Dans la mme rubrique

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

23/08/2019

Tovolahy iray mpisandoka ho miaramila no nifanehitra tamin’ireo tena miaramila mpanao fisafoana amin’ny alina.

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

Hamaky ny tohiny...

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

23/08/2019

Ny ankamaroan’ireo Bar misokatra ao amin’ny Boriborintany fahatelo dia saika manaja ny ora fidina amin’ny 9 ora alina avokoa, saingy, mbola misy ny manidy ny varavarana fotsiny, nefa mbola misy olona misotro ao anatiny.

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

Hamaky ny tohiny...

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

23/08/2019

Eo am-pidinana ifotony hizaha ny mpandray any Mahajanga sy mpivarotra ambongadin'ny rongony avy any Ambanja ary ireo roalahy tafaporitsaka ny mpitandro filaminana.

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

Hamaky ny tohiny...

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

23/08/2019

Nahazo vahana tato ho ato ny fivadiham-pitokisana niafara tamin’ny halatra vola be, indrindra amin’ny fotoana androtsahana izany amin’ny banky.

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

23/08/2019

Mitohy hatrany ny fanentanan’ny CIRGN Toliara na Circonscription inter-régionale de la gendarmerie nationale ho an’ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ho fiarovana amin’ny lozam-pitaterana.

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

Hamaky ny tohiny...

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalàna iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Baomba tavoahangy nirefotra teny Itaosy Mbola karohina ilay tompon’antoka

03/06/2019

Raha ny vaovao azo avy amin’ny mpitandro filaminana, mbola eo an-dalam-pikarohana ilay nahavanon-doza niteraka fampihorohoroana tamin’ny andron’ny fifidianana ireo manampahefana eny ifotony sy

 

 

ireo tompon’andraikitry ny fandriampahalemana sivily sy miaramila. Tsahivina fa tovolahy iray tafaporitsaka tamin’ny nitrangan’ny loza no ahiahiana. Tamin’ny 6 ora hariva latsaka, taorian’ny fiafaran’ny fandatsaham-bato ka niditra tamin’ny fanisana ny voka-pifidianana, teo amin’ny sekoly fanabeazana fototra iray eny Itaosy izay nahitana birao fandatsaham-bato dimy, tavoahangy plastika iray no nirefotra. Araka ny vaovao nampitain’ny zandarimariam-pirenena eo Ankadilalana, asidra sy taratasy aliminiôma na “papier alu” no tao anatin’ilay varingarina 33 santilitatra  (33 cl). Nipoaka faran’izay mafy teo an-tokotanin’ilay efitrano fianarana ny tavoahangy. Zandary 4 avy hatrany no nandray an-tanana ny filaminana. Tovolahy iray noheverina ho natahotra ny fipoahana no vaky nandositra ary taty aoriana vao novinavinaina fa izy no tompon’ny ketrika sy fanatanterahana ny fanipazana ity tavoahangy miaty tsiranoka mampidi-doza ity. Tsy nisy ny naratra na maty. Ny zandarin’ny borigadin’Itaosy sy ny polisin’ny kaomisaria no mifanome tanana amin’ny fanadihadiana.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana