan’ny vahoaka  ny fiarovany ny safidiny tsy ho voahidinkodina, ka mba ho tena izay olona nosafidiny no hisolotena azy eny amin’ny Antenimieram-Pirenena. Araka izany, adidin’ ny fitondrana ny mitandro ny tsy fitanilàna sy ny fahombiazana eo amin’ny andraikitra sahaniny, satria zava-dehibe sy mankadiry ny fihazonana ny fahatokisan’ny vahoaka amin’izao fotoana ao aorian’ny latsa-bato.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana