Dans la mme rubrique

Fifidianana ben`ny tanàna Hotanterahina ny volana septambra 2019

14/06/2019

Efa miomana hanao fivoriana hiatrehana ny fifidianana ben`ny tanàna sy mpanolotsaina ny CENI, amin`ny herinandro ambony, aorian`ny famoahana ny vokatra feno tsy ofisialy tamin`ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.

Fifidianana ben`ny tanàna Hotanterahina ny volana septambra 2019

Hamaky ny tohiny...

CENI Fitoriana 71 no voaray hatreto

14/06/2019

Ny sabotsy 15 jona izao no hamoaka voka-pifidianana feno vonjimaika ny CENI etsy amin`ny foibe Alarobia.

CENI Fitoriana 71 no voaray hatreto

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy Amin’ny 20 jona no hivoaka ny didy

14/06/2019

Taorian’ny fanadihadian’ny zandary, tonga eny amin’ny Fitsarana ny raharaha mahakasika ny ampamoaka nataon’i Mahery Lanto Manandafy tao amin’ny tambajotran-tserasera facebook ny 7 mey, izay mahakasika an’Atoa Holijaona Rabaonarijaona “Emergence Madagascar”.

Fitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy Amin’ny 20 jona no hivoaka ny didy

Hamaky ny tohiny...

Hosoka tamin’ny fifidianana Kandida maro nitondra porofo sy nitory

14/06/2019

Nanao rodobe nametraka fitoriana tapany voalohany teny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) teny Ambohidahy ireo kandida maro sy ny solontena na ny mpiara-dia aminy omaly maraina manoloana ny lesoka sy hosoka na tsy fanarahan-dalàna tsapa sy hitan’izy ireo.

Hosoka tamin’ny fifidianana Kandida maro nitondra porofo sy nitory

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Kobaka am-bava fotsiny”

14/06/2019

“Na inona na inona no ataon`ny minisitra na ataon`ny fanjakana dia mikombona fotsiny ireo depiote lany miaraka amin`ny fitondrana”, hoy Atoa Rodin Rakotomanjato.

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Kobaka am-bava fotsiny”

Hamaky ny tohiny...

Ramboasalama Emilien “Tompondakan`ny tsy fanarahan-dalàna isika Malagasy”

14/06/2019

Tokony hohamafisana ny fanabeazana eo anivon`ny fiarahamonina momba ny fanajana fitsipika sy fahaiza-miaina, hoy Atoa Ramboasalama Emilien, kandida depioten’ny TIM teny amin’ny boriborintany fahefatra.

Ramboasalama Emilien “Tompondakan`ny tsy fanarahan-dalàna isika Malagasy”

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana VOT “Tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena”

14/06/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Vondron’olon-tsotra tarihin-dRtoa Sarah Zoe. Nambarany fa tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena, indrindra taorian’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.

Fikambanana VOT “Tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fikambanana Za’Gasy Tsy hametraka fitoriana mikasika ny fifidianana

31/05/2019

Mbola voatazona eny amin’ny borigadin’ny zandarimaria eny Ankadilalana noho ny resaka fandratrana mpomba ny kandida IRD teny Ambohipotsy tamin’ny alatsinainy 27 mey androm-pifidianana solombavambahoaka teo ny filohan’ny fikambanana Za’Gasy, Ratiharison Jean Navandahy.

 

 

 

 Amin’ny naha andro tsy fiasana ny omaly alakamisy 30 mey 2019, dia namaky  fanambarana nanoloana ny  mpanao gazety teny amin’ny foibeny eny Ambohipo ny mpikambana notarihan’ny mpandrindra ao aminy Raharinaivo Rija. Voalohany, miarahaba ny Gasy rehetra nahatontosa iny fifidianana solombavambahoaka iny Atoa Jean Navandahy na dia teo aza ny tsy fahavitrihana nifidy noho ny hosoka sy halatra efa fantatra. Nisaotra ihany koa an’ireo nanohana azy izy. Nisy ny hosoka sy tsikombakomba ratsy tamin’iny fifidianana iny nefa tsy hametraka fotoriana na eny amin’ny Ceni na eny amin’ny  Hcc isika na manana porofo mazava aza mba hitsinjovana ny filaminana sy amin’ny anaran’ny fitiavan-tanindrazana ananantsika. Niarahaba sahady an’ireo izay ho lany i Jean Navandahy. Aoka mba hijery amin’izay ny maharary ny vahoaka sy ireo tena sahirana izy ireo. Farany, niangavy ity filohan’ny Za’Gasy ity ny hanajanonana amin’izay ny fanelezana vaovao tsy marina satria tsy mendrika ny Gasy izany.

Nisy koa fijoroana vavolombelona nataona vehivavy 3 amin’ny tsy hidiran’ny filohan’ny Za’Gasy tamin’ny raharaha teny Ambohipotsy io.

 

Ntsoavina Evariste

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana