Dans la mme rubrique

Famokarana gazy CFC Mbola misy mamokatra any Sina

24/05/2019

Orinasa iray any avaratr’i Sina no nakatona satria mamokatra etona simika antsoina hoe “CFC-11”, izay heverin’ny manampahaizana ara-tsiantifika maneran-tany fa manimba ny sosona ozona (couche d` ozone).

Famokarana gazy CFC Mbola misy mamokatra any Sina

Hamaky ny tohiny...

Politika eto Madagasikara Mandrava, mamotika firenena

23/05/2019

Nokendrena natao tamin’ny fifidianana filoha farany teo ny fibodoana fahefana tamin’ny fomba an-kolaka nataon’ny HVM

Politika eto Madagasikara Mandrava, mamotika firenena

Hamaky ny tohiny...

Antontan’isa eto Madagasikara « Banga ny resaka sosialy, kolikoly, tsy fandriampahalemana »

23/05/2019

Ny tolo-dalàna mety dia ny mandrindra ny atao hoe « système statistique régional », izany hoe ingaina any ifotony ny fanisana, hoy ny manampahaizana momba ny antontan’isa, Ndremitsara Tarzan, raha naneho ny heviny mikasika ny tolo-dalàna tokony hatolotr’ireo ho depiote mikasika ny resaka fanisam-bahoaka.

Antontan’isa eto Madagasikara « Banga ny resaka sosialy, kolikoly, tsy fandriampahalemana »

Hamaky ny tohiny...

Sehatra fananan-tany Aparitaka manerana ny nosy ny torolalana

22/05/2019

Ilaina ny torolalana amin’ny tokony ho fantatra momba ny fananan-tany eto Madagasikara.

Sehatra fananan-tany Aparitaka manerana ny nosy ny torolalana

Hamaky ny tohiny...

Vaomieran’ny statistikan’ny Firenena Mikambana Hitondra tombontsoa lehibe ho an’i Madagasikara

22/05/2019

Tamin’ny taona 1947 no niforonan’ny vaomieran’ny statistikan’ny Firenena Mikambana ary ao avokoa ireo manampahaizana momba ny Statistika avy amin’ny firenena maneran-tany.

Vaomieran’ny statistikan’ny Firenena Mikambana Hitondra tombontsoa lehibe ho an’i Madagasikara

Hamaky ny tohiny...

Imbiky Herilaza “Mafy ny nandrafetana ny LFR 2019”

21/05/2019

Nodinihana nandritra ny fotoana lava ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana hifehy ny fandaniambolam-panjakana amin’ity taona 2019 ity (LFR 2019).

Imbiky Herilaza “Mafy ny nandrafetana ny LFR 2019”

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa fihariana Mila fanazavana sy tari-dalana

21/05/2019

Zava-dehibe ny tetikasa “Fihariana” ho an` ny firenena. Tokony hivelatra mba tsy hivangongo eto an-drenivohitra fa hisandrahaka manerana an`i Madagasikara ny tetikasa.

Tetikasa fihariana Mila fanazavana sy tari-dalana

Hamaky ny tohiny...


Dossier

Malagasy Maro no roboka amin’ny filokana

16/05/2019

Vintana sa fahaizana ? Inona no tokony hatao raha te handresy amin’ireny loka st tsapa vintana ireny ?

 

 Sarotra no inoana raha hahazo betsaka amin’ny filokana. Iza moa no tsy te ho tsara vintana, na ireo olona tena manam-pahaizana aza. Ankehitriny, azo ambara fa ny loka sy ny tsapa vintana na « Jeux d’argent et de hasard » dia lasa tsy misaraka amin’ny Malagasy. Tia miloka tokoa ve ny Malagasy ? Mitondra inona azy ireo ny filokana ?

Efa nanandrana niloka daholo

Endrika iray isehoan’ny fahantrana lalin’ny Malagasy izany. Hatreto mantsy dia mbola miaina amin’ny vola latsaky ny 1,9 dôlara isan’andro, na manodidina ny 6.000 Ar ny 82%-n’ny mponina eto amintsika, raha toa ka efa sokajian’ny Banky Iraisam-pirenena ho mahantra aza ireo miaina amin’ny 5,5 dôlara (20.000 Ar eo ho eo) isan’andro. Antony mahatonga ny Malagasy sasany hirona any amin’ny fitadiavana vola amin’ny fomba mora foana izany, ka tafiditra ao anatin’io ny loka. Raha ny antontanisa navoakan’ny tranonkala Stileex tamin’ny 9 mey lasa teo, izay nanao fanadihadiana teto an-drenivohitra, dia efa nirona tany amin’ny filokana ny 7%-n’ny mponina nanontaniana. Tafiditra ao anatin’izany ny filalaovana any amin’ireny “casino” ireny, ny filokana miompana amin’ny lalao ara-panatanjahantena sy ny filokana madinidinika eny rehetra eny. Ity farany no tena be mpanao indrindra, satria efa saika nanandrana nanao izany daholo ireo olona nanontaniana, farafaharatsiny in-dray mandeha teo amin’ny fiainany. Mety ho loka teo amin’ny samy mpianakavy sy ny samy mpinamana fotsiny anefa io. Ny 24% tamin’ireo olona nanaovana fanadihadiana kosa no nilaza ho efa nanandrana nilalao tany amin’ny “casino”.

Revy sy fiankinan-doha

Fa tsy ny fahantrana fotsiny ihany anefa no manosika ny Malagasy ho tia miloka. Anisan’ireo mankafy miditra “casino” i Liva (anarana nindramina), farafahakeliny in-dray mandeha isa-kerinandro. Tompona orinasa anankiray izy ary efa maherin’ny 10 taona izay no nilokany na teto an-toerana na tany ivelany, rehefa misy dia ataony mivoaka an’i Madagasikara. “Revy toy ny revy rehetra io, hoy ny fanazavany, ka ny tsirony no tena tadiavina. Indraindray resy, indraindray maharesy fa ilay “adrénaline” tsapa rehefa milalao mihitsy no tena matsiro”. Raha ny antontanisa navoakan’ny tranonkala Stileex hatrany dia ny 86% tamin’ireo mpandray anjara tamin’ny fanadihadiana no mahita fahafinaretana amin’ny filokana, tahaka an’i Liva. Raha ny salan’isa hatrany anefa dia ny 14% tamin’ireo nanontaniana ihany no mahatsiaro tena ho mila mafy an’ilay milalao. Anisan’ireny i Liva, izay namboraka fa tsy mahazo aina raha tsy mandalo “casino”. Mandany adiny 3 ao izy farafahakeliny, indraindray mahatratra adiny 5 mihitsy. Ny 42%-n’ireo mponin’Antananarivo tia milalao, araka ny nambaran’ny tranonkala Stileex, no mandany fotoana tahaka izany, amin’ny loka.

 

Antony 4, hoy ny manampahaizana

Antony roa mahatonga ny olona ho lasa miankin-doha amin’ny loka ireo nosintonina avy amin’ny fijoroana vavolombelona ireo fa raha ny nambaran’ny manampahaizana momba ny saina (psychologue), dia ireto no antony mahatonga ny olona rehetra, amin’ny ankapobeny, tsy hahavita hifehy tena, ka lasa mpiloka gaigilahy na gaigivavy :

·         Te hiseho ho marani-tsaina : satria matoa mahasahy miloka dia mihevitra fa mampiasa ny saina mba hahafehezana an’ilay lalao, hany ka adino fa tsy misy na iza na iza afaka mahafehy ny kilalao miankina amin’ny vintana, na dia olona faran’izay kinga saina aza.

·         Vola azo mora foana : satria rehefa mahazo dia tamana, ka satry hamerina foana. Saingy tsy fantatry ny maro fa matoa ny olona tompon’ireny trano filalaovana ireny nanangana an’io trano io, dia satria mitady vola izy, izany hoe : ny resy no betsaka kokoa amin’ireo mpiloka ao aminy, noho ny maharesy.

·         Ny fitiavana lalao : toy ny ankizikely ihany, mitondra hafaliana sy hasambarana ny milalao. Mampiankin-doha iny fihetseham-po manidintsidina sy mitaintaina iny, indrindra moa raha miampy an’ilay efa im-betsaka nahazo.

·         Mino ny vintana : Na ny olona efa resy matetika aza dia mety hiankin-doha amin’ny loka ihany koa, satria izy mino fa mbola hihodina io vintana io, dia ho anjarany indray ny mandresy.

Lalao manimba

Araka ny efa voalaza eo ambony dia betsaka kokoa amin’ireo mpiloka no very vola fotsiny, raha mitaha amin’ireo mahazo. Raha indramintsika hatrany ny antontanisan’ny Stileex dia ny 14%-n’ireo mankafy miloka monja no mba efa nahazo lelavola teo anelanelan’ny 100.000 Ar hatramin’ny 200.000 Ar. Ireo efa nahazo 50.000 Ar no ho midina no betsaka, izay 72%, raha ny salan’isa. Fa ankoatra ny vola very dia misy fiantraikany ratsy be dia be ny loka, toy ny fanilikilihan’ny havana sy ny namana, ny fahaverezan’asa, izay mitarika an’ilay mpiloka hivarilavo amin’ny fidorohana na hahatonga azy voasarika hitrosa be sy hangalatra ihany koa. Etsy an-daniny, tsy azo adinoina fa ivontoerana be mpisafidy hamotsiam-bola ireny “casino” ireny, noho ny fihodin’ny vola haingana be ao anatiny.  Na izany aza, mety ho tombony ho an’ny firenena anankiray ihany koa ny fisian’ny filokana voafehin’ny lalàna, satria mampitombo ny harin-karena faobe izy ireny. Firenena anisan’nynanararaotra izany izao i Bolivie, izay niompana tamin’ny loka atao any anaty aterineto.

Fijoroana vavolombelona

Benja, mpibata entana : “Efa fiainana mihitsy io miloka io, satria sady vadin’asa no fialamboly ihany koa. Rehefa tsy dia misy “client” iny maka ahy hitatitra entana, dia lasa aloha aho mandeha miloka, sao mba mitsiky ny vintana, mampitombo ny vola kely azo nanomboka tamin’ny 5 maraina, fotoana nivoahana ny trano hikarama. “ Raha mahazo be indrindra mantsy izy ao anatin’ny iray andro dia 15.000 Ar. Miasa manodidina ny adiny 5, mamatratra entana ao anaty kamiao be na mampidina entana avy ao, vao mahita an’izany. Tsy isan’andro koa anefa no misy. Indraindray dia mionona amin’ny 3.000 Ar ao anatin’ny iray andro. Rehefa manao karatra kosa i Benja dia manomboka amin’ny 100 Ar na 200 Ar ny “fond”. Misy fotoana, tsara vintana izy dia mba mitondra hatramin’ny 40.000 Ar mody fa indraindray koa, “banky”, saingy “tsy kivy, fa sady lalao io no fitadiavam-bola, hoy izy. Rehefa tena tsy mety ny atao, na ny kasikety hiarovan-tena amin’ny masoandro aza takian-dry zalahy mandrapahaloa ny trosa.

Doda, mpivarotra anana eny Namontana : « Tamin’ ny voalohany aho, nataoko fialamboly ny loka saingy amin’ izao dia tena lasa fitadivana. Ny « keno » no ankafiziko ary lasa izay mivady mihitsy no tafaroboka.  Ny « keno » mantsy dia 1 000 ariary ny tapakila ka raha mahita isa 10 ao anatin’ ny 80 dia mahazo 1 tapitrisa. Ny anay mivady kosa dia ny mahita isa 4 no tena ataonay, izay nahazoanay 80 000 ariary. Iray andro izahay mahazo eo amin’ ny 10 000 hatramin’ ny 50 000 ariary. Raha ny entana amidinay anefa zara mahazo 7 000 ariary isan’andro. Rehefa mety ny vintana dia tsara ny tsena ary efa nahazo 700 000 ariary indray mitontona izahay mivady. Saingy misy fotoana izahay tsy mahazo mihitsy ary indraindray mitrosa amin’ny manodidina. »

Tsilavo, mpanao kiraro : « Ny Tsatoka (roulette) sy hazakazaka alika no mahasarika ahy. Manaraka lalao isan’andro ary rehefa tsara sanjila dia mahazo 37 000 ariary ao anatin’ny iray andro. 1 000 ariary tonga 37 000 ariary kosa koa.  Ny asako anefa dia tsy mahavelona saingy mba te hihoatra ny hafa ny tenako. » 

Marigny ANDRIANTSOAVA

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana