Dans la mme rubrique

Fandraofana ny fakon’Antananarivo Mpandraharaha akaiky fitondrana nanafatra kamio marobe ?

20/08/2019

Re amin’izao fa nanafatra kamio benina maro be ny mpandraharaha malaza iray akaiky ny filoha, raha ny loharanom-baovao.

Fandraofana ny fakon’Antananarivo Mpandraharaha akaiky fitondrana nanafatra kamio marobe ?

Hamaky ny tohiny...

Tompon’andraikitra teo aloha tsy voafidy intsony Mila mamerina haingana ireo fananam-panjakana

20/08/2019

Maro ireo mpiasam-panjakana sy ireo olona manam-pahefana ambony nomen’ny Lalàna zo hipetraka amin’ny tranom-panjakana noho ny andraikitra sahaniny.

Tompon’andraikitra teo aloha tsy voafidy intsony Mila mamerina haingana ireo fananam-panjakana

Hamaky ny tohiny...

Miarinarivo «Ady tany ny 80%-n’ireo raharaham-pitsarana any an-toerana»

20/08/2019

« Fanamby goavana ho ahy ny resaka fananan-tany satria ny 80%-n’ ireo raharaham-pitsarana ao Miarinarivo dia ady tany avokoa », hoy Rtoa Fiainantsoa Ramanana Razaimalala,

Miarinarivo «Ady tany ny 80%-n’ireo raharaham-pitsarana any an-toerana»

Hamaky ny tohiny...

MPO - mpanao menaka ao Toamasina II Mitokona ny mpiasa fa nakaton’ny fanjakana ny orinasa

19/08/2019

Raha ny tantaran’ity orinasa Madagascar Premium Oil (MPO) ao Tanandava Toamasina II ity,

MPO - mpanao menaka ao Toamasina II Mitokona ny mpiasa fa nakaton’ny fanjakana ny orinasa

Hamaky ny tohiny...

Raharahara fitanana omby any Antanimeva Hanome endrika ratsy ny fitondrana, hoy ny mpisolovava azy

19/08/2019

Mbola tsy milamina foana ny resaka fitanana an’ireo ombin’ilay mpandraharaha Jaonary ao Antanimeva Morombe efa ho iray volana katroka izao (nanomboka ny 25 jolay 2019).

Raharahara fitanana omby any Antanimeva Hanome endrika ratsy ny fitondrana, hoy ny mpisolovava azy

Hamaky ny tohiny...

Tale jeneralin`ny BIANCO “Tsy handeferana ny fanodinkodinam-bolam-panjakana”

16/08/2019

Amin`ny herinandro ho avy izao, handalo eo anivon`ny PAC (Poles anti-corruption) na fitsarana misahana ny kolikoly ny raharaha mikasika fanodinkodinam-bolam-panjakana niseho teny anivon`ireo minisitera eny amin`ny PAC.

Tale jeneralin`ny BIANCO “Tsy handeferana ny fanodinkodinam-bolam-panjakana”

Hamaky ny tohiny...

Repoblikan'i Inde Nahay namadika ny fanjanahana ho tanjaka ara-toekarena

16/08/2019

Ny 15 aogositra 1947 no afaka tamin’ny fanagejan'ny Britanika ny Indiana rehefa voazanaka nandritra ny taona maro. Nankalazaina omaly, ny tsingerin-taona faha-73 nahazoan'izy ireo ny fahaleovantenany..

Repoblikan'i Inde Nahay namadika ny fanjanahana ho tanjaka ara-toekarena

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Sehatra fizahantany Tsy ampy fahaiza-manao ny Malagasy

17/05/2019

Atrikasa nandritra ny 3 andro hanamafisana ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny fizahantany no notanterahina tetsy amin’ny Hotely Le Louvre Antaninarenina. Nifarana omaly alakamisy 16 mey ny hetsika ary mpandray anjara 70 teo no nandalo tao, nahitana ireo avy any amin’ny faritra. Lohahevitra 2 no novelabelarina sy nifampizarana omaly.

 

Ny maraina nahakasika ny fitaterana ary ny tapany hariva kosa niresahana ny valanjavaboary eto Madagasikara.  Fantatra tokoa fa maro ny toerana tena tsara sy manintona mpizahatany saingy olana hatrany ny fitaterana. Ny fitaterana ana habakabaka manokana dia nivoitra tao fa lafo ny sarany mankaty Madagasikara kanefa ela ny fombafomba ary tsy mifanaraka amin’izay akory ny tolotra omena ny mpizahatany. Tokony hisy fiofanana amin’ireo mpisehatra na amin’ny fomba fandraisana fotsiny ireo mpizahatany aza. Manginy fotsiny ny amin’ireo sehatra hafa izay tsy mamparisika azy ireny, tahaka ny sakafo, ny lalana, ny hotely sy ireo mpitaridalana (guides touristiques). Ilana fanatsarana avokoa ireo mba ahafahan’i Madagasikara milahatra sy mifaninana amin’ireo firenena hafa. Mahakasika ireo valanjavaboary tahaka ny ao Ranomafana, Masoala, Andasibe dia toerana tena manintona ny mpizahatany ireny ary anisan’ny ahafahana manao fizahantany avo lenta. Olana anefa ny tsy fahampian’ny fampahafantarana momba ny toerana ary na fantatra aza dia  mampihena ny mpizahatany ny faharatsian`ny fotodrafitrasa sy ny tsy fandriampahalemana ary ny tsy fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena. Mbola vitsy ihany koa ny lalana vita tara (route goudronnée) ary maro ny faritra tsara tena mitoka-monina sy anjakan’ny fanakanan-dalana. Hampidi-bola be haingana ny fifotorana amin’io sehatra io raha manana finiavana ny fitondram-panjakana ary notsindriana mafy nandritra izao atrikasa izao ihany koa ny tokony hisian’ny fiaraha-miasa maharitra amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Ny teo anivon’ny “confédération du Tourisme de Madagascar” moa no tompon’antoka tamin’izao ary notohanan’ny Vondrona Eoropeanina amin’ny alalan’ny tetikasa PROCOM.  

Tsirinasolo

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana