Dans la mme rubrique

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

23/08/2019

Manoloana ny tsy fandraisan’anjaran’ny antoko Tiako i Madagasikara tamin’ny fandaniana ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny mety hitranga aorian’izany dia nilaza ny fahitany ny toe-draharaha ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM,

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

23/08/2019

Nahagaga ny nivoahan’ny depiote TIM tamin’ny fifidianana lehiben’ny mpanohitra teny Tsimbazaza satria raha tsy diso aho dia 100%,

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

Hamaky ny tohiny...

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

23/08/2019

Ny politika amin`ny ankapobeny dia tsy misy “adilahy” fa fombany io. Misy no tsy mitovy hevitra ary lojika raha misy ny adihevitra politika.

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

Hamaky ny tohiny...

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

23/08/2019

Hafa mihitsy ny politika eto Madagasikara fa mitsimbadika ambony ambany.

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

23/08/2019

Efa nanao antso avo ny fikambanana Adopt ny teo momba ny fanaovana an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina, indrindra ireo mpiasam-panjakana sy ireo avara-pianarana.

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Lalàna Brunelle Fasan'ny demokrasia

23/08/2019

Adihevitra tsy vita ny tolo-dalàna 01-2019/PL Razafitsiandraofa Jean Brunelle nanovana ny lalàna mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra, izay efa nolanian’ireo depiote mpomba ny fitondrana.

Lalàna Brunelle Fasan'ny demokrasia

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

23/08/2019

Maro ireo vahaolana azo eritreretina amin`ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana.

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Krizin’ny demokrasia eto Madagasikara Hamaivanin’ny fitondrana hatrany

03/06/2019

Efa niteraka resabe ny filazan’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, tany Frantsa ny alarobia 29 mey teo fa tsy dia mahakasika loatra ny vahoaka ny fifidianana depiote ka tsy mahagaga raha vitsy hatrany ny mpifidy tonga amin’izany.

 

 

Fanambarana izay hita ho tsy vitan’ny manambany ny Malagasy fa manambany ireo hery politika hafa izay tsy sasatry ny mamerimberina ihany koa fa fifidianana manakaiky vahoaka na hoe “Election de proximité”  izany fifidianana solombavambahoaka izany. Mbola nanondrana indray koa ny sabotsy teo ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy, Naina Andriantsitohaina, raha nilaza tao amin’ny radio iraisampirenena frantsay RFI fa tsy krizy maha olom-pirenena izany iny mpifidy vitsy kely farany teo iny fa fampisehoana fa leo politika ny Malagasy ary te handroso amin’izay. Aleoko aza, hoy izy, mandray an’iny ho toy ny fandresen’ny ezaky ny governemanta tao anatin’izay efa-bolana izay sahady. Hita ho hamaivanin’ny fitondrana hatrany, araka izany, ny krizin’ny demokrasia eto Madagasikara izay efa nampiaiky ny CENI fa manomboka. Mampametra-panontaniana hoe inona izany no dikan’ilay tenin’ny filoha hoe “isika rehetra no hanavotra an’i Madagasikara.” Raha toa ka ny safidim-bahoaka sy ny feony aza tsinontsiniavina sy dikaina vilana toy izany ?

J. Mirija

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana