Dans la mme rubrique

Fanendrena ny Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Efa any am-pelatanan’ny filoha ireo anarana 3

14/06/2019

Efa nalefa any amin’ny filoham-pirenena ny 2 jona lasa teo ny anaran’ireo olona 3 hisafidianany ka tendrena ho tale jeneralin’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco)

Fanendrena ny Tale jeneraly vaovaon’ny BIANCO Efa any am-pelatanan’ny filoha ireo anarana 3

Hamaky ny tohiny...

Jhonny Rakotoarisoa « Tsy maty izany aho »

14/06/2019

Niely ny tsaho fa maty voatifitra tany Mahereza ny tenako raha namonjy voka-dehiben’ny fiangonana tany, hoy ny kandida ho depiote tao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo farany teo, Jhonny Rakotoarisoa.

Jhonny Rakotoarisoa « Tsy maty izany aho »

Hamaky ny tohiny...

Gasy Youth Up Manatsara ny lenta sy ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny CUA

14/06/2019

Hifarana anio zoma 14 jona ao amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely rehefa naharitra roa andro, ny “team building project” na fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Gasy Youth Up Manatsara ny lenta sy ny fahaiza-manaon’ny mpiasan’ny CUA

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Talatamaty Nitondra am-bavaka ny firenena

14/06/2019

Nitondra am-bavaka ny firenena ny kaominina Talatamaty, ny alarobia hariva teo, tao amin’ny Ekar Faralaza.

Kaominina Talatamaty Nitondra am-bavaka ny firenena

Hamaky ny tohiny...

Mitaintain-dava ny vahoaka Mitombo isa ireo miaramila tsy voafehy…

13/06/2019

Raharaha mafampana ny mombana miaramila miisa 34 naiditra am-ponja vonjimaika noho ny fahafatesana sivily miisa telo hita faty tao amin’ny Reniranon’i Onive tao Ampitatafika distrikan’Antanifotsy ny 31 mey taorian’ny nisamborana azy tany Ambohimahasoa ny 21 mey lasa teo

Mitaintain-dava ny vahoaka Mitombo isa ireo miaramila tsy voafehy…

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao « Manahirana io vidin-tsolika io »

13/06/2019

Vita ny tatitry ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), andrasana ny fampidinana vidin-tsolika. Araka ny fanamby nataon`ny filohan`ny Repoblika, tsy maintsy hahena ny vidin-tsolika ary efa nanaiky izany ireo mpandraharaha, hoy ny minisitry ny vola Randriamandranto Richard.

Rivo Rakotovao « Manahirana io vidin-tsolika io »

Hamaky ny tohiny...

Kaontim-bola any amin’ny banky Arahi-maso ny mpanao politika sy olona ambony

13/06/2019

Arahin’ny fanjakana maso akaiky ny kaontin’ny mpanao politika sy ny mpiasam-panjakana ambony toy ny Tale jeneraly na “cadre” ambony amin’ny orinasa, izay sokajiana amin’ny hoe “client sensible” amin’izao fotoana izao.

Kaontim-bola any amin’ny banky Arahi-maso ny mpanao politika sy olona ambony

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fidirana an-tsokosoko an’i Madagasikara Afrikanina 14 voasambotra

21/05/2019

Misy teratany Afrikanina miditra an-tsokosoko amin’ny sisin-tanin’i Madagasikara amin’iny ilany Avaratra Andrefana iny. Miafina any anaty ala izy ireo, ary vehivavy ny ankamaroany. Avy atsy Kaomoro, Kameronina, Guinée,…

 

 Nisy 14 anefa efa tratra ka mandeha ny fanadihadian’ny zandary toy ny any Ambanja. Nivoitra fa niafina sy an-tsokosoko ny nidirana teto, ary mikendry hiondrana an-tsokosoko miandry sambo lehibe kokoa hihazo an’i Lafrantsa. Midika io fa tsy voafehy ny sisin-tanin’i Madagasikara noho ny antony maro samihafa, toy ny tsy fahampiana na ara-pitaovana na arak’olona. Ekena fa manana ny CFIM (Centre de Fusion et Information Maritime) sy ny APMF (Agence Portuaire Maritime et Fluviale)  mampiasa ny teknolojia samihafa, toy ny GPS sy ny Radar, saingy tsy voafehy ny resaka trafika samihafa, ary io indray fa misy resaka fidirana an-tsokosoko. Zara raha misy ny 1,5% amin’ny tafika Malagasy anefa no mandrafitra ny tafika an-dranomasina izay 300 isa eo, raha ny fanadihadiana natao ny volana jolay 2018. 1 812 259 km2 ny faritra azontsika ampiasaina, arovana ary trandrahana. Mitana ny 4,1% amin’ny harinkarena ny ranomasintsika, ary ny 13% amin’ny fanondranana atao no avy amin’io. Tanterahina eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny fikaonan-doha handraisana firenena 7 anjara momba ny fanatsarana ny politika fiarovana ny fari-dranomasina.

Toky R

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana