Dans la mme rubrique

Fandraofana ny fakon’Antananarivo Mpandraharaha akaiky fitondrana nanafatra kamio marobe ?

20/08/2019

Re amin’izao fa nanafatra kamio benina maro be ny mpandraharaha malaza iray akaiky ny filoha, raha ny loharanom-baovao.

Fandraofana ny fakon’Antananarivo Mpandraharaha akaiky fitondrana nanafatra kamio marobe ?

Hamaky ny tohiny...

Tompon’andraikitra teo aloha tsy voafidy intsony Mila mamerina haingana ireo fananam-panjakana

20/08/2019

Maro ireo mpiasam-panjakana sy ireo olona manam-pahefana ambony nomen’ny Lalàna zo hipetraka amin’ny tranom-panjakana noho ny andraikitra sahaniny.

Tompon’andraikitra teo aloha tsy voafidy intsony Mila mamerina haingana ireo fananam-panjakana

Hamaky ny tohiny...

Miarinarivo «Ady tany ny 80%-n’ireo raharaham-pitsarana any an-toerana»

20/08/2019

« Fanamby goavana ho ahy ny resaka fananan-tany satria ny 80%-n’ ireo raharaham-pitsarana ao Miarinarivo dia ady tany avokoa », hoy Rtoa Fiainantsoa Ramanana Razaimalala,

Miarinarivo «Ady tany ny 80%-n’ireo raharaham-pitsarana any an-toerana»

Hamaky ny tohiny...

MPO - mpanao menaka ao Toamasina II Mitokona ny mpiasa fa nakaton’ny fanjakana ny orinasa

19/08/2019

Raha ny tantaran’ity orinasa Madagascar Premium Oil (MPO) ao Tanandava Toamasina II ity,

MPO - mpanao menaka ao Toamasina II Mitokona ny mpiasa fa nakaton’ny fanjakana ny orinasa

Hamaky ny tohiny...

Raharahara fitanana omby any Antanimeva Hanome endrika ratsy ny fitondrana, hoy ny mpisolovava azy

19/08/2019

Mbola tsy milamina foana ny resaka fitanana an’ireo ombin’ilay mpandraharaha Jaonary ao Antanimeva Morombe efa ho iray volana katroka izao (nanomboka ny 25 jolay 2019).

Raharahara fitanana omby any Antanimeva Hanome endrika ratsy ny fitondrana, hoy ny mpisolovava azy

Hamaky ny tohiny...

Tale jeneralin`ny BIANCO “Tsy handeferana ny fanodinkodinam-bolam-panjakana”

16/08/2019

Amin`ny herinandro ho avy izao, handalo eo anivon`ny PAC (Poles anti-corruption) na fitsarana misahana ny kolikoly ny raharaha mikasika fanodinkodinam-bolam-panjakana niseho teny anivon`ireo minisitera eny amin`ny PAC.

Tale jeneralin`ny BIANCO “Tsy handeferana ny fanodinkodinam-bolam-panjakana”

Hamaky ny tohiny...

Repoblikan'i Inde Nahay namadika ny fanjanahana ho tanjaka ara-toekarena

16/08/2019

Ny 15 aogositra 1947 no afaka tamin’ny fanagejan'ny Britanika ny Indiana rehefa voazanaka nandritra ny taona maro. Nankalazaina omaly, ny tsingerin-taona faha-73 nahazoan'izy ireo ny fahaleovantenany..

Repoblikan'i Inde Nahay namadika ny fanjanahana ho tanjaka ara-toekarena

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Fiarovana sy fanaraha-maso ny omby Raikitra ny “Puce électronique »

17/05/2019

Nanomboka tamin'ny fomba ofisialy omaly alakamisy 16 mey 2019 tao Tsiroanomandidy Faritra Bongolava ny fametrahana ireo "puce electronique" ho an’ny omby, ka ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina no nisantatra izany tany an-toerana.

 

 Omby hatramin’ny iray alina no nambara fa tsy maintsy hasiana “puce” hatramin’ny faran’ity taona ity. Voka-pikarohana tanora Malagasy ireo “puce électronique” apetaka amin’ny omby ireo. Tsy misy atahorana amin’ny fahasalaman’ny omby ary hahafahana mamaritra mazava ny mombamomba ny omby tsirairay, ny lalana nodiaviny sy ny toerana misy azy mazava, raha ny fanazavana ara-teknika. Miankina lehibe amin’ny varotra omby ny toekarena ao Tsiroanomandidy ka izay no antony nisantarana ny tetikasa ao. Nangataka toeram-pamonoana omby ny olona, ka hahazo manara-penitra ireo mponina afaka telo volana, raha ny fampantenana. Nambara ihany koa fa hapetraka eo an-toerana ihany koa ny toby BIA (Bataillon Inter-Armes) sy ny angidimby izay ho azo atsy ho atsy hiadiana amin'ny tsy fandriampahalemana. Eo ihany koa ny fandefasana ireo vondron-tafika isak’ireo “Zones Prioritaires Rurales de Sécurité” manerana ny Nosy, izay nahafahana namerina maherin’ny 60%-n’ireo omby very tato anatin’ny telo volana. Andrasana izay tena ho vokatr’io ady amin’ny tsy fandriampahalemana io satria miankina amina lafin-javatra maro na ara-tsosialy na ara-toekarena io. Tsy fampiasan-kery no zava-dehibe fa ny fanomezana asa ny olona sy ny tantsoroka hahafahany manana fihariana mahavelona.

Toky R

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana