Dans la mme rubrique

Edito Rivo-baovao !

19/07/2019

Asa aloha ny fahitantsika mpanara-baovao azy fa saika samy nilokaloka ny hitondra rivo-baovao eny anivon’ny antenimieram-pirenena eny daholo fony vao lany ireto solombavambahoaka vaovao ireto.

Edito Rivo-baovao !

Hamaky ny tohiny...

Kely tsy mba mamindro ?

18/07/2019

Ny fidirana an-tsehatry ny solombavambahoaka vao voafidy izao no anisan’ny raharaha mafana raha ny tontolo politika eto Madagasikara.

Kely tsy mba mamindro ?

Hamaky ny tohiny...

Edito Aoka tsy ho variana!

17/07/2019

Manomboka miverina tsikelikely amin’ny fiatrehana ny fiainany andavanandro indray ankehitriny ny Malagasy.

Edito Aoka tsy ho variana!

Hamaky ny tohiny...

Tantara tsy hay kosehina !

15/07/2019

Mipetraka tsy ho azo kosehina eo amin’i Tantaran’i Madagasikara ny momba ny Barean’i Madagasikara sy ny zava-bitany, ary ny tsio-drivotra nentiny teo amin’ny fiainam-pirenena. Sokajian’ny any ivelany ho firenena mahantra i Madagasikara, anjakan’ny kolikoly, mpitondra tia tena sy mpangoron-karena,…

Tantara tsy hay kosehina !

Hamaky ny tohiny...

Mila madio fo amin’izay !

13/07/2019

Hakotroka ny fitsenana ny Barean’i Madagasikara anio, ka haseho sy hamafisina ho hitan’izao tontolo izao fa tsy manam-paharoa sy mendrika ny mpilalaontsika sy ny firenentsika manontolo.

Mila madio fo amin’izay !

Hamaky ny tohiny...

Tsy nitsanga-menatra isika !

12/07/2019

Tsy nitsanga-menatra ny ekipam-pirenena Malagasy tao anatin’ny fandraisana anjara voalohany tamin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra na ny “CAN 2019”.

Tsy nitsanga-menatra isika !

Hamaky ny tohiny...

Edito Miaritra kely !

11/07/2019

« Izay mahari-pery no izy. Izay miaritra ihany no tafa. Miaritra no tompondaka.

Edito Miaritra kely !

Hamaky ny tohiny...


Edito

Fahatelo sady farany

23/05/2019

Fihodinana fahatelo, hono ity, ho an’ilay kandida filoham-pirenena tsy nolaniana tamin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana natao teto amintsika farany teo sy ny ekipany.

 

 

 Araka ny hira fanevan-dry zareo moa dia tena heno mihitsy ny fahatokisan-tenan’ity filoham-pirenena teo aloha ity sy ny ekipany fa mba ho azon’izy ireo kosa ity fihodinana fahatelo ity. Tahotra an’izany ve no anton’ny fihetsiky ny filoham-perinasa tato ho ato izay toa hita ho mizotra any amin’ny fandikan-dalàna hatrany hatrany ka mampiseho fiandaniana sy fanohanana an-kolaka ireo kandida ho depiote izay mitonona anarana ho miaraka aminy. Miantoka ny aim-pirenena ny fifidianana ho solombavambahoaka satria moa izany izay ho lany eo dia hanao indray ny lalàna ifehezana ny tany sy ny firenena. Tsy diso ny filazana fa miankina tokoa amin’izay lalàna eken’ireo depiote vaovao holaniana ny fahafahana mampandroso na tsia ny firenena. Fanontaniana tsy azo hihodivirana koa anefa hoe tena hiasa sy hampandroso araka ny tokony ho izy tokoa ve ity fitondrana ity raha mahazo ny maro an’isa eo ? Mbola misy 5 taona moa ahafahana mitsara an’izay fa ny zava-misy sy mampimenomenona ny maro dia ity filoham-pirenena milalao ny andininy faha-49 ao amin’ny lalàmpanorenana ity. Ilay lalàna rahateo koa moa azo lazaina hoe izy sy ny ekipany ihany no nanao azy ary tsy vitan’ny nolaniana kitoatoa tamin’ny karnem-pokontany fa toa sady fanahiniana natao nanjavozavo izany. Rehefa te hanohitra ny voalaza ao dia mahita voambolana hahafahana manazava izany ary rehefa te hanao ny mifanohitra amin’izay dia mahita voambolana mifanaraka amin’izay ihany koa. Adidy goavana miandry izay depiote ho lany amin’izao fihodinana fahatelo sady farany izao, araka izany, ny hamadika io lalàmpanorenana io mba ho mora vakiana sy mora ampiharina, araka ilay voambolana iraisampirenena hoe « scripto sensu » fa tsy ho raisina amin’izay tiana andraisana azy intsony.

J. Mirija

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana