Dans la mme rubrique

Akoho amam-borona Mbola vitsy mpaka na dia nihena aza ny vidiny

25/06/2019

Anisan’ny fety tena manan-danja ho an’ny Malagasy ny 26 jona izay hankalazaintsika afaka rahampitso.

Akoho amam-borona Mbola vitsy mpaka na dia nihena aza ny vidiny

Hamaky ny tohiny...

Fokontany Manarintsoa sy Andavamamba Ankizy miisa 300 nizarana arendrina sy vatomamy

25/06/2019

Ho fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona sy ho fanamarihana ny iray volan’ny ankizy dia nizarana arendrina sy vatomamy avokoa omaly ireo ankizy miisa 300 ao anatin’ny fokontany Manarintsoa sy Andavamamba.

Fokontany Manarintsoa sy Andavamamba Ankizy miisa 300 nizarana arendrina sy vatomamy

Hamaky ny tohiny...

Ravao Mpanotra etsy Sabotsy Namehana Nijery ny zaza kamboty sy sahirana indray

25/06/2019

Mitohy ny asa sosialy fanaon-dRtoa Ravao mpanotra etsy Sabotsy Namehana, efa nandritra ny 40 taona izao, rehefa ankatoky ny andro fety tahaka izao.

Ravao Mpanotra etsy Sabotsy Namehana Nijery ny zaza kamboty sy sahirana indray

Hamaky ny tohiny...

Voafonja eto Madagasikara “Tokony hampahafantarina ny antony amonjana azy !”

24/06/2019

Niaro ny tsenan’ny tantsaha Namontana, resaka Andrefan’Ambohijanahary ary ity farany ity momba ny kianjan’Anosizato.

Voafonja eto Madagasikara “Tokony hampahafantarina ny antony amonjana azy !”

Hamaky ny tohiny...

Fidinan’ny vidin-tsolika Tsy mampiova ny saran-dalana hatreto

24/06/2019

Efa nilaza ny mpitatitra sasany fa kely ny fidinan’ny vidin-tsolika, ka tsy ahafahana mampidina saran-dalana, izay midika fa tsy nisy fiantraikany aloha hatreto.

Fidinan’ny vidin-tsolika Tsy mampiova ny saran-dalana hatreto

Hamaky ny tohiny...

Zaza very, olona tsy hita Misy ambadika politika ?

24/06/2019

Ekena fa tena misy ny fakana an-keriny, izay fikatsahana tombontsoa ara-bola amin’ny endriny maro samihafa no tanjona, na io vola takalon’aina na varotr’olona tsotra izao, mety hanaovana trafikana taova ihany koa izay tsy mbola nahitana porofo mivaingana avy amin’ny mpanao fanadihadiana aloha hatreto.

Zaza very, olona tsy hita Misy ambadika politika ?

Hamaky ny tohiny...

Fametavetana zaza tany Nosy Mitsio Miantso ny Soisa hijery ny raharaha ny GIHTNB

24/06/2019

Mipoitra indray ny raharaha fametavetana ankizy kely any Nosy Mitsio, Nosy-Be, izay mahavohirohy teratany Soisa iray. Taorian` ny fivoahan` ity resaka ity tamin` ireo haino aman-jery,

Fametavetana zaza tany Nosy Mitsio Miantso ny Soisa hijery ny raharaha ny GIHTNB

Hamaky ny tohiny...


Sosialy

Fanentanana momba ny fiahiana ara-tsosialy Miara-misalahy ny CNaPS sy ny minisiteran’ny asam-panjakana

16/05/2019

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly alarobia 15 mey 2019 teny amin’ny foiben’ny CNaPS Ampefiloha ny fanokafana ny fanentanana lehibe hivoizana ny « Asa mendrika ho an’ny rehetra sy fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara ».

 

 

Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 03 mey lasa teo moa ny tsy maintsy hampidirana ny mpiasa ara-dalàna hisitraka ny fiahiana ara-tsosialy. Tafatsangana ny komity na « comité ad hoc » iraisan’ny eo anivon’ny CNaPS, ny minisiteran’ny Asa sy ny lalàna sosialy miaraka amin’ny fitantanana ankapobeny ny asa mba hamolavola sy handrindra ny fanentanana ny fampidiran’ny mpampiasa ireo mpiasa mba hisitraka ny fiahiana ara-tsosialy eo anivon’ny CNaPS satria zon’ny mpiasa rahateo izany. Miisa 10 no mandrafitra azy io, ka miainga avy amin’izy ireo ny toromarika haparitaka amin’ny rantsa-mangaika samihafa ao anatin’izay politikan’ny fiahiana ara-tsosialy izay. Andao hiara-kientana hametraka ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny rehetra », hoy ny Tale jeneralin’ny asam-panjakana Razafimanantsoa Jerison. Mahakasika io fiahiana ara-tsosialy io, dia misy ny latsakemboka aloa any amin’ny CNaPS, ka ny 1% no anjaran’ny mpiasa ary ny 13% amin’ny karama kosa no anjaran’ny mpampiasa amin’izany. Aorian’ny fanentanana, dia tokony ho efa hanatanteraka ny adidiny ny mpampiasa satria mihatra ny didy aman-dalàna aorian’izay. 650 000 eo ho eo ny orinasa eto Madagasikara, ka ny 43 000 ihany no mpikambana ao amin’ny CNaPS ary zara raha misy 16 000 amin’ireo no mandoa latsakemboka ara-dalàna. 93% amin’ny asa eto Madagasikara no mbola sokajiana ao anatin’ny sehatra tsy manara-dalàna, ka tafiditra ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna ny tsy fanaovana fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa. Mikasika ny asa tena toy ny fambolena, ny fiompiana, jono,… dia efa nisy dingana vita momba ny fiahiana ara-tsosialy ary mbola tohizana satria tokony hisitraka azy io ny rehetra, hoy ny eo anivon’ny CNaPS tarihin’ny Tale jeneraly mpisolo toerana vonjimaika Joslina Tsaboto. Ny sehatry ny fitaterana kosa, dia ho avy ny dinika samihafa.     

Toky R                           

 

 

 

 

                                                                        

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana