Dans la mme rubrique

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

23/08/2019

Manoloana ny tsy fandraisan’anjaran’ny antoko Tiako i Madagasikara tamin’ny fandaniana ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny mety hitranga aorian’izany dia nilaza ny fahitany ny toe-draharaha ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM,

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

23/08/2019

Nahagaga ny nivoahan’ny depiote TIM tamin’ny fifidianana lehiben’ny mpanohitra teny Tsimbazaza satria raha tsy diso aho dia 100%,

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

Hamaky ny tohiny...

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

23/08/2019

Ny politika amin`ny ankapobeny dia tsy misy “adilahy” fa fombany io. Misy no tsy mitovy hevitra ary lojika raha misy ny adihevitra politika.

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

Hamaky ny tohiny...

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

23/08/2019

Hafa mihitsy ny politika eto Madagasikara fa mitsimbadika ambony ambany.

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

23/08/2019

Efa nanao antso avo ny fikambanana Adopt ny teo momba ny fanaovana an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina, indrindra ireo mpiasam-panjakana sy ireo avara-pianarana.

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Lalàna Brunelle Fasan'ny demokrasia

23/08/2019

Adihevitra tsy vita ny tolo-dalàna 01-2019/PL Razafitsiandraofa Jean Brunelle nanovana ny lalàna mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra, izay efa nolanian’ireo depiote mpomba ny fitondrana.

Lalàna Brunelle Fasan'ny demokrasia

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

23/08/2019

Maro ireo vahaolana azo eritreretina amin`ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana.

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Marc Ravalomanana “Leo kolikoly sy fitiavan-tena ny vahoaka”

03/06/2019

Vitsy ny olona no tonga nifidy ary maro no azo hanazavana izany, toy ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny rafitra mpikarakara fifidianana noho ny zava-nitranga tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika farany teo, ny laza ratsin’ny Antenimieram-pirenena noho ny nataon’ireo solombavambahoaka teo aloha izay nanjakan’ny kolikoly, hoy i Marc Ravalomanana.

 

 

Nambarany fa tsy resy akory ny TIM fa nandresy saingy betsaka ny tsy fanarahan-dalàna sy ny hala-bato misy. Tsy atao mahakivy fa tsy maintsy hatrehina, tsy maintsy mijoro hatrany isika manohitra ny tsy mety ary mampahafantatra ny vahoaka izany, hoy izy. Leo fitiavan-tena, fitiavan-tseza sy ny kolikoly ny Malagasy. Tsy manaja ny asany araka ny lalàna misy ireo manana andraikitra amin’ireny andrim-panjakana ireny. Misy ireo mpitondra na ny olona sasany mihevitra fa tokony hofoanana ny andrim-panjakana sasany toy ny antenimierandoholona na ny Antenimieram-pirenena fa mandany vola. Ny marina dia tsy mahalala ny asany ireo olom-boafidy sasany ka manjaka ny kolikoly ary ao ireo tia tena ka tsy mijery ny tombontsoam-bahoaka. Ireo no manimba ny andrim-panjakana ka tokony ho izy ireo no beazina fa tsy ny andrim-panjakana no foanana. Ireo “institutions” ireo no maha firenena Repoblikanina ny firenena sy fototra hiorenan’ny demokrasia ka tokony harovana. Raha misy tsy mety ataon’ny filoha, ohatra, dia anjaran’ireo andrim-panjakana hafa toy ny mpanao lalàna (antenimiera roa tonta) sy ny HCC no miteny azy sy mampihatra ny lalàna misy fa tsy ny “Présidence” akory no foanana. Fehiny, ny TIM.K25 dia miezaka hatrany mampiofana ireo olom-boafidiny ary manabe ny vahoaka ary hijoro hiaro hatrany ireo andrim-panjakana misy eto Madagasikara, hoy i Marc Ravalomanana.

 

 

Marigny sy Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana