Dans la mme rubrique

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

23/08/2019

Manoloana ny tsy fandraisan’anjaran’ny antoko Tiako i Madagasikara tamin’ny fandaniana ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny mety hitranga aorian’izany dia nilaza ny fahitany ny toe-draharaha ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM,

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

23/08/2019

Nahagaga ny nivoahan’ny depiote TIM tamin’ny fifidianana lehiben’ny mpanohitra teny Tsimbazaza satria raha tsy diso aho dia 100%,

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

Hamaky ny tohiny...

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

23/08/2019

Ny politika amin`ny ankapobeny dia tsy misy “adilahy” fa fombany io. Misy no tsy mitovy hevitra ary lojika raha misy ny adihevitra politika.

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

Hamaky ny tohiny...

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

23/08/2019

Hafa mihitsy ny politika eto Madagasikara fa mitsimbadika ambony ambany.

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

23/08/2019

Efa nanao antso avo ny fikambanana Adopt ny teo momba ny fanaovana an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina, indrindra ireo mpiasam-panjakana sy ireo avara-pianarana.

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Lalàna Brunelle Fasan'ny demokrasia

23/08/2019

Adihevitra tsy vita ny tolo-dalàna 01-2019/PL Razafitsiandraofa Jean Brunelle nanovana ny lalàna mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra, izay efa nolanian’ireo depiote mpomba ny fitondrana.

Lalàna Brunelle Fasan'ny demokrasia

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

23/08/2019

Maro ireo vahaolana azo eritreretina amin`ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana.

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Mpitondra eto Madagasikara Tokony ho modely amin’ny fitsitsiana

21/05/2019

Iaraha-mahita ny fahantrana lalina mianjady amin’ny firenena. Manoloana izany anefa dia mibaribary ihany koa ary hitan’ny maro ny filibana fandaniam-bola ataon’ny fitondrana.

 

 

 

Misy ny vola saingy hita taratra ny lesoka ao amin’ny fifehezana ny fandaniana. Tia sehoseho ary mpandany vola amin-tsy ahoana ny ankamaroan’ny tompon’andraikitra. Maika ery amin’ny fanokanana sy ny fivoriana ary ny atrikasa etsy sy eroa kanefa mody milaza ho tsy manam-bola hatrany. Amin’ireny fandehanana mankany ivelany ireny aza moa dia misy ny fitsitsiana afaka hampiarina. Afaka ahena ny delegasiona mandeha manatrika fivoriana any saingy efa fahazarana ilay mandeha maromaro hatrany ary midangana foana ny vola aloa noho ny saran-dalana sy ny fandaniana atao any. Tsy lazaina intsony ireny fiara ampiasain’ny tompon’andraikitra ambony maro eto amin’ny firenena ireny izay tena mitroka solika be. Afaka atao anefa ny fampiasana fiara tsotra tsy mihinan-dasantsy mba ho fitsinjovana ny vahoaka saingy noho ny fisehosehoana eo amin’ny mpitondra dia tsy maintsy mitaingina ireny fiara lafo vidy sady mandany be hafarana ireny. Ohatra amin’izany koa ny fivorian’ny depiote izay mihoapampana hatrany ny famoaham-bola tahaka ny hita tamin’ireny fandaniana ny lalàna nitarazoka ela ireny. Eo anatrehan’izany rehetra izany, ny fahasahiranan’ny Malagasy efa iaraha-mahalala fa mitombo isan’andro, ny mpitondra anefa sady tsy mahay mitantana no sady tsy manana politikan’ny fihafiana sy fitsitsiana mihitsy.

 

Tsiry

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana