Dans la mme rubrique

Belo Tsiribihina Voarohirohy ho namono olona indray ny miaramila

19/07/2019

Araka ny loharanom-baovaon’ny fianakavian’ny lasibatra, izay naparitany tamin’ny tambajotran-tserasera, heveriny fa noho ny tondro molotra dia natolotra ny miaramila ny momba an’i Raly Tovony.

Belo Tsiribihina Voarohirohy ho namono olona indray ny miaramila

Hamaky ny tohiny...

Sinto-mahery sy halatra moto Babo ireo mpanendaka amin’ny alina eny Tanjombato

19/07/2019

Voasambotry ny polisin’i Tanjombato ny 16 sy 19 jolay teo noho ny resaka fanendahana amin’ny alina eny amin’iny faritra iny ireo jiolahy efatra.

Sinto-mahery sy halatra moto Babo ireo mpanendaka amin’ny alina eny Tanjombato

Hamaky ny tohiny...

FISAVAN’NY ZANDARIN’ANKADINONDRY Gadra 2 nikasa hanafika fanineniny tamin’ny basy tra-tehaka

19/07/2019

Gadra nitsoaka ny taona 2016 sy tovolahy iray mbola manefa sazy ao Tsiroanomandidy saingy nahazo fahefana miasa aty ivelany no tra-tehaka niaraka tamin’ny basy hanatanteraka fanineniny ny asa ratsin’izy ireo.

FISAVAN’NY ZANDARIN’ANKADINONDRY Gadra 2 nikasa hanafika fanineniny tamin’ny basy tra-tehaka

Hamaky ny tohiny...

Ambatoboeny Nahazo efitrano sekoly sy paositry ny polisy

19/07/2019

Ny talata lasa teo no notokanana tamin’ny fomba ofisialy ireo fotodrafitrasa nangatahin’ny mponina tao amin’ny distrikan’Ambatoboeny, faritra Boeny.

Ambatoboeny Nahazo efitrano sekoly sy paositry ny polisy

Hamaky ny tohiny...

Zandarimariam-pirenena Handray mpianatra ho zandary 1200

19/07/2019

Nampahafantarina nandritra ny filankevitry ny minisitra teny amin’ny Lapan’i Iavoloha ny alarobia 17 jolay lasa teo ny famoahana didim-panjakana momba ny fandraisana mpianatra ho zandary miisa 1200 ho an’ny taona 2019-2020.

Zandarimariam-pirenena Handray mpianatra ho zandary 1200

Hamaky ny tohiny...

Fankalazana ny “Mandela Day” Ankizy sahirana sy voafonja 600 nomena fanampiana

19/07/2019

Nankalazaina omaly alakamisy 18 jolay ny « Mandela Day », ahatsiarovana ny daty nahaterahan’i Nelson Mandela niady

Fankalazana ny “Mandela Day” Ankizy sahirana sy voafonja 600 nomena fanampiana

Hamaky ny tohiny...

Fanafihana , Kidnapping, fandrobana volabe Jiolahy iray voapaingotra teny Tsimbazaza

18/07/2019

Dahalo raindahiny efa kalaza tamina fandrobana lelavola mitentina 30.000.000 ariary sy fanaovana takalon’aina tany Maevatanana ary mpanakan-dalana nampitondra faisana ireo mpampiasa ny lalam-pirenena faha-7 mihazo ny faritra atsimon’i Madagasikara no tra-tehaky ny polisy.

Fanafihana , Kidnapping, fandrobana volabe Jiolahy iray voapaingotra teny Tsimbazaza

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Minisitry ny fiarovam-pirenena «Tohizana ny fanenjehana ireo dahalo ambony latabatra»

23/05/2019

Tsy ampy ny hetsika mandalo ataon’ny mpitandro filaminana, mila jerena akaiky ihany koa ireo dahalo ambony latabatra tahaka ireo mpitandro filaminana tra-tehaka tamin’ny asan-jiolahy sy fakana an-keriny teo aloha.

 

 “Misy amin’ireo natao hiaro ny olom-pirenena no miray tsikombakomba amin’ny jiolahy, miaro sy mamatsy fitaovam-piadiana azy ireo. Eo koa ireo olom-boafidy sy olom-boatendry sasany, mila ravana avokoa ireny fa fototry ny tsy fandriampahalemana”, hoy i Aly Antoine Rafanomezantsoa, mpandinika ny raharaham-pirenena. Araka ny tatitr’ireo minisitera mpiahy ny fampandriana fahalemana, ankoatra ny fitaovana toy ny angidimby, nahitam-bokany ireo ezaka tato amin’ny volana vitsy. Miaramila 1.600 mantsy no napariaka manerana ny Nosy. Mbola nanambara aza ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Leon Richard Rakotonirina fa hapetraka ihany koa ny mpanara-maso manokana hitsirihana ny mety fihoaram-pefy ataon’ireo tompon’andraikitra any amin’ny faritra. Maro ihany koa ireo mihevitra fa tsy ajanona amin’ny ezaka miserana ny hetsiky ny mpitandro filaminana. Vao lasa mantsy ireto farany dia hirongatra hamaly faty indray ireo jiolahy.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana