Dans la mme rubrique

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

23/08/2019

Manoloana ny tsy fandraisan’anjaran’ny antoko Tiako i Madagasikara tamin’ny fandaniana ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny mety hitranga aorian’izany dia nilaza ny fahitany ny toe-draharaha ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM,

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

23/08/2019

Nahagaga ny nivoahan’ny depiote TIM tamin’ny fifidianana lehiben’ny mpanohitra teny Tsimbazaza satria raha tsy diso aho dia 100%,

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

Hamaky ny tohiny...

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

23/08/2019

Ny politika amin`ny ankapobeny dia tsy misy “adilahy” fa fombany io. Misy no tsy mitovy hevitra ary lojika raha misy ny adihevitra politika.

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

Hamaky ny tohiny...

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

23/08/2019

Hafa mihitsy ny politika eto Madagasikara fa mitsimbadika ambony ambany.

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

23/08/2019

Efa nanao antso avo ny fikambanana Adopt ny teo momba ny fanaovana an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina, indrindra ireo mpiasam-panjakana sy ireo avara-pianarana.

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

Hamaky ny tohiny...

Lalàna Brunelle Fasan'ny demokrasia

23/08/2019

Adihevitra tsy vita ny tolo-dalàna 01-2019/PL Razafitsiandraofa Jean Brunelle nanovana ny lalàna mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra, izay efa nolanian’ireo depiote mpomba ny fitondrana.

Lalàna Brunelle Fasan'ny demokrasia

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

23/08/2019

Maro ireo vahaolana azo eritreretina amin`ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana.

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Kandidà manohana an-dRajoelina Afaka mijery amin`ny maso tsy mitanila tokoa ve ?

21/05/2019

Kandidàm-panjakana ve sa kandidà manohana fanjakana ? Raha ny hevitra lah. 5 tamin` ny 28 martsa 2019 navoakan` ny HCC dia milaza fa afaka mitondra ny anarana ny Filoham-pirenena ny fivondrona antoko politika. Antony, jerena ny lalàna mifehy ny fifidianana amin` ny ankapobeany lah. 2018-008 dia tsy nanohitra izay.

 

 

 

 Ny Lalàna momba ny fifidianana depiote lah. 2018-010 dia tsy manohitra izany fa milaza hoe azo raisina ny firotsahan-kofidiana raha misy antoko mitsangana ara dalàna manolotra izany. Tsy milaza izany ihany koa ny lalàna mifehy ny antoko politika lah. 2011-012. Manana tombony manokana aloha ireto kandidà solombavambahoaka manohana ny fitondrana. Araka ny voalazan`ny lalàmpanorenana ao amin`ny and. faha-69 dia mazava fa manara-maso ny asan`ny mpanatanteraka ny fahefam-pitsaràna. Ao anatin`izany no hametrahana ny fizaram-pahefana sy ny tsy fitanilan’ny fahefana. Raha hita fa misy fahefana tsy manara-dalàna dia tsy maintsy misy ny fandraisana andraikitra. Na depiote mpanohana ny fitondrana anefa, mazava ny lalàna fa ny depiote, na ny  antoko manolotra solombavambahoaka na vondroana antoko manolotra solombavambahoaka dia tsy maintsy mijery ny fahefana mpanara-maso napetraky ny lalàmpanorenana ary mijery amin`ny maso tsy mitanila izay fampiharana  ny fitantanana raharaham-panjakana. Ho vitan’izy ireo ve izany ?

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana