Be vaovao
BE VAOVAO ANDRAVOAHANGY
16/05/2019
Mirongatra ny mpangarom-paosy amin’ny faritra manodidina an’Andravoahangy, indrindra amin’iny faritra afaka an’i Behoririka sy manamorona an’Andravoahangy tsena iny.
Ny mpandeha amin’ny takariva sy ireo mpivarotra sy mpividy amin’ny tsenan’ny tantsaha no tena lasibatra, araka ny voalazan’ny mponina eny an-toerana.
TSY AMPY NY FITAOVAN’NY MPITANDRO FILAMINANA
Tsy voahaja ny zon’ireo voapanga ho olon-dratsy, noho ny tsy fiasian’ny fiara. Entina taksibe na mandeha an-tongotra izy ireny na ireo vao avy nosamborina aza. Tsy ampy fitaovana ireo mpitandro filaminana noho ny fitobaky ny jiolahy. Tsy ny fonja ihany no tsy ampy fotodrafitrasa ka tsy antonona. Ankoatra ny fiara, vitsy loatra ireo menôty ka voatery atambatra ireo jiolahy, misy aza ireo heverina fa olon-dratsy entina any am-ponja na hiakatra fitsarana no tsy misy io fandrohizana io ka lasa mitsoaka eny an-dalana na eny ambony taksibe tahaka ireo tranga vao tsy ela.
MPANOLANA SOAVINANDRIANA ITASY
Tratran'ny fokonolona tao Antsahalavabe, Soavinandriana Itasy ny tovolahy iray mpanendaka niaraka tamin’ny sabatra. Niantso avy hatrany ny polisy teo an-toerana izy ireo. Rehefa nofotorana izy dia nikasa hanolana zazavavy kely vao 16 taona. Nambarany fa noho ny fahamamoany be loatra dia notambazany vola ity tovovavy tsy ampy taona ity la saika hanaovany ny sain-dratsiny. Natolotra ny fitsarana tamin’ny alatsinainy ny raharaha