Dans la mme rubrique

Fitsarana sy fitanana am-ponja Raikitra ny ampamoaka momba an’i Claudine A&C

24/05/2019

Manomboka mifoha indray ankehitriny ny raharaha mikasika ilay mpandraharaha voapanga tamin’ny resaka fanodinana fanananam-panjakana, Claudine Razaimamonjy na Claudine A&C.

Fitsarana sy fitanana am-ponja Raikitra ny ampamoaka momba an’i Claudine A&C

Hamaky ny tohiny...

Delestazy tsy ifankahitana Mikomy amin-dRajoelina ny karana…

24/05/2019

Maizina tanteraka ny ankamaroan’ny tanàna teto Antananarivo omaly takariva tamin’ny 5 ora sy sasany-8ora sasany.

Delestazy tsy ifankahitana Mikomy amin-dRajoelina ny karana…

Hamaky ny tohiny...

Gadra tafatsoaka tao Vohitany « Nisy tsikombakomba »

24/05/2019

Niaiky ny tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja eto Madagasikara, Didier Djibril Camarade, fa nisy tsikombakomba tao matoa nisy iny lositra na fitsoahana gadra nitranga tany Vohitany iny.

Gadra tafatsoaka tao Vohitany « Nisy tsikombakomba »

Hamaky ny tohiny...

BY-PASS Maty voadonan’ny fiara ilay mpangalatra

24/05/2019

Tovolahy voalaza fa mpangalatra, manodidina ny 30 taona no maty voahitsaky ny fiarakodia madinika omaly maraina tokony ho tamin’ny 5 ora sy fahefany teny Ankazobe By-pass.

BY-PASS Maty voadonan’ny fiara ilay mpangalatra

Hamaky ny tohiny...

Vehivavy mpandraharaha ny fonja Nanangana birao nasionaly

24/05/2019

Miezaka ny manampy hatrany ireo olona sahirana manodidina azy ny fikambanan’ny vehivavy mpandraharaha ny fonja sy ireo vadin’ny mpandraharaha ny fonja eto amintsika na ny AFAP.

Vehivavy mpandraharaha ny fonja Nanangana birao nasionaly

Hamaky ny tohiny...

Ramatoa 60 taona nivarotra rongony Nalefa eny amin’ny fonjan’ Antanimora

24/05/2019

Ramatoa tokony ho 60 taona no voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina etsy Anosy ny alarobia 22 mey lasa teo tokony ho tamin’ny 10 ora maraina, teny Amboanjobe Andoharanofotsy.

Ramatoa 60 taona nivarotra rongony Nalefa eny amin’ny fonjan’ Antanimora

Hamaky ny tohiny...

FIM 2019 Handray anjara voalohany ny Belza

23/05/2019

Nanomboka ny alatsinainy 20 mey teo ary hifarana amin’ny sabotsy 25 mey ho avy izao ny fitsidihana ara-toekarena ataon’ireo solontenan’ny orinasa avy any Belgique.

FIM 2019 Handray anjara voalohany ny Belza

Hamaky ny tohiny...


Actualits

Kolikoly avo lenta Tsy ho afa-bela ihany koa ny MAPAR...

16/05/2019

Henjehina ny olon'ny HVM fa hoe nandray 50 tapitrisa ariary. Io ilay resaka malety tamin’ny fampandaniana ny lalàna fehizoro momba ny fifidianana ny volana aprily 2018.

 

Fa ahoana ary ilay vola 2 baoritra tao anaty fiaran'ny depiote teo aloha sady mbola kandida Rtoa Lanto Rakotomanga tratra teny Namontana ny takarivan’ny 8 jona 2015 ? Vola entina hiantsena sa nanomanana fanakorontanana na fanonganam-panjakana fa tsy nahomby ireny ? Efa nanambara ny tatitra savaranonando nataon'ny mpanaramaso ny fifidianana filoha avy amin'ny vondrona Eoropeanina fa nizara vola ny kandida Rajoelina lehiben'ny MAPAR tamin’ny propagandy. Efa kolikoly ny fanambazana mpifidy sy fizarana vola aminy, ary raha ny voalazan’ny lalàna mifehy ny fifidianana ao amin’ny andininy faha-233, helohina tsy ho afaka mandray anjara amin’ny fifidianana sy misitraka ny zo maha olom-pirenena, tsy afaka hanao asam-panjakana ary voarara tsy afaka misitraka asa maha olom-boafidy 5 ka hatramin’ny 10 taona izay tratra. Ohatrinona marina ny vola nampiasain-dRajoelina tamin'ny 2018 nandritra ny “pré-campagne sy “campagne” ? Volabe satria voalaza fa 182 tapitrisa euros, ary mbola mety mihoatra lavitra an'io aza. Avy aiza marina ? Sao dia mba famotsiam-bola ? Azo noraisina fa tsy nitombina ny fitoriana samihafa. Nahiana ny korontana sy ra mandriaka satria nialoha ny fifidianana dia efa nampiditra fitaovam-piadiana mahery vaika teto i Andry Rajoelina, ka porofon’izany ireo naseho teo Mahamasina ny 19 janoary teo. Efa endrika kolikoly sy fomban’ny jiolahy iraisam-pirenena ny hoe sivily no nanafatra fitaovam-piadiana mahery vaika. Amin'izao propagandin’ny fifidianana  depiote izao, tena matanjaka ny kandidan'ny IRD na ambonivohitra na ambanivohitra toy ny fizarana T-shirt, saina, banderole, afisy, fiara, fanamafisam-peo, tolotolotra isan-karazany. Vola avy aiza ireo ary ? Na ny fahazoana ny tsena hanao ny asa fananganana ny hopitaly manara-penitra ireny aza mbola maro no tsy mazava tamin’ny tetezamita, raha hiverenana ny tantara. Ary farany, ireo mpandraharaha mpanefoefo manodidina an-dRajoelina, efa voasava trano, efa ahiahiana ho nanao kolikoly sy namotsy vola, ahiahian'ny any ivelany fa nanangon-karena tamin'ny tsy ara-drariny, ahoana ireny no tsy hanokafana fanadihadiana sy alaina am-bavany eny amin'ny Bianco sy ny PAC ?  Nankaiza, ohatra, ny tohin’ny dosie fanodinkodinam-bola hatrany amin’ny 80 miliara tao amin’ny Jirama nisian’ny fanadihadian’ny Bianco izay toa nanesorana ny Tale jeneraly lefitra nisahana ny Faritanin’Antananarivo ? Na ho ela na ho haingana tsy maintsy hijinja ny nafafy fa miandry isika…

 

Toky R       

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana