Be vaovao
MAMPAMETRA-PANONTANIANA
23/05/2019
Mampametra-panontaniana ankehitriny ny amin’ny tokony hisian’ny fifidianana ho depiote raha mahita ny fihetsiky ny filoham-pirenena tato ho ato izay miara-dalana hatrany
amin’ireo kandida milaza ho miaraka aminy na ny IRMAR sy IRD. Toy ny milaza, hoy ny fanehoan-kevitry ny olompirenena fa izay kandida hafa ivelan’ireo dia tsy mety avokoa ny hevitra sy lalàna tiany hatolotra.
FIVOARAN’NY MALAGASY
Nandritry ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny hetsiky ny 1 martsa tany Korea tetsy Ankatso omaly no nampitahana ny fivoaran’ny politika sy toekaren’ny firenena malagasy sy ity firenena vahiny ity. Mahamenatra anefa raha izay no mamintina azy ny tantara nisy ary tena mbola lavitry ny afo ny kitay, hoy ilay fitenenana izay, raha ny mikasika ny toerana misy an’i Madagasikara ankehitriny no lazaina.
BAREA AN’I MADAGASIKARA
Nanatrika ny fihaonana teo amin’ny Zanakala sy ny 3FB tao Toliara omaly ny mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, Nicolas Dupuis. Vinavinaina, araka izany, fa avy amin’ireto ekipa 2 ireto no hifantenana ireo mpilalao avy eto an-toerana farany hanampy amin’ny fandrafetana ny Barea an’i Madagasikara.