Dans la mme rubrique

Fivoarana ara-teknolojika Sady manampy no mamotika fanabeazana

13/06/2019

Efa maro ireo sekoly ankehitriny no mampiasa ny teknôlôjia maoderina, hanamorana ny fampitana ny fampianarana. Betsaka, ohatra, ireo sekoly mampiasa ny solosaina sy ny aterineto.

Fivoarana ara-teknolojika Sady manampy no mamotika fanabeazana

Hamaky ny tohiny...

Asa fandrefesan-tany Tsy mbola fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy

13/06/2019

Nanomboka omaly alarobia 12 jona tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ary haharitra 3 andro ny fampirantiana karakarain’ny fikambanan’ireo Injeniera misehatra amin’ny asa topografika na fandrefesan-tany.

Asa fandrefesan-tany Tsy mbola fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy

Hamaky ny tohiny...

Volobe Toamasina Hamokatra herinaratra 120 MW ny CGVH-Jovena

12/06/2019

Nosoniavina ny 28 mey lasa teo tany Paris ny fifanarahana lasitra momba ny tetikasa famokarana herinaratra amin'ny alalan'ny tohadrano ao Sahofika.

Volobe Toamasina Hamokatra herinaratra 120 MW ny CGVH-Jovena

Hamaky ny tohiny...

Toekarena Indianina Lasa lavitra na dia maro aza ny sehatra tsy ara-dalàna

12/06/2019

Lany ho praiminisitr’i India indray i Narendra Modi taorian’ny fifidianana ho solombavambahoaka natao tany an-toerana ny volana mey lasa teo tamin’ny alalan’ny antokony izay nahazo toerana betsaka indrindra tao amin’ny kongresy.

Toekarena Indianina Lasa lavitra na dia maro aza ny sehatra tsy ara-dalàna

Hamaky ny tohiny...

Lalam-pihariana ronono Tsy ampy ny famokarana eto Madagasikara

07/06/2019

Nanomboka omaly ary ho tapitra ny sabotsy ho avy izao ny foaraben’ny ronono andiany fahatelo atao etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

Lalam-pihariana ronono Tsy ampy ny famokarana eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Zon’ny ankizy Mbola betsaka ireo tsy voahaja eto Madagasikara

06/06/2019

Ny 40,17 %-n’ny mponina eto amintsika dia ankizy vao teraka ka hatramin’ny 14 taona avokoa, raha araka ny antontan’isa nivoaka tamin’ny taona 2016.

Zon’ny ankizy Mbola betsaka ireo tsy voahaja eto Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Harena ankibon’ny tanin’i Madagasikara Mahalala zavatra maro ny Frantsay

04/06/2019

Natolotra an’i Madagasikara ny 31 mey 2019 tao amin’ny Muséum National d'Histoire Naturelle, Paris, ny vokatry ny asa fikarohana sy firaketana rehetra nataon’ny Bureau de Recherche Géologique et Minière (BRGM)

Harena ankibon’ny tanin’i Madagasikara Mahalala zavatra maro ny Frantsay

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Antenimieran’ny Varotra Malagasy Hampiasa fitaovana manara-penitra

20/05/2019

Manampahaizana 2 avy any ivelany ao amin’ny Conférence Permanente des Chambres Consulaires Africaines et Francophones (CPCCAF) no tonga nanome fampiofanana

 ho an’ny filohan’ny Tranoben’ny Varotra sy Indostria (CCI) sy ireo Tale Jeneraly sy mpanatanteraka nandritra ny atrikasa 3 andro izay nifarana tamin’ny sabotsy 18 mey tetsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina.  Ny fametrahana sy ny fifehezana ireo fitaovana 2 manaraka ny fenitra iraisam-pirenena no nezahina nampitaina. Anisan’izany ny « cartographie des activités économiques » izay ahafahan’ny CCI sy ireo mpampiasa vola avy any ivelany mahafantatra ny fandraharahana misy eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fahalalana ny vokatra mampiavaka sy ny fandraharahana misy any amin’ny faritra. Ny fitaovana faharoa dia ny « baromètre d’accompagnement des entreprises » izay hifehezana ny fifandraisana sy ny filàna misy amin’ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME).  Ny Federasion’ny Antenimieran’ny Varotra eto Madagasikara (FCCIM) miaraka amin’ireo CCI miisa 24 no hanelanelana ny amin’ny fandraharahana eto an-toerana sy ny any ivelany mba hitondra fampandrosoana ara-toekarena. Tsiahivina fa niainga tamin’ny fanadihadiana nataon’ny CPCCAF tamin’ireo firenena Afrikanina no nahitana ny filàn’ny fiofanana ka tamin’ny 2 taona lasa no nanaovana ny an’i Madagasikara. Noho ireo fitaovana ireo dia efa afaka mampitaha ny fandraharahana ara-toekarena ataony ny firenena Malagasy mihoatra amin’ny firenena hafa. Tombony ihany koa ny ahafahana mitaratra ny filan’ireo PME sy ny fifehezana ny antontam-baovao rehetra misy mahakasika ny orinasa sy ny toekarena mihitsy aza.

Tsirinasolo

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana