Dans la mme rubrique

Savorovoro tany Vohemar Jiolahy 6 matin’ny fokonolona

20/08/2019

Niaro ny tenany sy ny fananany ny vahoaka. Nandiso ny vaovao niely, omaly, mahakasika ny fitsaram-bahoaka tany Tsarabia, Vohémar ny mpitandro filaminana any an-toerana. Nilaza ireto farany fa fiarovan-tenan’ny mponina no tena marina na “légitime defense”.

Savorovoro tany Vohemar Jiolahy 6 matin’ny fokonolona

Hamaky ny tohiny...

Ambolomadinika - Toamasina Tsy lohan’olona fa karandoha no hita ?

20/08/2019

«Amin’ny alarobia ho avy izao no hanome ny tohin’ny vaovao izahay mpitandro filaminana mikasika ilay raharaha Ambolomadinika, Toamasina”, hoy ny zandary avy ao amin’ny sampana mpanao fanadihadiana sy famotorana Toamasina, raha nitafa tamin’ny mpanao gazetinay.

Ambolomadinika - Toamasina Tsy lohan’olona fa karandoha no hita ?

Hamaky ny tohiny...

Mariazy lasa fisaonana Maty voatsindron’antsy ralehilahy…

20/08/2019

Efa eo an-dalam-pisamborana ilay nahavanon-doza an’ilay famonoana lehilahy vao vita mariazy nefa tsy niaina volan-tantely akory ny mpitandro filaminana, raha ny tafa manokan’ny mpanao gazetinay tamin’ny zandarin’ny OPS Bongolava, omaly atoandro.

Mariazy lasa fisaonana Maty voatsindron’antsy ralehilahy…

Hamaky ny tohiny...

Fanafihan-dahalo tao Arivonimamo Olona 4 naratra mafy, 9 tapitrisa ariary voaroba

19/08/2019

9 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy. Olona efatra naratra voafira tamin’ny famaky, 16 ka hatramin’ny 50 taona ireo lasibatra. Ireo no vokatry ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ny zoma

Fanafihan-dahalo tao Arivonimamo Olona 4 naratra mafy, 9 tapitrisa ariary voaroba

Hamaky ny tohiny...

Faritra Itasy Zokiolona 60 sy 67 taona tratra nivarotra rongony

19/08/2019

Antitra vao hiditra am-ponja ! Zokiolona efa enimpolo taona mahery lahy sy vavy no tra-tehaky ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny rongony 2 gony.

Faritra Itasy Zokiolona 60 sy 67 taona tratra nivarotra rongony

Hamaky ny tohiny...

TOAMASINA Tsy ampy taona roa tratra nangalatra moto

19/08/2019

Ny 14 aogositra lasa teo, tovolahy roa tsy ampy taona no voasambotry ny polisy miasa ao Mangarano Toamasina noho ny halatra moto. Tamin’io andro voalaza io tao anatin’ny faritra

TOAMASINA Tsy ampy taona roa tratra nangalatra moto

Hamaky ny tohiny...

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

16/08/2019

Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano ireo ombin’i Jaonary tazomina ao amin’ny toby miaramila ao Antanimeva Morombe, hoy i Mahatratsy Jean havany nampita ny vaovao an-telefaonina taty

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Kolonely Zafisambatra Ravoavy “Tsy nosamborin’ny zandary izany ny lehiben’ny Distrikan’i Vohemar”

28/05/2019

Manoloana ny vola 2 tapitrisa ariary izay niely tamin’ny tambazotran-tserasera fa saika hanodikodinanq ny safidim-bahoaka nentin’ny Lehiben’ny Distrika tao Vohémar, ka nahavoatazona azy ao any amin’ny zandary dia nandiso izany ny Kolonely Zafisambatra Ravoavy, izay talen’ny filaminana sy ny angom-baovao eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena.

 

 

 

 “ Tany Ampanefena, distrika Vohémar, faritra Sava, nisy fiahiana ny mety ho fitanilana amin’ny fikarakarana ny fifidianana . Nandray fepetra ny mpitandro filaminana any an-toerana ka natevenina avy hatrany ireto farany ho amin’ny fisafoana. Nanao ny fanadihadiana ny tompon’andraikitra tany ifotony. Tsy nahitana porofo ny amin’izany hatreto fa nanatanteraka ny asany araka ny tokony ho izy ny tomponandraikim-panjakana any an- toerana. Tsy misy fanohintohinana ny fandatsaham-bato sy ny zotram-pifidianana. Raha misy milaza fa misy solontenam-panjakana nitondra vola tany an-toerana, tsy misy ifandraisany amin’ny fanelingelenana sy ny fitanilan’ny fikarakarana fifidianana ary ny fandikana velively izany.” Araka ny tafa manokana tamin’ny Kolonely Zafisambatra Ravoavy teo biraony Andrefan’Ambohijanahary, omaly. Tamin’ny fotoana nanoratana ny vaovao nandritra ny fifidianana anefa voamarina, araka ny vaovao marim-pototra fa tsy tany Vohémar io lehiben’ny Distrika io fa tany Andapa. Etsy an-daniny anefa loharanom-baovao hafa no nilaza fa saika hizara ny karaman’ny sefo fokontany izy io andro mialohan’ny fifidianana ka niteraka ahiahy.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana