Dans la męme rubrique

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

23/08/2019

Manoloana ny tsy fandraisan’anjaran’ny antoko Tiako i Madagasikara tamin’ny fandaniana ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny mety hitranga aorian’izany dia nilaza ny fahitany ny toe-draharaha ny filoha lefitry ny komitin’ny fampihavanana malagasy na CFM,

Mpanohitra sy mpitondra Mpiara-miasa fa tsy mpifahavalo, hoy ny CFM

Hamaky ny tohiny...

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

23/08/2019

Nahagaga ny nivoahan’ny depiote TIM tamin’ny fifidianana lehiben’ny mpanohitra teny Tsimbazaza satria raha tsy diso aho dia 100%,

Mpitondra fanjakana « Hahita afaka 5 taona… »

Hamaky ny tohiny...

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

23/08/2019

Ny politika amin`ny ankapobeny dia tsy misy “adilahy” fa fombany io. Misy no tsy mitovy hevitra ary lojika raha misy ny adihevitra politika.

Fiainam-pirenena Variana amin`ny adilahy politika ny maro

Hamaky ny tohiny...

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

23/08/2019

Hafa mihitsy ny politika eto Madagasikara fa mitsimbadika ambony ambany.

Hafa mihitsy i Madagasikara Ny fitondrana indray no manohitra ny mpanohitra....

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

23/08/2019

Efa nanao antso avo ny fikambanana Adopt ny teo momba ny fanaovana an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina, indrindra ireo mpiasam-panjakana sy ireo avara-pianarana.

Fitantanana ny firenena Mahatsiaro atao an-jorom-bala ny zanak’i Toamasina

Hamaky ny tohiny...

LalĂ na Brunelle Fasan'ny demokrasia

23/08/2019

Adihevitra tsy vita ny tolo-dalàna 01-2019/PL Razafitsiandraofa Jean Brunelle nanovana ny lalàna mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra, izay efa nolanian’ireo depiote mpomba ny fitondrana.

LalĂ na Brunelle Fasan'ny demokrasia

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

23/08/2019

Maro ireo vahaolana azo eritreretina amin`ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana.

Fitsinjaram-pahefana Afaka mahavita tena ireo vondrom-paritra raha…

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fiainam-pirenena Manome ohatra ratsy ny filoha

21/05/2019

Nidina ifotony tamina toerana maromaro teto an-drenivohitra i Andry Rajoelina omaly. Niaraka tamina delegasionina maromaro, toy ny minisitry ny fanajariana ny tany Hajo Andrianainarivelo.

 

 

 

Naneho ny fanombohan’ny fanatsarana fotodrafitrasa eto Antananarivo, ka isan’izany “station de pompage” etsy Manarintsoa Isotry mahazaka 2000litatra hisorohana ny tondra-drano. Nambarany fa hohatsaraina ny fotodrafitrasa mahakasika ny fikorian’ny rano eny Mahavoky Besarety, Andravoahangy Ambony,  Mahazo, Ambohimanarina, Ankorondrano,… Niara-dalana taminy ireo kandidan’ny IRD mirotsaka amin’ireo boriborintany eto an-drenivohitra toa an’i Jocelyn Andriamanalinarivo, Lanto Rakotomanga, Anyah, Rossy,...  Ao anatin’ny herinandro faran’ny fampielezan-kevitra isika izao, ary fanaovana propagandy an-kolaka no azo handikana ny fihetsiky ny filoha. Manan-jo hidina ifotony hijery ny manahirana ny vahoaka izy sy ny mpikamban’ny governemanta, fa ny fisian’ireo kandida depiote miara-dalana aminy kosa dia endrika fiandaniana sy propagandy. Marina fa tsy misy ny filazana mivantana hoe: fidio ny kandidan’ny IRD, saingy azo sokajiana ho fitarihana an-kolaka ny sain’ny olona handrotsa-bato ho azy ireo ny zava-misy. Efa ao anatin’ny olom-panjakana ny filoha, ary voararan’ny lalàna ny fampiasana olom-panjakana na fitaovam-panjakana ampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra. Lasa misy adihevitra kidaladala aza ankehitriny hoe: nahoana i Marc Ravalomanana no manao propagandy sy manohana ny kandidany tsy maninona kanefa rehefa ny i Andry Rajoelina dia kianina ? Ny iray filoha fa ny iray sokajiana ho olon-tsotra sy lehiben’antoko politika. Toa tsy zakan’i Andry Rajoelina izany, ka io izy miditra an-tsehatra io. Fihantsiana ady tsotr’izao amin’ny ankolafy politika mandrotsaka depiote na ho an’ireo kandida tsy miankina. Tsy vao izao rahateo ny toy izao, fa efa nisy teny Atsimondrano, Tsiroanomandidy,… Re fa hihazo an’Ambatondrazaka anio izy. Azo atao ve matoa mangina ny CENI sy ny HCC ? Sa efa vita resaka hatramin’ny kajikajy samihafa ? Mampahatsiahy ny 2009 hoe: ny efa zatra tsy mpanara-dalàna na zatra nanongam-panjakana dia tsy hanam-piovana firy fa miseho eny foana ny toetra nahafantarana azy!!!

Toky R

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana