Dans la mme rubrique

Fitadiavana asa Sakana ho an’ny tanora ny teny vahiny sy ny tsy fahasahiana

23/07/2019

Nisy ny fanomezana tolotr’asa ho an’ireo tanora manana diplaoma bakalorea no ho miakatra nokarakaraina fikambanana As’sidus tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly.

Fitadiavana asa Sakana ho an’ny tanora ny teny vahiny sy ny tsy fahasahiana

Hamaky ny tohiny...

Fitokanana ny lalana Profesora Zafy Albert Efa tomombana ny fikarakarana

23/07/2019

Taorian’ny faneken’ny filankevitra monisipaly eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny hanomezana anarana ny lalana miainga eo Pulman Ivandry,

Fitokanana ny lalana Profesora Zafy Albert Efa tomombana ny fikarakarana

Hamaky ny tohiny...

Olom-pirenena ankehitriny Sarotra atoro, sarotra tenenina, mora tohina,…

22/07/2019

Atony maro no mahatonga ny olona saritra tenenina sy atoro ary mora tohina, hoy ny mpampianatra sady mpanabe iray.

Olom-pirenena ankehitriny Sarotra atoro, sarotra tenenina, mora tohina,…

Hamaky ny tohiny...

Mpamboly lavanila any Antalaha Velon-taraina amin’ny ataon’ny mpitandro ny filaminana

22/07/2019

Mampitaraina ireo tantsaha mpamboly lavanila any amin’ny Distrikan’Antalaha ny fanamparam-pahefana ataon’ny mpitandro ny filaminana any amin’ny kaominina sasany tahaka ny any Antananambo raha ny tatitry ny solombavambahoaka Nasira Julien izay voafidy tany an-toerana.

Mpamboly lavanila any Antalaha Velon-taraina amin’ny ataon’ny mpitandro ny filaminana

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara-Indonezia Ambany ny tahan’ny fifanakalozana ara-barotra

22/07/2019

Ambany ny tahan’ny fanafaran’entana sy ny fifanakalozana ara-barotra ataon’i Madagasikara any Indonezia amin’izao fotoana izao nefa maro be ireo sehatra azo trandrahana sy ahafahana mampiasa vola eo amin’ny sehatry ny varotra.

Madagasikara-Indonezia Ambany ny tahan’ny fifanakalozana ara-barotra

Hamaky ny tohiny...

Hamirifiry mandritra ny telo andro Efa vonona amin’ny akanjo mafana ny olona

22/07/2019

Araka ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetr’andro, dia hamirifiry ary hangatsiaka, hidina ambany dia ambany ny maripana amin’ireo faritra eto Madagasikara,

Hamirifiry mandritra ny telo andro Efa vonona amin’ny akanjo mafana ny olona

Hamaky ny tohiny...

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

19/07/2019

Kaontenera 500 isa feno entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina no voalaza fa tsy maintsy hopotehina na atao lavanty ireo entana tsy misy mpaka. Mihitsoka sy mibahan-toerana ao amin’ny faritry ny ladoany ireo kaontenera ireo.

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fitsarana sy fitanana am-ponja Raikitra ny ampamoaka momba an’i Claudine A&C

24/05/2019

Manomboka mifoha indray ankehitriny ny raharaha mikasika ilay mpandraharaha voapanga tamin’ny resaka fanodinana fanananam-panjakana, Claudine Razaimamonjy na Claudine A&C.

 

 

 Raha tsiahivina moa dia misy vehivavy mpandraharahan’ny fonja miisa 24 amin’izao fotoana izao hanaovana fanadihadiana mikasika ity raharaha ity ary anton’ny fisokafan’ny fanadihadiana indray, raha ny fanazavana, ny filazana fa nanampatra fahefana ny fandraharahana ny fonja. Namaly izany fiampangana izany tetsy amin’ny fonjan’Antanimora omaly ny fianakaviamben’ny mpandraharahan’ny fonja tamin’ny alalan’ny mpitondra tenin’izy ireo, Martin Ratsimavandy. Ny mpandraharahan’ny fonja, hoy izy, dia mpanatanteraka baiko fa tsy mpanapa-kevitra. Ireo mpitondra no mpanapa-kevitra. Raha tsiahivina ny antony namindrana toerana ity mpandraharaha ity tamin’izany fotoana dia antony 2. Fanajana ny zon’ny voafonja sy ny zo maha olona. Nosoniavin’ireo manam-pahefana tamin’ny fotoan’androny izany rehefa safotra noho ny faharenesany ny didim-pitsarana ity mpandraharaha ity. Aoka tsy ho miangatra ny fitsarana, hoy ity mpitondra teny ity, fa vonona hiatrika izahay raha toa ka enjehina hatramin’ireo tompondraikitra naniraka tamin’izany, eny, fa na ny « Numero 1 » tamin’izany aza. Natory tao an-dalan-tsara ireo 24 mirahavavy ireo nefa nisy bevohoka sy mitaiza kely fa ny mpandraharaha Claudine kosa dia ny mpiandry azy manokana na « garde de corps » no niandry azy tao anatiny, hoy hatrany ny ampamoakan’ity mpitondra teny ity.

J. Mirija

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana