Dans la mme rubrique

Antananarivo Renivohitra Hisy kandida ben’ny tanàna tsy ampoizina ?

20/08/2019

Amin’ny 29 aogositra izao no hisokatra ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an’ny kandida ho ben’ny tanàna sy mpanolotsaina monisipaly ho an’ny fifidianana hatao ny 27 novambra ho avy izao.

Antananarivo Renivohitra Hisy kandida ben’ny tanàna tsy ampoizina ?

Hamaky ny tohiny...

Fampiasam-bolan’ireo kandida filoha Tsy mbola navoakan’ny Komity mpanara-maso ny tatitra

20/08/2019

Takian’ny lalàna fototra 2018-008 momba ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka ny fangaraharahan’ny kaonty sy ny fampiasam-bola amin’ny fampielezan-kevitra.

Fampiasam-bolan’ireo kandida filoha Tsy mbola navoakan’ny Komity mpanara-maso ny tatitra

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Fa nahoana no tena atahorana mafy ?

20/08/2019

Nanomboka ny taona 2009 no nenjehina fatratra i Marc Ravalomanana ary natahorana mafy ny fidirany teto Madagasikara taorian’ny fanonganam-panjakana.

Marc Ravalomanana Fa nahoana no tena atahorana mafy ?

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Nahena ny isan’ireo vondrona parlemantera

20/08/2019

Nahena ny isan’ny vondrona parlemantera eny amin’ny Antenimieram-pirenena, araka ny fanovana tao anatin’ny fitsipika anatiny nolaniana tamin’ny tsangan-tanana omaly.

Antenimieram-pirenena Nahena ny isan’ireo vondrona parlemantera

Hamaky ny tohiny...

Fanendrena masoivoho Malagasy Mbola miandry ny fankatoavan’ireo firenena hampiantrano

20/08/2019

Raha manao tohivakana ireo fahatongavan`ireo ambasadaoron`ny firenena vahiny hiasa eto Madagasikara dia mihazohazo hatramin`izao ny fanendrena ambasadaoro Malagasy any ivelany any.

Fanendrena masoivoho Malagasy Mbola miandry ny fankatoavan’ireo firenena hampiantrano

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana Ben’ny tanàna Raha lalao madio dia izay safidin’ny vahoaka no handresy

20/08/2019

Nitondra ny heviny mikasika ny fifidianana ho ben’ny tanàna hatao ny 27 novambra ho avy izao, ireo olom-pirenena nanaovana ny fanadihadiana.

Fifidianana Ben’ny tanàna Raha lalao madio dia izay safidin’ny vahoaka no handresy

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ben’ny tanàna Ataon’ny fanjakana fitadiavam-bola ?

19/08/2019

Eo anelanelan’ny 600 000Ar hatramin’ny 10 000 000Ar ny antoka ara-bola amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina monisipaly, araka ny didim-panjakana mitondra ny laharana 2019-1542 navoakan’ny governemanta ny 14 aogositra teo.

Fifidianana ben’ny tanàna Ataon’ny fanjakana fitadiavam-bola ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Rajoelina sy Ntsay Tonga ny tsotsori-mamba hisarahana ?

28/05/2019

Amin’ny maha olom-pirenena azy dia tonga nandatsa-bato ho amin’ny fifidianana Solombavambahoaka, teny amin’ny biraom-pifidianana teny Androhibe ny Praiminisitra Ntsay Christian sy Ramatoa vadiny omaly alatsinainy.

 

 

 Fotoana iray nahafahany nampita ny fiarahabana sy fisaorana ho an’ny vahoaka Malagasy, manoloana ny fahamatorana sy ny fiombonana tao anaty filaminana nasehon’ireo mpiray tanindrazana nandritra ny fifidianana telo notanterahina tao anatin’ny herintaona. Nambarany fa inoany sy antenainy ho araka ny safidim-bahoaka ny vokatra. Etsy ankilany, toa manomboka halan’ny MAPAR sy ezahina ahilika ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nampahatsiahy ny tsy tokony hisian’ny fitanilan’ny fitantanana ny raharaham-panjakana izy ny 20 mey, saingy toa nifanohitra tamin’izany ny fihetsiky ny Filoha Rajoelina niaraka tamin’ny kandidan’ny IRD. Miha mazava izao fa tratry ny tsindry mba hanaiky an’i Ntsay Christian ho Praiminisitra i Andry Rajoelina sy ireo depiote MAPAR tany aloha. Efa ho roa herinandro kosa anefa izao no nandeha ny resaka teny amin’ireo etamazaoro politika maro samihafa fa hosoloina ny praiminisitra satria tsy dia mety loatra amin’ny vinan’ny filoha Rajoelina ary tena tsy ankatoavin’ny ankamaroan’ireo mpiara-mmiasa aminy i Ntsay Christian.Miankina amin’ny voka-pifidianana solombavambahoaka ihany anefa izy io; ny lalampanorenana rahateo mbola tsy niova ka manankery hatrany noho izany ilay   andininy faha-54 izay milaza fa izay manana ny maro an’isa eny Tsimbazaza no manolotra ny anaran’ny praiminisitra ho tendren’ny filohan’ny repoblika.Mbola adilahy politika e !

 

 

 

 

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana