Dans la mme rubrique

Fitadiavana asa Sakana ho an’ny tanora ny teny vahiny sy ny tsy fahasahiana

23/07/2019

Nisy ny fanomezana tolotr’asa ho an’ireo tanora manana diplaoma bakalorea no ho miakatra nokarakaraina fikambanana As’sidus tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly.

Fitadiavana asa Sakana ho an’ny tanora ny teny vahiny sy ny tsy fahasahiana

Hamaky ny tohiny...

Fitokanana ny lalana Profesora Zafy Albert Efa tomombana ny fikarakarana

23/07/2019

Taorian’ny faneken’ny filankevitra monisipaly eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny hanomezana anarana ny lalana miainga eo Pulman Ivandry,

Fitokanana ny lalana Profesora Zafy Albert Efa tomombana ny fikarakarana

Hamaky ny tohiny...

Olom-pirenena ankehitriny Sarotra atoro, sarotra tenenina, mora tohina,…

22/07/2019

Atony maro no mahatonga ny olona saritra tenenina sy atoro ary mora tohina, hoy ny mpampianatra sady mpanabe iray.

Olom-pirenena ankehitriny Sarotra atoro, sarotra tenenina, mora tohina,…

Hamaky ny tohiny...

Mpamboly lavanila any Antalaha Velon-taraina amin’ny ataon’ny mpitandro ny filaminana

22/07/2019

Mampitaraina ireo tantsaha mpamboly lavanila any amin’ny Distrikan’Antalaha ny fanamparam-pahefana ataon’ny mpitandro ny filaminana any amin’ny kaominina sasany tahaka ny any Antananambo raha ny tatitry ny solombavambahoaka Nasira Julien izay voafidy tany an-toerana.

Mpamboly lavanila any Antalaha Velon-taraina amin’ny ataon’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara-Indonezia Ambany ny tahan’ny fifanakalozana ara-barotra

22/07/2019

Ambany ny tahan’ny fanafaran’entana sy ny fifanakalozana ara-barotra ataon’i Madagasikara any Indonezia amin’izao fotoana izao nefa maro be ireo sehatra azo trandrahana sy ahafahana mampiasa vola eo amin’ny sehatry ny varotra.

Madagasikara-Indonezia Ambany ny tahan’ny fifanakalozana ara-barotra

Hamaky ny tohiny...

Hamirifiry mandritra ny telo andro Efa vonona amin’ny akanjo mafana ny olona

22/07/2019

Araka ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetr’andro, dia hamirifiry ary hangatsiaka, hidina ambany dia ambany ny maripana amin’ireo faritra eto Madagasikara,

Hamirifiry mandritra ny telo andro Efa vonona amin’ny akanjo mafana ny olona

Hamaky ny tohiny...

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

19/07/2019

Kaontenera 500 isa feno entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina no voalaza fa tsy maintsy hopotehina na atao lavanty ireo entana tsy misy mpaka. Mihitsoka sy mibahan-toerana ao amin’ny faritry ny ladoany ireo kaontenera ireo.

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

Hamaky ny tohiny...


Actualits

BY-PASS Maty voadonan’ny fiara ilay mpangalatra

24/05/2019

Tovolahy voalaza fa mpangalatra, manodidina ny 30 taona no maty voahitsaky ny fiarakodia madinika omaly maraina tokony ho tamin’ny 5 ora sy fahefany teny Ankazobe By-pass.

 

 

 

Raha araka ny fanadihadiana natao teny an-toerana, avy nangalatra vy tao amin’ilay toerana iray  teny amin’ny manodidina teny ity tovolahy ity. Efa lasa daholo anefa  ireo namany raha ny fantatra fa izy irery sisa no tavela ka niampita maika be ny arabe niaraka tamin’ilay saretikeliny feno vy.  Nisy fiara tampoka nifanena taminy anefa raha niampita izy ka voadona mafy ny lohany, antony namoizany ny ainy. Simba ihany koa ilay saretikely  nentiny izay niparitaka niaraka tamin’ny kodiarany teny amin’ny arabe. Tsy mbola fantatra moa izay toerana niavian’ity tovolahy ity sy ny fianakaviany hatramin’ny fotoana nahatongavanay teny an-toerana. Ilay mpamily ilay fiara nandona azy kosa  nampandre ny mpitandro ny filaminana ka izy ireo no nanarona lamba ny razana sy niantso ireo tompon’andraikitra hafa.

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana