Dans la mme rubrique

Fandraofana ny fakon’Antananarivo Mpandraharaha akaiky fitondrana nanafatra kamio marobe ?

20/08/2019

Re amin’izao fa nanafatra kamio benina maro be ny mpandraharaha malaza iray akaiky ny filoha, raha ny loharanom-baovao.

Fandraofana ny fakon’Antananarivo Mpandraharaha akaiky fitondrana nanafatra kamio marobe ?

Hamaky ny tohiny...

Tompon’andraikitra teo aloha tsy voafidy intsony Mila mamerina haingana ireo fananam-panjakana

20/08/2019

Maro ireo mpiasam-panjakana sy ireo olona manam-pahefana ambony nomen’ny Lalàna zo hipetraka amin’ny tranom-panjakana noho ny andraikitra sahaniny.

Tompon’andraikitra teo aloha tsy voafidy intsony Mila mamerina haingana ireo fananam-panjakana

Hamaky ny tohiny...

Miarinarivo «Ady tany ny 80%-n’ireo raharaham-pitsarana any an-toerana»

20/08/2019

« Fanamby goavana ho ahy ny resaka fananan-tany satria ny 80%-n’ ireo raharaham-pitsarana ao Miarinarivo dia ady tany avokoa », hoy Rtoa Fiainantsoa Ramanana Razaimalala,

Miarinarivo «Ady tany ny 80%-n’ireo raharaham-pitsarana any an-toerana»

Hamaky ny tohiny...

MPO - mpanao menaka ao Toamasina II Mitokona ny mpiasa fa nakaton’ny fanjakana ny orinasa

19/08/2019

Raha ny tantaran’ity orinasa Madagascar Premium Oil (MPO) ao Tanandava Toamasina II ity,

MPO - mpanao menaka ao Toamasina II Mitokona ny mpiasa fa nakaton’ny fanjakana ny orinasa

Hamaky ny tohiny...

Raharahara fitanana omby any Antanimeva Hanome endrika ratsy ny fitondrana, hoy ny mpisolovava azy

19/08/2019

Mbola tsy milamina foana ny resaka fitanana an’ireo ombin’ilay mpandraharaha Jaonary ao Antanimeva Morombe efa ho iray volana katroka izao (nanomboka ny 25 jolay 2019).

Raharahara fitanana omby any Antanimeva Hanome endrika ratsy ny fitondrana, hoy ny mpisolovava azy

Hamaky ny tohiny...

Tale jeneralin`ny BIANCO “Tsy handeferana ny fanodinkodinam-bolam-panjakana”

16/08/2019

Amin`ny herinandro ho avy izao, handalo eo anivon`ny PAC (Poles anti-corruption) na fitsarana misahana ny kolikoly ny raharaha mikasika fanodinkodinam-bolam-panjakana niseho teny anivon`ireo minisitera eny amin`ny PAC.

Tale jeneralin`ny BIANCO “Tsy handeferana ny fanodinkodinam-bolam-panjakana”

Hamaky ny tohiny...

Repoblikan'i Inde Nahay namadika ny fanjanahana ho tanjaka ara-toekarena

16/08/2019

Ny 15 aogositra 1947 no afaka tamin’ny fanagejan'ny Britanika ny Indiana rehefa voazanaka nandritra ny taona maro. Nankalazaina omaly, ny tsingerin-taona faha-73 nahazoan'izy ireo ny fahaleovantenany..

Repoblikan'i Inde Nahay namadika ny fanjanahana ho tanjaka ara-toekarena

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fiarovana ny tontolo iainana Manodina solika efa niasa ny Adonis

28/05/2019

20 000 taonina isan-taona eo ny fako avy amin` ny indostria voaangon` ny orinasa ADONIS ao amin` ny toeram-panodinany ny fako ao Ambatomirahavavy toy ny “dechet hydrocarbures”, ny fatina “batteries”,

 

 

ny “huile de vidange”, ary ny fanafody. Mampidi-doza avokoa ireo karazam-pako ireo ary misy no tsy azo ahodina intsony fa tsy maintsy dorana. Orinasa vahiny sangany amin` ny fanodinana ny akora efa avy nampiasaina ho fiarovanana ny tontolo iananana aty amin` ny ranomasimbe indianina. Anisan` ny sehatra ataony ny manodina indray ny vokatra ara-tsolika, avy nampiasain` ireo orinasa mikirakira solika sy indostrialy maro. Nambaran` ny filoha tale jeneralin` ny Adonis, Patrice Wadley, fa ireo fako azo ahodina kosa dia nahavitana namokatra “Fuel lourd valorisé”, nahatratra 2 400 000 litatra izany tamin` ny taon-dasa. Azon'ireo orinasa mampiasa “Chaudière” ampiasaina tsara toy ny Star, Holcim…. Isan'ny mampihena ny masonkarenan' ireo orinasa izany satria ambany kokoa ny vidiny mihoatra ny solika hafa eny an-tsena. Ankoatra ny fanodinana ho azo ampiasaina indray ny vokatra ara-tsolika, hotohizana amin` ny sehatra hafa efa avy nampiasaina (tavoahangy na akora plastika,…) ny fanodinana azy ireny ho vokatra hafa indray. Ny ADONIS dia orinasa matihanina amin'ny fanodinana fako avy amin'ny indostria toy ny « dechets d'hydrocarbure” avy amin'ireo kaompania tsolika, na toby mpaninjara solika ary ny avy ao amin'ny “centrale thermique” Jirama. Nahafantarana azy ny nanadiovany ny moron-dranomasin'i Faux Cap tamin` ny 2009 izay nisy “marée noire” tamin` ny 73km ny morontsiraka vokatry ny sambo tiorka nilentika tany an-toerana ka 339 taonina fako “hydrocarbures” no voaangon' ny orinasa tamin` izany. Mipaka any amin` ny sehatra rehetra ny fikajiana ny tontolo iainanana. Miantraika any amin` ny tontolo iainana ny vokatra azo avy amin` ny solika. Efa miasa any amin` ny firenena miisa 23 aty Afrika ity orinasa ity tato anatin` ny 20 taona.

 

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana