Dans la mme rubrique

Tantely avy eto Madagasikara Anisan`ny tsara indrindra maneran-tany

18/07/2019

Tafakatra amin’ny dingana famaranana amin`ny « Start-up : Entrepreneur-ship World cup” ny orinasa Ikiray Miel de Madagascar, izay orinasa mpamokatra tantely avy eto amintsika.

Tantely avy eto Madagasikara Anisan`ny tsara indrindra maneran-tany

Hamaky ny tohiny...

Fanondranana lavanila taona 2019 Niakatra 15% ny tombombarotra

17/07/2019

Raha oharina ny taona 2018 dia niakatra 15% ny tombony azo tamin’ny fanondranana lavanila teto Madagasikara tamin’ity fiandohan’ny taona ity.

Fanondranana lavanila taona 2019 Niakatra 15% ny tombombarotra

Hamaky ny tohiny...

Sehatry ny fizahantany Mila miezaka mafy i Madagasikara

17/07/2019

Nahatratra 196.806 isa ireo mpizahatany nandalo teto Madagasikara hatreto ho an’ity taona 2019 ity raha toa ka 183.372 tamin’ny taon-dasa, izany hoe nitombo 13.434.

Sehatry ny fizahantany Mila miezaka mafy i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Taona 2019 Rongony 900 kilao hatreto no sarona

17/07/2019

Tamin'ity taona 2019 ity dia 900 kilao ireo rongony saron'ny mpitandro ny filaminana ka anisan’izany ny heroïne, ny cocaine ary ny cannabis izay matetika saron'ny mpitandro ny filaminana eny amin'ny fadin-tseranana.

Taona 2019 Rongony 900 kilao hatreto no sarona

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa Af-Rice Nampiakatra ny voka-bary

16/07/2019

Ny faritra Alaotra Mangoro sy Itasy ary Vakinankaratra no nanatanterahana ny tetikasa andrana Af-Rice noho ny fihenan’ny voka-bary tany.

Tetikasa Af-Rice Nampiakatra ny voka-bary

Hamaky ny tohiny...

Fampananana asa ny tanora Maro ny ezaka mila iantsorohana

16/07/2019

Aty amin’ny firenena mahantra tahaka an’i Madagasikara dia ahitana tanora maro marefo amin’ny sehatra fampianarana sy ny fampananana asa.

Fampananana asa ny tanora Maro ny ezaka mila iantsorohana

Hamaky ny tohiny...

Fifandraisana ara-barotra maneran-tany Hita ho sahirana i Madagasikara

15/07/2019

Efa maro sahady ireo atrikasa natao sy fifanarahana nosoniavina tamin’ireo firenena matanjaka hatramin’ny niovan’ny fitondrana.

Fifandraisana ara-barotra maneran-tany Hita ho sahirana i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Politika eto Madagasikara Mandrava, mamotika firenena

23/05/2019

Nokendrena natao tamin’ny fifidianana filoha farany teo ny fibodoana fahefana tamin’ny fomba an-kolaka nataon’ny HVM

 

 

 tamin’ny alalan’ny lalàm-pifidianana notefena hanakanana an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina tsy ho kandida satria izy ireo no no nosokajiana ho matanjaka na « favoris ». Nanaporofo izany ny niatrehan’izy ireo fihodinana faharoa. Nitambatra ho azy ny depiote TIM sy MAPAR nitarika ny “Tolon’ny fanovana” noho ny kolikoly tao Tsimbazaza, izay noheverin’ny maro ho kihon-dalan’ny tantaran’i Madagasikara hanovana ny fomba fanao ara-politika. Vao niandoha ny hetsika ny 21 aprily 2018, dia nisy faty olona, ka niafara tamin’ny fitakiana ny fialan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Ny governemanta Mahafaly Olivier no rava, ary nandeha ny fizarana seza. Teraka indray ny tsy fitovian-kevitra teo. Niditra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena isika avy eo, ary vao mainka nivaralila ny politika sy ny firenena.

FITAKA, LAINGA, KOLIKOLY …

Nifanao dina fa hifanaja ary nanome toky ny vahoaka teny an-kianja ny TIM sy MAPAR fa hanao fifaninanana masina ao anatin’ny fifidianana. Tsy tena tratra izany ny tanjona. Nisintaka teny an-kianja ny MAPAR satria nahazo minisitera maromaro, ary nanolotra  praiminisitra. Natao tohatra fiakarana ny tolona sy ny vahoaka. Nandeha ny fifidianana filoha, saingy tsy voahaja ilay fifaninanana masina, fa nanjakan’ny hosoka sy hala-bato, kolikoly, herisetra,... Volabe 182 tapitrisa Euros no voatonona ho nampiasain’ny filoha ankehitriny, ary ny mpanara-mason’ny Vondrona Eoropeanina dia nilaza fa nizara vola izy. Tsy te hahalala ireny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) sy ny Vaomieram-pirenena momba ny fifidianana (CENI). Lojika raha mitohy aty amin’ny fifidianana depiote ny leson-dratsy satria na ny filoha aza izay no nahatongavany teo.

 

                                                                         

NY OMALY TSY MIOVA

Nohenjehina sy mbola henjehina ireo depiote 79 noho ny raharaha kolikoly avo lenta hatrany amin’ny 50 tapitrisa ariary isan’olona nampandaniana ilay lalàna fehizoro momba ny fifidianana ny volana aprily 2018. Tena madio sy azo antoka ary ve ireo kandida mirotsaka ankehitriny ka tsy hiseho intsony ny tahaka ireny ? Maro amin’ireo 79 ihany no nitsimbadika nanohana ny filoha ankehitriny sy mirotsaka amin’ny anaran’ny IRD, misy mandeha amin’ny anarany manokana,… Raha handray ohatra anankiray isika dia efa tamin’ny 8 jona 2015 talohan’ny Tolon’ny fanovana ilay raharaha volabe 2 baoritra nentin’ny depiote tamin’izany ary mbola kandida Rtoa Lanto Rakotomanga fa mba nisy tohiny ve ? Manana dosie maloto ny ankamaroany, indrindra fa ireo efa depiote farany teo. Misy mbola kandida malaza amina aferana boaderozy, misy minisitra sady depiote teo aloha,…  Na ireo vao sambany mirotsaka aza misy nohenjehina tamin’ny raharaha “kidnapping” navoaka avy any am-ponja, ao ny voatory noho ny raharahan-tany, ao ny mbola any am-ponja. Mandany vola be mitaiza sy manjono vahoaka amin’ny fizarazaran-javatra na vola ireo be afera mba ho lany. Ahiana hitohy ho antenimieran’ny kolikoly na Antenimieran-jiolahy ny etsy Tsimbazaza.

 

MIHARATSY SY POTIKA NY FANAOVANA POLITIKA

Miova sy miharatsy ny fanaovana politika. Ny mpiray antoko tsy mahay mifandamina ka misy ny misintaka mirotsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana na manangana ekipa vaovao rehefa tsy voasafidy hitondra ny faneva. Ny 515 amin’ny kandida 803 dia mahaleotena avokoa ary 345 ny kandida tsy miankina. Azo heverina ho fahosan’ny antoko politika io, na koa efa politikan’ny zarazarao hanjakana. Maro ny mody mampiseho ho olom-baovao sy miala lavitra ny politika politisianina hakana fom-bahoaka. Malalaka amin’ny karazana fivadibadihana palitao anefa ireny avy eo satria tsy tena misy lalàna mazava mifehy azy. Manery ny olom-boafidy natolotry ny antoko mba tsy hamadika palitao raha tsy te haongana kosa ny andininy faha-72 amin’ny lalàmpanorenana, ka ohatra iray mivaingana ny nionganan’Atoa Fernand Jeannot tsy ho loholona rehefa namadika ny TIM nirotsaka ho kandian’ny IRD. Mampanahy ny hisian’ny endri-dalao ohatra ny tamin’ny andron’ny HVM nisian’ny resaka malety naharatsy loko raha tsy amboarina io satan’ny kandida tsy miankina lanin’ny depiote io.

MAMPIRANGORANGO NY VOLABE

Ny 13 aprily no namoaka fanambarana ny SEFAFI (Sehatra Fanaraha-maso ny fiainam-pirenena), fa tokony hoferana ny fitambaran’ny tombontsoa omena ny parlemantera, alohan’ny fifidianana manaraka, ary mandritra ny fe-potoana rehetra hiasan’ny solombavambahoaka. Lalao maloto sy tsy azo ekena, raha izy ireo ihany no mamolavola ny vola horaisiny. Manodidina 3.000.000 Ar, miampy tambin-karama 400.000 Ar isan’andro mandritra ny fotoam-pivoriana. 3.000.000 Ar isam-bolana solon-tsolika, 200.000Ar fahan’ny finday, izay mitovy amin’ny karama farany ambany amin’izao. Manan-jo hanana mpanampy azy eo amin’ny asany miisa 5. Mahatratra 65.000 Ar isan’andro ny saran’ny hotely rehefa mamita iraka. Ny 2014 ka hatramin’ny 2018, toa hoe nifidy lalàna 271 ny solombavambahoaka farany teo, raha ny fanadihadian’ny SEFAFI. Ny faharetan’ny asa niantsoana fivoriambe dia ora 262 tamin’ny 2014, ora 167 tamin’ny 2015, ora 120 tamin’ny 2016, ora 124 tamin’ny 2017 ary ora 51 monja tamin’ny 2018. Raha atambatra, dia ora 344 izany no natokana ho an’ny asa momba ny lalàna ary ora 166 ho an’ny fanaraha-maso ny asan’ny governemanta tamin’ny alalan’ny fanontaniana valiana eo no ho eo matetika. 724 ora izany tao anatin’ny 5 taona, kanefa ny  mpiasa Malagasy iray miasa 40ora isan-kerinandro manome 1920 ora ao anatin’ny taona iray, ary 9600 ora ao anatin’ny 5 taona. Ny resaka fidinana ifotony indray, toa tsy tena hita taratra firy sy tsy misy vokany oharina amin’ny tombontsoa mihoapampana.

 

FIHANTSIANA ADY HAMPIKORONTANA…

Hireharehana sy hatao fitaovana ny filazana fa kandidam-panjakana sy nahazo tso-drano tamin’ny filoham-pirenena ny IRD. “Ny asan’ny filohan’ny Repoblika dia tsy azo ampirafesina asam-panjakana naha voafidim-bahoaka, asa aman-draharaha hafa, asa ao amin’ny antoko politika na fikambanana, ary fisahanana andraikitra eo anivon’ny fikambanam-pivavahana”, hoy ny andininy faha-49 amin’ny lalàmpanorenana, ary azo hanaisorana ny filoha amin’ny toerany ny fandikana ireo. Vao mainka mandika izany i Andry Rajoelina midina an-tsehatra sy manohana an-kolaka ireo kandidany. Tsy ny TIMK25 ihany no tsy faly amin’io, fa ny kandida rehetra ankoatra ny IRD. Ny kapa ranjo politika, ny fanagadrana ireo mpifanandrina politika efa mandeha etsy an-daniny. Mihamitombo ny fahasosorana, ary mety hiafara amin’ny famondronan-kery na ny “alliance” io rehefa tonga etsy Tsimbazaza raha toa ka mahomby ny kajikajin’ny IRD, izay efa manao izay ho afany mampiasa fahefam-panjakana, toy ny fanerena sefom-pokontany hiara-dia, ny karazana fandrahonana … Manara-maso antsika ny sehatra iraisam-pirenena izay mamatsy ara-bola. Rehefa tsy misy fahefam-panjakana tena mipetraka fa firenena tsy milamina no misy eto, tsy hanome sy hampiasa ny volany eto ny olona. Tsy ho tratra ny tanjon’ny fampandrosoana raha tsy misy filaminana eto.

 

Nanangona sy nandrindra: Toky Rafalimanana

 

 

 

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana