Dans la mme rubrique

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

19/07/2019

Kaontenera 500 isa feno entana ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina no voalaza fa tsy maintsy hopotehina na atao lavanty ireo entana tsy misy mpaka. Mihitsoka sy mibahan-toerana ao amin’ny faritry ny ladoany ireo kaontenera ireo.

Seranan-tsambon’i Toamasina Entana 500 kaontenera hopotehina na hatao lavanty

Hamaky ny tohiny...

Feno 60 taona ny fandraharahana ny fonja Hezahina ny fanajana ny zo maha olona

19/07/2019

Notanterahina omaly alakamisy 18 jolay teny amin’ny minisiteran’ny Fitsarana Anosy ny faha-60 taonan’ny fandraharahana ny fonja. Lohahevitra tamin’izany ny hoe:

Feno 60 taona ny fandraharahana ny fonja Hezahina ny fanajana ny zo maha olona

Hamaky ny tohiny...

Filaminana, fitiavana, fifanampiana Tokony hatao andron’i Mandela ny andro rehetra

18/07/2019

Marihina amin’ny fomba ofisialy anio 18 jolay ny andro ho an’i Nelson Mandela na ny “Mandela Day”.

Filaminana, fitiavana, fifanampiana Tokony hatao andron’i Mandela ny andro rehetra

Hamaky ny tohiny...

Lalana Zafy Albert Hotokanana amin’ny heriny anio

17/07/2019

Nampahafantarina tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely omaly fa feno ny fepetra ahafahana mampitondra ny anaran’ny lalana manoloana ny kianjan’Alarobia izay mifanjohy amin’ny lalana Ranaivo Paul sy Andriatsihoarana ho lalana Zafy Albert.

Lalana Zafy Albert Hotokanana amin’ny heriny anio

Hamaky ny tohiny...

Maud Vuyelwa Dlomo “Fanabeazana sy fampianarana no fanalahidin'ny fandrosoana”

17/07/2019

Hankalazaina isaky 18 jolay ny andro ho an’i Mandela na ny « Mandela Day » araka ny fanapahana nataon’ny UNESCO tamin’ny 18 jolay 2009,

Maud Vuyelwa Dlomo “Fanabeazana sy fampianarana no fanalahidin'ny fandrosoana”

Hamaky ny tohiny...

Lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina Nodinihina ny fahafaha-mamorona fihariana

17/07/2019

Niditra tamin’ny andiany fahefatra tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly ny fivorian’ireo komity anatiny misahana ny fanajariana ny tetikasa momba ny fanatsarana ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina (TatoM).

Lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina Nodinihina ny fahafaha-mamorona fihariana

Hamaky ny tohiny...

Fiaraha-miasa Hatao tanàna mpirahavavy Antananarivo sy Jerosalema

17/07/2019

Hatao tanàna mpirahavavy ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny tanànan’i Jerosalema any Israel, raha araka ny vinavina.

Fiaraha-miasa Hatao tanàna mpirahavavy Antananarivo sy Jerosalema

Hamaky ny tohiny...


Actualits

FIM 2019 Handray anjara voalohany ny Belza

23/05/2019

Nanomboka ny alatsinainy 20 mey teo ary hifarana amin’ny sabotsy 25 mey ho avy izao ny fitsidihana ara-toekarena ataon’ireo solontenan’ny orinasa avy any Belgique.

 

Tany amin’ny Nosy La Réunion, Maorisy ary eto Madagasikara no nofidian’izy ireo hanatsarana ny sehatra fanondranana. Nisy ny fihaonana mivantana tamin’ireo mpandraharaha eto Madagasikara omaly tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina izay ny AWEX (Agence Wallone à l’Exportation et aux Investissements Etrangers) miaraka amin’ny Fivondronan’ny Orinasa eto Madagasikara (GEM) ary ny Tranoben’ny Varotra sy Indostria Antananarivo no tompon’antoka. Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasa maharitra amin’ireo orinasa avy any Belzika sy ny eto an-toerana, indrindra ny amin’ny sehatra fandraharahana. Samy hijery ny tsena azo trandrahana ihany koa ny roa tonta satria handray anjara mavitrika amin’ny FIM 2019 mihitsy ny Belza. Vao sambany izany ary entina hanatsarana ny fifandraisana ara-barotra amin’ny firenena roa tonta.

Tsirinasolo

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana