Dans la mme rubrique

Fifidianana ben`ny tanàna Hotanterahina ny volana septambra 2019

14/06/2019

Efa miomana hanao fivoriana hiatrehana ny fifidianana ben`ny tanàna sy mpanolotsaina ny CENI, amin`ny herinandro ambony, aorian`ny famoahana ny vokatra feno tsy ofisialy tamin`ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.

Fifidianana ben`ny tanàna Hotanterahina ny volana septambra 2019

Hamaky ny tohiny...

CENI Fitoriana 71 no voaray hatreto

14/06/2019

Ny sabotsy 15 jona izao no hamoaka voka-pifidianana feno vonjimaika ny CENI etsy amin`ny foibe Alarobia.

CENI Fitoriana 71 no voaray hatreto

Hamaky ny tohiny...

Fitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy Amin’ny 20 jona no hivoaka ny didy

14/06/2019

Taorian’ny fanadihadian’ny zandary, tonga eny amin’ny Fitsarana ny raharaha mahakasika ny ampamoaka nataon’i Mahery Lanto Manandafy tao amin’ny tambajotran-tserasera facebook ny 7 mey, izay mahakasika an’Atoa Holijaona Rabaonarijaona “Emergence Madagascar”.

Fitsarana an’i Mahery Lanto Manandafy Amin’ny 20 jona no hivoaka ny didy

Hamaky ny tohiny...

Hosoka tamin’ny fifidianana Kandida maro nitondra porofo sy nitory

14/06/2019

Nanao rodobe nametraka fitoriana tapany voalohany teny amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana (HCC) teny Ambohidahy ireo kandida maro sy ny solontena na ny mpiara-dia aminy omaly maraina manoloana ny lesoka sy hosoka na tsy fanarahan-dalàna tsapa sy hitan’izy ireo.

Hosoka tamin’ny fifidianana Kandida maro nitondra porofo sy nitory

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Kobaka am-bava fotsiny”

14/06/2019

“Na inona na inona no ataon`ny minisitra na ataon`ny fanjakana dia mikombona fotsiny ireo depiote lany miaraka amin`ny fitondrana”, hoy Atoa Rodin Rakotomanjato.

Fitsinjaram-pahefana tena izy “Kobaka am-bava fotsiny”

Hamaky ny tohiny...

Ramboasalama Emilien “Tompondakan`ny tsy fanarahan-dalàna isika Malagasy”

14/06/2019

Tokony hohamafisana ny fanabeazana eo anivon`ny fiarahamonina momba ny fanajana fitsipika sy fahaiza-miaina, hoy Atoa Ramboasalama Emilien, kandida depioten’ny TIM teny amin’ny boriborintany fahefatra.

Ramboasalama Emilien “Tompondakan`ny tsy fanarahan-dalàna isika Malagasy”

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana VOT “Tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena”

14/06/2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Vondron’olon-tsotra tarihin-dRtoa Sarah Zoe. Nambarany fa tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena, indrindra taorian’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo.

Fikambanana VOT “Tsy misy zavatra mandeha intsony eto amin’ny firenena”

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fifidianana solombavambahoaka Nanome 474 tapitrisa ariary ny CENI i Japon

21/05/2019

474 tapitrisa ariary ny tetibola natokan’ny fanjakana Japoney amin’ny tetikasa iray hanampiana ara-pitaovana ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) mba ho fanampiana azy amin’ny fikarakarana ny fifidianana.

 

 

 

Vita omaly alatsinainy 20 mey teny Nanisana ny lanonana. Tanjon’ny fanampiana ny hividianan’ny CENI fitaovana handavorariana ny fizotry ny fifidianana. Faniriana ny hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ary ao anatin’ny fitoniana, hoy Atoa Yorio ITO, mpiandraiki-draharaha mpisolo toerana eo anivon’ny masoivoho Japoney ary mba haneho ny fahamatorany amin’ny fametrahana ny demokrasia ny vahoaka Malagasy.Efa nanampy tahaka izao ihany koa ary nanome vola mitentina 1,4 miliara ariary ny CENI i Japon mialoha ny fifidianana filoham-pirenena tamin’ny 2018. Nankasitraka ny fanohanana ary nisaotra an’i Japon ny filohan’ny CENI Hery Rakotomanana amin’ny fanohanany ny zotram-pifidianana eto Madagasikara.

RTT

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana