Dans la mme rubrique

MAY NY CNAPMAD

14/06/2019

Kilan’ny afo ny efitra iray tao amin’ny orinasam-panjakana Cnapmad, tetsy Andranomahery, omaly maraina.

MAY NY CNAPMAD

Hamaky ny tohiny...

MMV

14/06/2019

Tsy hametraka fitoriana intsony izahay, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana MMV amin’ny resaka fifidianana eto amin’ny firenena satria leo an’ilay azo raisina fa tsy mitombina.

MMV

Hamaky ny tohiny...

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

13/06/2019

Nampiteny ny moana ny fitohanan'ny fifamoivoizana teto an-drenivohitra omaly.

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

Hamaky ny tohiny...

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

12/06/2019

Tafiakatra 34 ny miaramila nidoboka am-ponja noho ny fanaovana heloka bevava nandritry ny hetsika fampandrian-tany nanerana ny nosy.

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ben’ny tanàna

12/06/2019

Vinavinaina ho amin’ny volana oktobra ho avy izao ny fifidianana ben’ny tanàna eto Madagasikara.

Fifidianana ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...

HALA-JAZA ENY AMBOHIBAO SY TALATAMATY

11/06/2019

Mikorotan-tsaina tanteraka ny ray aman-dreny monina eny amin’ny manodidina an’Ambohibao sy Talatamaty ankehitriny.

HALA-JAZA ENY AMBOHIBAO SY TALATAMATY

Hamaky ny tohiny...

NAMPIHINANA AKOHO VELONA

07/06/2019

Nasaina nohanina velona ilay akoho. Izay no fitsaram-bahoaka nahazo ny tovolahy iray tetsy Andraisoro omaly.

NAMPIHINANA AKOHO VELONA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

MPIAMBINA VOATSATOK’ANTSY

22/05/2019

Mpiambina ny orinasa lehibe an’ny karàna etsy Andaharo no nisy nanindrona antsy teo amin’ny tendany.

 

 

 

Nisy lehilahy iray izay karohina ary efa fantatra fa tompon’antoka tamin’io vono olona io. Nolerany antsy efa ho 10 sm teo amin’ny tendany ilay mpiambina. Ny vehivavy iray izay voalaza fa sakaizan’io maty io koa dia nosamborina teo ihany. Nentina teny amin’ny hopitaly Loterana eny Ambohibao ny naratra saingy tsy tana intsony ny ainy.  


BAUME RELAX SANDOKA

 

Niparitaka tao amin’ny tsenan’Anosibe ny menaka mafana « baume relax » sandoka. Rehefa naharay fitoriana ny polisy misahana ny fampiasana hosoka dia nidina an-tsehatra teny an-toerana. Rehefa nojerena tokoa dia feno mpivarotra azy tao an-tsena. Miisa 983 ireo boaty nogiazana ary olona efatra no nosamborina avy hatrany. Ireo mpivarotra ihany aloha hatreto no nosamborina satria tsy hita ny tena atidoha nikotrika. 

NAHOMBY NY PAIKADIN’NY POLISY

 

Mahomby hatrany ny fanaon’ireo polisy tsy manao fanamiana. Tena tsy araky ny mpanendaka mihitsy ary betsaka ireo olon-dratsy sarona eny amin’ny toerana fiantsonan’ny bus, indrindra eny amin’ny faritr’i 67ha izay efa mampikaikaika ny olon-tsotra sy ny mpandeha fiara tratra ao anaty fitohanan’ny fifamoivoizana. Toa io indray aza no mahomby kokoa noho ny « péloton mobile » izay mandehandeha fotsiny nefa tsy miditra elakela-trano akory. 

VOLA SANDOKA 20 000 ARIARY

 

Miparitaka ny vola sandoka amin’ny raviny 20.000 ariary ao Toamasina. Efa mailo ny mpivarotra ka raha vao hafahafa ny ravim-bola dia miantso avy hatrany ny polisy izy ireo. Ny tsikaritra dia tsy fantatr’ireo voasambotra akory ny atidoha mikotrika ao ambadika. Efa malaza ratsy amin’ny fanaparitahana vola sandoka any Atsinanana ary raha ny fantatra dia nisy fanadiovam-bola tany aloha tany izay mandeha ao amin’io faritra io ankehitriny. 

ZAZAVAVY TERAKA KAMBANA 3

 

Zazavavy 15 taona no nanao kamban-telo tao Ankilimalinike, ao Toliara 2. Nanaitra ny maro izany satria tena mbola kely ilay olona ary tsy mbola tokony ho fotoanan’ny miteraka. Nandeha renin-jaza izy ary rehefa tsy voafehy tao ny fahasalamany izay vao nanatona hopitaly. Teo no nahoraka amin’izay ny zava-nitranga ary mba avotra ihany anefa ilay zazavavy. Mbola endrika fanararaotana ara-nofo ihany ny fisian’ny zaza miteraka toy izao.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana