Dans la mme rubrique

BE VAOVAO LAMESAN’NY PAPA

20/06/2019

Any amin’ny paroasin’ny fiangonana katolika akaiky no misoratra anarana ireo rehetra hanatrika ny Sorona masina hotarihin’ny

BE VAOVAO LAMESAN’NY PAPA

Hamaky ny tohiny...

Maitre Olala

19/06/2019

Mbola hiakatra CODIS indray ny 21 jona izao ilay mpisolovava tsy navela hiasa 2 taona,

Maitre Olala

Hamaky ny tohiny...

FATY HITA TEO AMORON-DRANO

18/06/2019

Fatim-behivavy tokony ho eo amin’ny 18-20 taona eo no hitan’ny fokonolona teo amin’ny

FATY HITA TEO AMORON-DRANO

Hamaky ny tohiny...

MAY NY CNAPMAD

14/06/2019

Kilan’ny afo ny efitra iray tao amin’ny orinasam-panjakana Cnapmad, tetsy Andranomahery, omaly maraina.

MAY NY CNAPMAD

Hamaky ny tohiny...

MMV

14/06/2019

Tsy hametraka fitoriana intsony izahay, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana MMV amin’ny resaka fifidianana eto amin’ny firenena satria leo an’ilay azo raisina fa tsy mitombina.

MMV

Hamaky ny tohiny...

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

13/06/2019

Nampiteny ny moana ny fitohanan'ny fifamoivoizana teto an-drenivohitra omaly.

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

Hamaky ny tohiny...

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

12/06/2019

Tafiakatra 34 ny miaramila nidoboka am-ponja noho ny fanaovana heloka bevava nandritry ny hetsika fampandrian-tany nanerana ny nosy.

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

ONJAM-PEO NAATO

23/05/2019

Onjam-peo maromaro no naato tato ho ato noho izy ireo tsy manara-dalàna. Tsy namoaka fahazoan-dàlana akory ny minisitera mpiahy ny serasera dia avy hatrany dia nandefa ny fandaharany ireo radio ireo.

 



 Fika tsotra ihany ny nampiasain’ireo dia ny resaka « extension » izany na koa ny fanitàrana ny onjam-peo any amin’ny faritra hafa. Mazava anefa fa efa nisy naoty nampiato ny fanitàrana rehetra nanomboka tamin’ny martsa teo. 

KARATRA MAHA MPANAO GAZETY


Nanao ny fivoriambeny ny mpikamban’ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara omaly. Ny tena votoatin’izany dia ny fomba fametrahana ny vaomiera manome ny karatra maha-matihanina ny mpanao gazety. Isan’ny tanjon’izy ireo ny mba tsy hidiran’ny minisiteran’ny serasera intsony ao anatin’ny lalana rehetra izay hahazoana ny karatra mpanao gazety. Efa nofoanana ny karatra navoakan’i Rolly Mercia fony izy minisitra raha hiverenana kely. 

FIARA NISY NANAFIKA TENYANDOHARANOFOTSY

 

Nisy nanafika amin’ny andro atoandro ny fiara mpitatitra entana tetsy Andoharanofotsy ny alatsinainy teo. Lasa ny vola izay mitentina 80 tapitrisa ariary tao anatiny. Jiolahy mitam-basy maromaro no nanao ny fanafihana ary toa efa fantatr’izy ireo ny fisian’ny vola izay tao anatin’ilay fiara lehibe. Mafy ny angom-baovao ataon’ny jiolahy ary mihoatra lavitra noho ny an’ny mpitandro ny filaminana aza izany matoa isaky ny mandeha dia hitan’izy ireo hatrany ny misy ny vola sy ny fanatontosana ny fanafihana. 

MAMON-DRONGONY

 

Mamon-drongony dia namaky trano. Izany no nataon’ny lehilahy iray teny Itaosy. Soa fa maro olona tao amin’ilay tokantrano ary raikitra ny tanamaro tamin’ny fisamborana azy. Tsy afa-nanoatra intsony satria sendra ny be noho ny vitsy. Nantsoina ny polisy naka azy tao ary nosokafana avy hatrany ny fanadihadiana ilay olona. Mbola nahitàna fonoson-drongony maromaro teny aminy nandritry ny fisavàna azy. 


 

 

 

 

FAMPIHAVANANA TANY MIANDRIVAZO

 

Vitan’ny nofon-kena mitam-pihavanana ny famahana ny olana izay nitranga tany Miandrivazo. Izany dia mahakasika ny fahafatesan’ny olona fito izay vokatry ny disadisa teo amin’ny fianakaviana roa izay nifamono ny niafarany ary nifandoro trano. Voatery niditra an-tsehatra hatramin’ny OMC mba handaminana ny raharaha izay nivaha ihany. Nampatahotra ny olona sao ho lasa ady an-trano ity nitranga ity kanjo mba voavaha ihany. 

JIOLAHY ANY TOAMASINA

 

Mitety trano ary mijerijery izay horobaina ireo jiolahy ny atoandro. Ny alina izy ireo dia manatontosa amin’izay ny fanafihana. Izany no nitranga ao Toamasina. Ny alahady teo no nanafika ireo jiolahy teny Ambolomadinika. Soa fa nahazo vaovao momba ireto jiolahy ny polisy ary nanao ny fisavàna ny tranon’ireo. Karazan’entana maro no hita tao toa ny fahitalavitra, ny famakiana kapila mangirana sy ny kojakojan-tokantrano maro. Olona efatra no voasambotra.

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana