Dans la mme rubrique

Fitsarana ireo dosie mafana ao amin’ny PAC Ho hentitra ny fanaraha-maso sy ny fitandroana ny filaminana

23/08/2019

Maro ireo dosie mafampana hotsaraina eo anivon’ny PAC na “Pôle Anti-Corruption” tsy ho ela.

Fitsarana ireo dosie mafana ao amin’ny PAC Ho hentitra ny fanaraha-maso sy ny fitandroana ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Fambolena “Algue” ataon’ny Sinoa Mampihena ny vokatra amin’ny jono any Vohemar

23/08/2019

Ny minisitry ny jono teo aloha Augustin Andriamananoro no nanao sonia ny fahazoan-dalàna manao fikarohana sy andrana fambolena Algue rouge ho an’ireo sinoa tany Vohemar.

Fambolena “Algue” ataon’ny Sinoa Mampihena ny vokatra amin’ny jono any Vohemar

Hamaky ny tohiny...

Fampidirana vokatra avy any ivelany Maro ny fepetra raisina hiarovana ny orinasa Malagasy

22/08/2019

Nitondra fampahafantarana mahakasika ireo fandraisana fepetra fiarovana mahakasika ny vokatra Malagasy amin’ireo fifanakalozana ara-barotra ny rafitra mpanao fanadihadiana momba ny lalàn’ny fifaninanana ara-barotra (ANMCC) omaly tetsy amin’ny foibeny Antanimena.

Fampidirana vokatra avy any ivelany Maro ny fepetra raisina hiarovana ny orinasa Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana holovain-jafy Lalana iray hahatrarana ny tanjona ny antenimieram-pirenena

21/08/2019

Tonga niarahaba tamin’ny fomba ofisialy an’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine tamin’ny nahavoafidy azy tamin’ny fifidianana tamin’izany ny solotena maharitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara Ramatoa Violet Kakyomya.

Fampandrosoana holovain-jafy Lalana iray hahatrarana ny tanjona ny antenimieram-pirenena

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana raharaham-panjakana Mila fanaraha-maso goavana

21/08/2019

Hiditra amin`ny fandaniana ny tetibolam-panjakana lasitra ho an`ny taona 2020. Mijanona ho 2020 ny PMO saingy mifanaraka amin`izay ve ny tetibolam-panjakana ?

Fitantanana raharaham-panjakana Mila fanaraha-maso goavana

Hamaky ny tohiny...

Politika ankapoben`ny fanjakana Tokony hampafantarina amin`ny vahoaka eny ifotony

19/08/2019

Araka ny andininy faha-99 amin`ny lalàmpanorenana dia iray volana farafahatarany aorian`ny fanendrena ny praiminisitra dia tsy maintsy mitondra ny “Programme de mise en oeuvre” (PMO) eo anivon`ny politika ankapoben`ny fanjakana (PGE)

Politika ankapoben`ny fanjakana Tokony hampafantarina amin`ny vahoaka eny ifotony

Hamaky ny tohiny...

Sehatra fambolena Tsy manana fitaovam-pamokarana ny tantsaha

12/08/2019

Miantoka ny fahombiazan’ny 75% ny voka-pambolena ny fampiasana ny fitaovam-pamokarana manara-penitra.

Sehatra fambolena Tsy manana fitaovam-pamokarana ny tantsaha

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Fahasimban’ny tontolo iainana eto Madagasikara Ny olombelona no tena fositra

29/05/2019

Ho hentitra hatrany ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra amin’ny fampiharana ny lalàna mifehy ny fiarovana ny zava-manan’aina sy ny tontolo iainanana,

 

 hoy ny minisitra Alexandre Georget teny Ambatobe nandritra ny fotoana nanaovana ny fankalazana sy ny fitokanana ilay efitrano malalaka ho an’ny minisitera. Hatsangana ho fanaovana valandresaka sy hetsika fampirantiana mahakasika ny tontolo iainana ity efitrano ity. Fototry ny fahasimban’ny tontolo iainana ankehitriny ny olombelona amin’ny alalan’ny fanimbana ny zavaboary sy ny fandripahana ny zava-mananaina ao aminy. Ho an’i Madagasikara manokana dia anisan’ireo firenena nanao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena ho fiarovana ny tontolo iainana, indrindra ny zavaboary sy ny zava-mananaina, izy ny taona 1995. Nohamafisin’ny minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra izany ary mitohy hatrany, hoy izy ny politika fiarovana ny ala amin’izao fotoana izao. Tanjona hatrany  ny hametrahana fampandrosoana maharitra ho lovain-jafy. Tsiahivina fa fiaraha-miasa tamin’ny GIZ sy ny masoivoho alemana no nahafahana nanavao ity efitrano notokanana ity.

Tsirinasolo

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana