Dans la mme rubrique

Sehatra fizahantany Hanainga haingana ny toekarena Malagasy

14/06/2019

Nanomboka omaly alakamisy 13 jona teny amin'ny CCI Ivato ny salon ITM (International Tourism Fair Madagascar) andiany fahavalo.

Sehatra fizahantany Hanainga haingana ny toekarena Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Ketrika.com Manakaiky kokoa hatrany ny mpanjifa

14/06/2019

Mandray anjara eny amin’ny ITM 2019 andiany faha-8 eny amin’ny CCI Ivato ny www.ketrika.com.

Ketrika.com Manakaiky kokoa hatrany ny mpanjifa

Hamaky ny tohiny...

Toekarena sy fandraharahana Mpanondrana lavanila miisa 139 no nahazo fankatoavana

13/06/2019

Tafiakatra 130,9 tapitrisa dolara ny tombony azo tamin`ny fanondranana lavanila ny telo volana voalohany ny taona, nahitana fiakarana 15,9% izany.

Toekarena sy fandraharahana Mpanondrana lavanila miisa 139 no nahazo fankatoavana

Hamaky ny tohiny...

Tontolon’ny fandraharahana Manomboka mahazo laka ny vehivavy

12/06/2019

Mba ahafahana mametraka ny anjara toeran’ny fandraharahan’ny vehivavy eto Madagasikara dia roa andro no hanatanterahana ny Fikaonandoha mahakasika ny fandraharahan’ny vehivavy matihanina na ny “Women in business”

Tontolon’ny fandraharahana Manomboka mahazo laka ny vehivavy

Hamaky ny tohiny...

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Mitaky ezaka maro amin’i Madagasikara

12/06/2019

Nanambara ny teo anivon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) fa mandeha amin’ny tokony ho izy ny toekarena Malagasy.

Tahirim-bola Iraisam-pirenena Mitaky ezaka maro amin’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Fandaharan’asa FEC faha-5 Nankatoavin’ny FMI

11/06/2019

Nanomboka tamin’ny 28 mey lasa teo ny fijerena ny tomban’ezaka andiany fahadimy nataon’i Madagasikara amin’ny fandaharan’asa Facilité Elargie de Crédit (FEC).

Fandaharan’asa FEC faha-5 Nankatoavin’ny FMI

Hamaky ny tohiny...

Fambolena, fiompiana, fahasalamana Mpilatsaka an-tsitrapo 42 hanome tantsoroka

07/06/2019

Mpilatsaka an-tsitrapo Amerikanina avy amin’ny Corps de la Paix miisa 42 no nampanaovin’ny Masoivohon’i Etazonia Michael Pelletier fianianana nandritra ny lanonana natao teny amin’ny trano fonenany teny Ambaranjana omaly 6 jona 2019.

Fambolena, fiompiana, fahasalamana Mpilatsaka an-tsitrapo 42 hanome tantsoroka

Hamaky ny tohiny...


Toekarena

FIHARIANA

20/05/2019

Isaorana ianareo mpitondra tarihin’Andriamatoa filoha tamin’ny fikarakarana manetriketrika ny “FIHARIANA”.

 

 

 Inoana sy antenaina fa tena hiainga ary hanerana ny nosy tokoa ny zavatra tsara tahaka ireny fa tsy ny fety fotsiny no mody natao manetriketrika. Maro be tokoa mantsy  ireo tanora no miandrandra zavatra lehibe sy maharitra tahaka ireny fa tsy hoe takonana amin’ny akanjo mora rovitra sy ny fety mahamamo fotsiny izy ireo. Deraina ihany koa ny fampidirana lalina ireo banky miaina sy miasa eto amintsika. Satria izy ireo no tena anisan’ny malaina raha vao hanosika ireo tanora Malagasy. Tsy misy tsy mahalala fa ireo banky ireo dia mampiasa tahany avo dia avo raha oharina amin’ny banky misy eran-tany. Misy amin’izy ireo ary no mpiara-miombon’antoka amin’irony fampindramam-bola madinika na micro finance irony izay tsy menatra mihitsy mampiasa taha efa 36% isan-taona, ka zary maika manidy varavarana ny banky lehibe satria any izy ireo mahazo tombony mihoa-pampana. Atsy amin’ny nosy maorisy nefa dia manodidina ny 10% ny taha alain’ireo banky rehefa mindrana ny mpanjifa. Diniho amin’izany ny sakana mahazo antsika mianakavy. Iaraha-mahalala anefa fa maro ireo tanora Malagasy no manampahaizana na teknika na fambolena na fiompiana. Ary ny firenentsika dia anisan’ny firenena voatahy ara-boajanahary fa io lafiny ara-bola io tokoa no tena lesoka lehibe.  Eto am-pamaranana, dia mangataka etoana isika mianakavy mba hatao tena mangarahara ny fomba fisafidianana ireo tanora hahazo azy ireny. Sao lahy hatao fomba ahafahana mamoaka vola ho an’ny akama fotsiny izy ity. Ireo fahavalo politika mantsy etsy am-pita tsy mitsahatra ny mizaka ny henjika sy ny tohana isan-karazany. Nahoana tokoa moa no tsy mbola mivoaka ny onitra tokony haloan’ny fanjakana ho an’ny orinasa TIKO nefa dia niaraha-nahita izao ny fanapotehana azy tamin’ny 2009 ? Antenaina fa ny haminavinana ny ratsy hiavian’ny soa, ary ny ho avy dia hamiratra foana noho ny lasa.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana