Dans la mme rubrique

Savorovoro tany Vohemar Jiolahy 6 matin’ny fokonolona

20/08/2019

Niaro ny tenany sy ny fananany ny vahoaka. Nandiso ny vaovao niely, omaly, mahakasika ny fitsaram-bahoaka tany Tsarabia, Vohémar ny mpitandro filaminana any an-toerana. Nilaza ireto farany fa fiarovan-tenan’ny mponina no tena marina na “légitime defense”.

Savorovoro tany Vohemar Jiolahy 6 matin’ny fokonolona

Hamaky ny tohiny...

Ambolomadinika - Toamasina Tsy lohan’olona fa karandoha no hita ?

20/08/2019

«Amin’ny alarobia ho avy izao no hanome ny tohin’ny vaovao izahay mpitandro filaminana mikasika ilay raharaha Ambolomadinika, Toamasina”, hoy ny zandary avy ao amin’ny sampana mpanao fanadihadiana sy famotorana Toamasina, raha nitafa tamin’ny mpanao gazetinay.

Ambolomadinika - Toamasina Tsy lohan’olona fa karandoha no hita ?

Hamaky ny tohiny...

Mariazy lasa fisaonana Maty voatsindron’antsy ralehilahy…

20/08/2019

Efa eo an-dalam-pisamborana ilay nahavanon-doza an’ilay famonoana lehilahy vao vita mariazy nefa tsy niaina volan-tantely akory ny mpitandro filaminana, raha ny tafa manokan’ny mpanao gazetinay tamin’ny zandarin’ny OPS Bongolava, omaly atoandro.

Mariazy lasa fisaonana Maty voatsindron’antsy ralehilahy…

Hamaky ny tohiny...

Fanafihan-dahalo tao Arivonimamo Olona 4 naratra mafy, 9 tapitrisa ariary voaroba

19/08/2019

9 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy. Olona efatra naratra voafira tamin’ny famaky, 16 ka hatramin’ny 50 taona ireo lasibatra. Ireo no vokatry ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana ny zoma

Fanafihan-dahalo tao Arivonimamo Olona 4 naratra mafy, 9 tapitrisa ariary voaroba

Hamaky ny tohiny...

Faritra Itasy Zokiolona 60 sy 67 taona tratra nivarotra rongony

19/08/2019

Antitra vao hiditra am-ponja ! Zokiolona efa enimpolo taona mahery lahy sy vavy no tra-tehaky ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny rongony 2 gony.

Faritra Itasy Zokiolona 60 sy 67 taona tratra nivarotra rongony

Hamaky ny tohiny...

TOAMASINA Tsy ampy taona roa tratra nangalatra moto

19/08/2019

Ny 14 aogositra lasa teo, tovolahy roa tsy ampy taona no voasambotry ny polisy miasa ao Mangarano Toamasina noho ny halatra moto. Tamin’io andro voalaza io tao anatin’ny faritra

TOAMASINA Tsy ampy taona roa tratra nangalatra moto

Hamaky ny tohiny...

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

16/08/2019

Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano ireo ombin’i Jaonary tazomina ao amin’ny toby miaramila ao Antanimeva Morombe, hoy i Mahatratsy Jean havany nampita ny vaovao an-telefaonina taty

Omby Tazonina ao Antanimeva Morombe Miha mahia fa tsy ampy sakafo sy rano

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Seranam-piaramanidina ivato Saika nipoaka ilay Airbus A 330

28/05/2019

Raha iny nirifitra mafy teo am-pihaingana iny no namoaka setroka mainty izay tsy izy ny fiara manidina Airbus iray, avotra ihany noho ny fahamalinan’ny mpiandraikitra ny filaminana teo amin’ny seranana sy ny fahaizan’ny mpanamory.

 

 

 Afak’omaly alahady sahabo tamin’ny 10 ora lasataka fahefany maraina teo eo no nitrangan’ny fipoahana avy ao anaty motera. Voromby hihazo an’i Istanbul, Renivohitr’i Torkia ity saika niharam-boina ity. Airbus A 330 an’ny fikambanam- pitanterana ana habakabaka Turkish Company mitondra ny laharana TK 6506TC-LDS izay nivoahana afo narahina setroka mainty tsy nifankahitana nivoaka avy tao amin’ny faritra an-kavia ary narahina fipoahana izany. Fiaramanidina mpitatitra entana ity an’ny Turkish Company Cargo izay niheren-doza ity. Nandray fepetra avy hatrany ny tompon’andraikitra voakasika, najanona ilay fiaramanidina ka foana ny sidina. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary eo Ankadilalana Mahamasina, vosoroka tanteraka ny loza, tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Tsy nahitana fahasimbana tanteraka sy fahapotehana fiaramanidina kosa ankoatra ny panina ao anaty motera izay namoaka io setroka mainty tsy nifankahitana io narahina fipoahana tao anatiny. Efa nandeha ny feo teny Ivato sy ny manodidina fa nisy trangana fampihorohoroana ka nisahotaka izay tsy izy ireo mpandeha. Araka ny vaovao ofisialin’ny kaompanian’ny zandary miasa eny amin’ny Seranam-piaramanidina, efa milamina tanteraka ny faritra, amin’ny fotoana hanoratana ny vaovao.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana