Dans la mme rubrique

Tandrevaka nahafaty an’i Alain Boutre Tsy hamelanay ireo mpitsabo, hoy ireo mpanakanto

24/02/2020

Nanao fanambarana ny sabotsy teo ny solontenan’ireo mpanakanto, nahitana an’i Mamy Gotso, notronin’i Tsiliva,

Tandrevaka nahafaty an’i Alain Boutre Tsy hamelanay ireo mpitsabo, hoy ireo mpanakanto

Hamaky ny tohiny...

RADO RAMPARAOELINA Tokony hatao mangaraharaha ny fitantanana ny CLD

24/02/2020

Ny 80 %-n’ny vola azo avy amin’ny CLD ho an’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano dia fantatra fa haompana amin’ny resaka fanabeazana avokoa hahafahana mampihena ny tahan’ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoly.

RADO RAMPARAOELINA Tokony hatao mangaraharaha ny fitantanana ny CLD

Hamaky ny tohiny...

Fihainoana ny hetahetam-bahoaka Hatsangana ny birao isam-bohitra any Arivonimamo

24/02/2020

Hanangana birao isam-bohitra ny ben’ny tanànan’Arivonimamo mba handraisana ny hetahetan’ireo vahoaka eny anivon’ny fokontany.

Fihainoana ny hetahetam-bahoaka Hatsangana ny birao isam-bohitra any Arivonimamo

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Îles Eparses Tena ho sarotra ny raharaha

24/02/2020

Nambaran’ny gazety Frantsay Le Monde fa nampitombo ny fanampiany an’i Madagasikara i Lafrantsa, saingy tsy hamerina velively ny Iles Eparses.

Raharaha Îles Eparses Tena ho sarotra ny raharaha

Hamaky ny tohiny...

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

21/02/2020

Notanterahina omaly 20 febroary ny lanonana ara-pitsarana fianianan’ireo mpikambana ao anatin’ny Fitsarana Avo (HCJ),

Am-perinasa ny HCJ Hisy minisitra teo aloha higadra…

Hamaky ny tohiny...

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

21/02/2020

Fotoana izao ho an’ny mpanatanteraka handinihana lalina ireo tetikasa izay hotanterahina eto amintsika.

Tetikasan’ny filoham-pirenena Mila fanadihadiana lalina ihany…

Hamaky ny tohiny...

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

21/02/2020

Natokan’ny solombavambahoakan’Atsimondrano mirahalahy, Alain Ratsimbazafy sy Andry Ratsivahiny, ho an’ny sehatry ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Antananarivo Atsimondrano Natokana ho an’ny fanabeazana ny 70%-n’ny CLD

Hamaky ny tohiny...


Politique

Filoha sy Praiminisitra Anaty ady mangatsiaka ?

22/05/2019

Ireo toerana hitany fa tena malemy na mety ho resy ny kandidany no hanaovan’i Andry Rajoelina propagandy an-kolaka, toy ny tao Tsiroanomandidy sokajiana ho tokotanin’ny TIM.

 

 Raha ny tantara, ny faritra Bongolava no nanao “Tsia” tamin’ny fanovana lalàmpanorenana tamin’ny 2010. Ireny niaraha-nahita ireny ny teto Antananarivo izay tena ratsy toerana ireo kandidan’ny IRD, ka mila atosika satria atahorana ho resy. Any Ambatondrazaka dia mety tsy ho hita tabilao, ka dia midina an-tsehatra ny filoha tsy miteny fidio, fa kosa miara-dia sy mba hialokalofan’ny kandidany eo. Re fa ho any Mandritsara izy anio. Tetsy an-kilany anefa, raha ny zava-nisy ny  alatsinainy teo dia nanamafy ny tsy tokony ho fitanilan’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy nampitandrina ireo olom-panjakana ambony hatrany amin’ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana ny Praiminisitra Ntsay Christian. Ny filoha kosa tsy te hahalala izany. Toa efa endrika iray tsy maneho ny tsy fifankahazoana eo amin’ny praiminisitra sy ny filoha io. Ny iray miezaka mandamina sy mipetraka ho arofanina ary miezaka manaja sy mampanaja ny lalàna satria miainga avy any ambony ny ohatra. “Ny asan’ny Filohan’ny Repoblika dia tsy azo ampirafesina asam-panjakana naha voafidim-bahoaka, asa aman-draharaha hafa, asa ao amin’ny antoko politika, na fikambanana, ary fisahanana andraikitra eo anivon’ny fikambanam-pivavahana”. Antony goavana hahafahana manaisotra ny filoha amin’ny toerany ny fandikana ireo, raha ny voalazan’ny andininy faha-49 amin’ny lalàmpanorenana. Lalàna mipetraka fa tsy natao ho hajaina?

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana