Dans la męme rubrique

Ady amin’ny kolikoly Nofanina ny holafitry ny mpisolovava

05/06/2020

Nisy omaly ny fampiofanana ireo mpikamban’ny holafitry ny mpisolovava mikasika ny ady atao amin’ny kolikoly eto Madagasikara. Ny Transparency international – initiative Madagascar moa no tompon’antoka tamin’ity fampiofanana ity.

Ady amin’ny kolikoly Nofanina ny holafitry ny mpisolovava

Hamaky ny tohiny...

Korontana ao Toamasina «Misy ambadika politika», hoy Famindra Justin

05/06/2020

Manameloka ny endrika fambolena korontana sy fanambarana miendrika fanonganam-panjakana tany Toamasina ny depiote Famindra Justin,depiote voafidy ao Toamasina I.

Korontana ao Toamasina «Misy ambadika politika», hoy Famindra Justin

Hamaky ny tohiny...

Mpanampy an-trano Misy tena fetsy sady mangalatra

05/06/2020

Mpanampy an-trano iray no nampitaraina renim-pianakaviana iray fatratra tao anaty tambajotran-tserasera facebook.

Mpanampy an-trano Misy tena fetsy sady mangalatra

Hamaky ny tohiny...

Matsaborilava Ambanja Lehilahy voakapa tanana noho ny resaka vehivavy

04/06/2020

Nitrangana toe-javatra mampihoron-koditra tany amin’ny kaominina ambanivohitra Matsaborilava, distrikan’Ambanja, omaly.

Matsaborilava Ambanja Lehilahy voakapa tanana noho ny resaka vehivavy

Hamaky ny tohiny...

Tambavy CVO Ilay fanafody diplaomatika…

04/06/2020

Omaly no nandefa fiaramanidina manokana teto amin'ny BANI Ivato mba haka ny fanomezana avy amin'ny Fanjakana Malagasy ny Émirats Arabes Unis.

Tambavy CVO Ilay fanafody diplaomatika…

Hamaky ny tohiny...

Ambodivonkely Ambohimanarina Lehilahy mamo nandona polisy tamin’ny moto

03/06/2020

Nitrangana lozam-pifamoivoizana narahana fitsoahana andraikitra teny Ambodivonkely Ambohimanarina ny alatsinain’ny Pentekosta lasa teo tokony tamin’ny 9 ora sy 20 minitra alina.

Ambodivonkely Ambohimanarina Lehilahy mamo nandona polisy tamin’ny moto

Hamaky ny tohiny...

Ady amin` ny fiovaovan` ny toetry ny andro Manana anjara toerana lehibe ny Bambou

03/06/2020

Hampidirana anisan` ireo hazo ho voalena amin` ny taom-pambolena nasionaly manaraka ny Bambou, araka ny fampitam-baovao navoakan` ny ministeran` ny tontolo iainana sy ny ala (MEDD).

Ady amin` ny fiovaovan` ny toetry ny andro Manana anjara toerana lehibe ny Bambou

Hamaky ny tohiny...


Actualités

Cua sy ny boriborintany fahefatra Mampianatra informatika maimaimpoana vehivavy miisa 54

16/05/2019

Legende : Faly avokoa ireo vehivavy tompon’andraikitra ao amin’ny Boriborintany faha-efatra nahazo fiofanana

 

 

Nanome fampianarana informatika maimaimpoana ho an’ireo olona ao amin’ny Boriborintany fahefatra ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka  « Orange Solidarité  » no angady nananana  izany toy ny fanomezana ny fitaovana. Vehivavy miisa 54, izay  mpitantana fotodrafitrasa fisotroana rano fisotro madio, na ny AUE ( Association des Usagés de l’eau ),  ao anatin’ny fokontany miisa 32  no misitraka ny  fampianarana.   Fianarana Bureautique toy ny « word sy excel » no nanofanana azy ireo mba ho  fanarahana fenitra ireo firaketana an-tsoratra ny fitantanana ny fotodrafitrasa, hirosoana amin’ny firaketana ara-teknolojika amin’izay na  «  informatisation des données ». Hifarana amin’ny alarobia 29 mey ho avy izao ny  fiofanana, ka afaka handray ny asa vaovao miandry azy avokoa ireo mpiofana ireo.Raha ny nambaran’ny Delegen’ny boriborintany fahefatra, Ramahandrimanana Solofoniaina Daniel, dia hisy indray ny hetsika fizaham-pahasalamana  maimaimpoana hotanterahin’izy ireo ho an’ireo izay  marefo ny sabotsy 18 mey ho avy izao, hiarahana amin’ireo mpitsabo efa matihanina amin’izany,  eo anivon’ny DSH (Direction de la Santé et Hygiène). Tsy  hadinoina koa  ny didimpoitra maimaimpoana faobe, izay iraisan’ny Boriborintany enina mandrafitra ny tanànan’Antananarivo hotontosaina tsy ho ela. Tsiahivina moa fa manodidina ny 50.000  Ar  isam-bolana raha kely ny saran’ny mianatra informatika eto amintsika.

Pati

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana