Dans la męme rubrique

Filohan’ny Antenimieram-pirenena «Tsy hisy intsony ny gaboraraka»

19/07/2019

Omaly no notontosaina ny famindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena vaovao Razanamahasoa Christine sy ny teo aloha Jean Max Rakotomamonjy.

Filohan’ny Antenimieram-pirenena «Tsy hisy intsony ny gaboraraka»

Hamaky ny tohiny...

Birao maharitra teo aloha Tsy nahazo nanao tatitra tao an-dapa

19/07/2019

Taorian’ny fifamindram-pahefana teo amin’ny birao maharitra teo aloha sy vaovao eo anivon’ny Antenimieram-pirenena dia nikasa hanao tatitra momba ny asa vita na ny fe-potoana farany teo ny filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha, Jean Max Rakotomamonjy sy ny filoha lefitra faritanin’Atntsiranana Mahazoasy Freddie;

Birao maharitra teo aloha Tsy nahazo nanao tatitra tao an-dapa

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka malagasy « Natao fitaovana ahazoana toerana fotsiny »

19/07/2019

Tsy takatro loatra ny politikan-dry zareo, hoy ny filohan’ny antoko politika Manangana Madagasikara Vaovao (MMV), Arlette Ramaroson, raha nanontaniana ny zava-nitranga teny anivon’ny antenimieram-pirenena tao anatin’izay 3 andro izay.

Vahoaka malagasy « Natao fitaovana ahazoana toerana fotsiny »

Hamaky ny tohiny...

Rakotoamboa Jean Louis filohan’ny TEZA Tokony hatao ny fanorenana ifotony

19/07/2019

Tokony hiditra amin’ny fanorenana ifotony ny fitondram-panjakana, ka havaozina avokoa ny lesoka rehetra tsy nety, indrindra fa ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny lalàn’ny serasera, ny lalàna amin’ny ankapobeny mba hanatsarana azy,

Rakotoamboa Jean Louis filohan’ny TEZA Tokony hatao ny fanorenana ifotony

Hamaky ny tohiny...

Fampihavanam-pirenena « Mbola lavitra ezaka ! »

19/07/2019

Nalaza teo fa vitan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barea ny fampihavanam-pirenena.

Fampihavanam-pirenena « Mbola lavitra ezaka ! »

Hamaky ny tohiny...

Randriamanjato Liantsoa Bina «Mifanaraka amin’ny MAP 2 ireo tolo-dalàna haroso»

19/07/2019

Ny distrikan’Andramasina dia manana anjara toerana amin’ny toekarena. Anisan’ny faritra tena mamokatra ovy, geranium, mananasy, ravintsara ary mpiompy omby ity distrika ity.

Randriamanjato Liantsoa Bina «Mifanaraka amin’ny MAP 2 ireo tolo-dalàna haroso»

Hamaky ny tohiny...

Raharaham-pirenena Iza no ho praiminisitra ?

19/07/2019

Nanatitra ny taratasy fametraham-pialany sy ny governemanta tarihiny teny amin’ny lapan’Iavoloha omaly 18 jolay maraina ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Atoa Ntsay

Raharaham-pirenena Iza no ho praiminisitra ?

Hamaky ny tohiny...


Politique

Fiainam-pirenena Mampanahy ny fifidianana milamina…

20/05/2019

Mampanahy izao fotoam-pifidianana izao. Ataon`ny vahoaka ahoana ny hiatrika fifidianana milamina amin`ny distrika maro eto nefa manjaka ny tsy fandriampahalemana ? Aiza ho aiza ny tena laharam-pahamehana ho an`ny fitondrana ?

 Fantatra fa hiroso any amin`ny fifidianana, amin`ny fametrahana ny Antenimieram-pirenena sy ben`ny tanàna atsy ho atsy, ary hiroso amin’ny fakana ny hevitry ny vahoaka. Ny andrasan`ny vahoaka Malagasy dia ny fanatanterahana ireo fampanantenana sy nandresy lahatra azy ireo matoa mitondra ny fitondrana vaovao. Ny zava-misy anefa tsy mifanandrify loatra amin`izay. Ekena tokoa fa efa-bolana raha oharina amin`ny dimy taona dia tsy hisy zavatra vita vetivety. Raha ny zavatra notenenina tamin`ny vahoaka dia ny hoe “tsy ilàna 100 andro dia efa hita ny vokany”. Tsy ho foana tanteraka ny tsy fandriampahalemana ao anatin`ny efa-bolana fa ilay fomba filazana hoe “hiasa avy hatrany” no nandrasana. Miaina tanteraka ao anatin`ny tebiteby ny vahoaka Malagasy. Isan’andro misy fipoahana endri-panafihana samihafa, misy vaky trano, tetezin`ny jiolahy ny tokantrano… Etsy Ampitatafika, misy kiririoka foana isan`andro. Any ambanivohitra, misy foana ny fanafihana dahalo, voatifitry ny olona, very ny omby, matory any an-tsaha ny mponina... Mahazo fitarainana marobe amin`ny afitsoky ny olon-dratsy ny fitondram-panjakana, ny mpitandro filaminana… Ny nantenaina tao anatin`ilay efa-bolana dia ilay fanombohana an`ilay zavatra tonga dia hita miharihary.

Marigny A.

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana