Dans la mme rubrique

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

18/09/2019

Saron’ny polisy ny fikambanan-jiolahy mpamaky trano ao Imanja. Lehilahy miisa telo no tra-tehaky ny polisy any an-toerana ny alahady 15 septambra lasa teo noho ny famakiana trano.

Vaky trano sy halatra biby fiompy 3 lahy nidoboka am-ponja

Hamaky ny tohiny...

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

18/09/2019

Natolotra ny fitsarana omaly talata 17 septambra ilay lehilahy mody mamo manararaotra manendaka eny 67ha. Raha tsiahivina, ny 15 septambra teo tamin’ny 5 ora hariva nahasamborana azy teo am-panaovana ny asa ratsiny izy no nisy ny antson’ny tsara sitrapo ka tonga ny polisy.

Fanendahana teny 67ha Andrasana izay ho sazin’ilay jiolahy mody mamo

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

18/09/2019

Voasambotra teo Ankadibe Ambohidratrimo afak’omaly atoandro ilay mpaka an-keriny nikasa hanolana zazavavy 17 taona teny Andakana ny zoma teo.

Kidnapping teny Ambohidratrimo Nandraviravy 6 tapitrisa Ariary ny zandary ilay jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

18/09/2019

Dahalo raindahiny roalahy no voasambotry ny zandary tao amin’ny paositry ny zandary Analavory distrika Miarinarivo ny alakamisy 12 septambra teo. Nandritra ny famotorana natao no niaiken’izy ireo ny heloka vitany ka nilazany fa saika hamidy aty Antananarivo ireto omby vositra ireto.

Analavory Tra-tehaka ireo dahalo 2 mpamatsy omby halatra ny renivohitra

Hamaky ny tohiny...

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

18/09/2019

Ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo sy ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana ny atidohan’ny varotra zava-mahadomelina tao Ihosy.

IHOSY Sarona ny atidohan’ny varo-drongony

Hamaky ny tohiny...

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

18/09/2019

Efa tsy misy ahiana ny ain’ny mpiasan’ny fahasalamana iray noratrain’ny jiolahy tamin’ny antsy.

ANDRAVOAHANGY Voavonjy ilay dokotera vavy noratrain’ny mpanendaka

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

16/09/2019

2 980 kg no vesatry ny rongony 150 000 fototra nongotana milanja 1 680 kg sy zavamahadomelina maina 1 300 kg nokasaina hamidy tany amin’ny ditrikan’Ambanja sy Ambilobe.

Ady amin’ny zava-mahadomelina Rongony 3 taonina tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Trafikana zava-mahadomelina Rongony 30 gony tratra tao anaty “Camion citerne”

16/05/2019

Rongony 700kg tratran’ny zandary tao Ankaramena noho ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo. Omaly tamin'ny 3ora maraina, nahazo antso an-tariby ny mpiara-miasa iray ao amin’ny paositry ny zandarimaria Ankaramena.

 

 

 

 

 Araka ny vaovao azo, misy fiara iray mpitondra solika (citerne) mitondra rongony avy any Ihosy hiakatra any Antananarivo.  Teo no ho eo ihany dia raikitra ny fametrahana sakan-dalana. Araka ny vaovaon’ny zandarimariam-pirenena, tokony ho tamin’ny  5ora maraina dia tonga tao Ankaramena, Ambalavao, tao amin’ny Faritra Matsiatra ambony tokoa ilay fiara. Natao ny fisavana ka hita tao marina ireo rongony milanja 700kg.  Nentina tany amin’ny biraon'ny zandarimaria Ankaramena ny fiara ary navoaka tsirairay avy tao ireo gony misy azy ka nahatratra 30 isa. Olona telo no tao anatin'io fiara io dia ny mpamily sy ny mpamily mpanampy ary vehivavy. Efa tsy misy valaka amin’ireo firenena andihizan’ny tambajotran’ny zava-mahadomelina ny eto Madagasikara amin’ny tsy fisavan’ny mpitandro filaminana ny anatin’ireny fiara toy itony. Noho izany, mitaky fisavana avokoa ireo fiara rehetra izay tsy nampiahiahy hatrizay, tsy ampy fotsiny ny manamarina taratasin’ny fiarakodia raha tena te hisoroka ny tsy fandriampahalemana. Mazava izao ny fomba mampitosaka  ny zava-mahadomelina eto an-drenivohitra.

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana