Dans la mme rubrique

RMDM

14/08/2019

Tafatsangana ankehitriny ny RMDM na Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara.

RMDM

Hamaky ny tohiny...

Lova Ramisamanana

05/08/2019

Naneho ny hatezerany manoloana ny fiverenan’ny tandrevaka nisy hatrizay eo anivon’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra ny filohan’ny fikambanana Alefa Barea, Lova Ramisamanana.

Lova Ramisamanana

Hamaky ny tohiny...

SAMBO TOJO OLANA

31/07/2019

Maty motera ary notsofin’ny rivotra mahery ny sambo iray antsoina hoe Joby. Nitatitra simenitra aman-jatony taonina izy io ary hikasa ny hihazo an’i Vohémar raha niala teo amin’ny nosy « Prunes ».

SAMBO TOJO OLANA

Hamaky ny tohiny...

NANDRIAKA NY RA

29/07/2019

Nandriaka ny ra tamin’iny faran’ny herinandro iny. Raha ny teo anivon’ny zandarimaria manokana dia efa tafiakatra maherin’ny efapolo ny isan’ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga.

NANDRIAKA NY RA

Hamaky ny tohiny...

FIFAMOIVOIZANA MANEMPOTRA

23/07/2019

Mitombo hatrany ny fitohanan’ny fifamoivoizana vokatry ny tetikasa fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra.

FIFAMOIVOIZANA MANEMPOTRA

Hamaky ny tohiny...

FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

22/07/2019

Mbolalavitr'ezakatanterakanyfamantarana ny toetry ny andromalagasy. Novoizinamafynyhoe hilatsakahatranyamin'ny 0°C ny mari-pànamanombokaamin'ny 21 jolay.

FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

Hamaky ny tohiny...

RONGONY TRATRA TENY IVATO

15/07/2019

Nisy rongony mahery vaika « Heroine » milanja 6 kilao tratran’ny mpiasan’ny fadin-tseranana teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato omaly.Nodorana avy hatrany mo aizy io taorian’ny fitsirihana izay tsy maintsy natao.

RONGONY TRATRA TENY IVATO

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

FID SY BIANCO

14/05/2019

Haharitra 5 taona ny fiarahamiasa eo amin’ny FID sy ny BIANCO nosoniavina omaly teny Ambohibao momba ny ady amin’ny kolikoly.

 

 

Fisorohana ny fanodikodinana ny volam-panjakana sy ireo famatsiam-bola azon’ny fanjakana no tanjona ka apetraka ny fampahafantarana sy fampianarana, , ny fitsirihana ary ny fananganana rafitra fiarovana.Fomba fiasa tsy maintsy tanterahana ny fanajana ny etika sy ny mangaraharaha amin’ny fikarakirana ny volam-panjakana; tsapa mantsy fa tena nirongatra tato ho ato ny fanodikodinana volam-panjakana sy ny kolikoly teto amintsika hoy ny tale jeneralin’ny Bianco.Fomba ratsy izay mampitarazoka ny fampandrosoana.

KANDIDA TALE JENERALIN’NY BIANCO

Antontan-taratasy miisa 3 hatramin’izao no fantatra fa voarain’ny Comité pour la Sauvegarde de l’Intégrité (CSI) mba hisafidianana izay ho tale jeneraly vaovao hitantana ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (BIANCO).Ny faramparan’ny volana jolay mantsy no mitsahatra amin’ny asany ny tale jeneraly am-perinasa.

MAITRE OLALA

Tolon’ny mpianatra madiodio no tena fototry ny tolon’ny 13 mey 1972 hoy i Maitre Olana izay mpitari-tolona tamin’izany. Nitaky ny tena hahaleovan-tena tanteraka tamin’ny frantsay ireo mpianatra ireo ka nahatonga azy ireo nitolona sy tsy nanaiky ny tarazoka teo amin’ny frantsay. Tao aorian’ny 13 mey va tena niditra ireo mpanao politika izay niafara tamin’ny fanonganana ny fitondrana nijoro tamin’izany. 

MPANALA BARAKA ANATY FACEBOOK

Mitohy ihany ny fanenjehana ireo mpanao fanalam-baràka amin’ny facebook. Miompana amin’ny fitsirihana ireo kaonty sandoka sy noforonina mba hanaratsiana olona ny manam-pahaizana amin’ny cybercriminalité ankehitriny. Misy hatramin’ny minisitra ny mpitory ary manome baiko ny hanaovana savahao ireo olona mpandika lalàna amin’ny tambajotra sosialy. 

OLAN’NY TAOVAM-PISEFOANA MAHAFATY

Mitombo isa ny olon-dehibe izay mamoy aina amin’izao fanombohan’ny vanin’andro ririnina izao. Ny olana amin’ny taovam-pisefoana no miteraka fijanonan’ny fo tampoka raha araka ny fanazavan’ny mpitsabo izay nanontaniana. Isan’ny olana anefa, rehefa tonga eny amin’ny sampana fameloman’aina ka tsy miaraka amin’ny olona izay misy vola ireo marary dia jerijerena fotsiny ary maty eo anoloan’ny toeram-pitsaboana ny ankamaroany. 


SAIKA ZAVA-DOZA

Raha tsy ny ray aman-dreny ara-drazana no nandamina ny sain’ny olona mba tsy hamonoana ny tovolahy iray izay sarona nangalatra lavanila dia efa vita ny aminy. Tany Sambava no voasambotra ilay lehilahy teo am-panaovana ny asa ratsiny. Vetivety dia efa vory ny olona izay niaraka tamin’ny lasantsy, ny antsibe sy ny afo. Na ny mpitandro ny filaminana aza efa very hevitra tamin’ny fandaminana ny raharaha. Niditra an-tsehatra ireo olo-be ary voalamina ihany ny raharaha ka afaka nentina mora teny amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana ilay mpangalatra. 

NANOKAFANA FANADIHADIANA IREO POLISY 3

Nanokafana fanadihadiana eo anivon’ny sampan-draharaha miadidy ny heloka vitan’ny polisy ireo telo lahy izay eo anivon’io vondrona io. Nandona fiaran’olona teny Ivandry rehefa mamo be ireto mpitandro ny filaminana telo izay amperinasa ary manao fanamiana polisy. Soa fa nahafantatra olona izay misahana ny heloka vitan’ny polisy ny olona teo amin’ny manodidina ary nahasahy niantso avy hatrany. Dia raha sendran’ny olon-tsotra tsy mahalala olona sy tsy sahy izany dia vitavita foana teo indray ny raharaha.

TAPAKA HISATRA

Taxi-be zotra 178 avy any Ambohijatovo no tapaka hisatra omaly atoandro. Avy any Ambohijatovo ity fiara nanana olana ity no nirifatra ary teny Andohan' Analakely eo amin'ny "rond point" vao tafajanona. Tsy nisy ny namoy ny ainy na naratra fa ny fiara no simba.Manaporofo izao tranga izao fa misy ny fiara mpitatitra eto an-drenivohitra manana olana ara-teknika sy mety tsy ampy fikojakojana ary dia mampidi-doza.

TARIKA VHF

Nodimandry omaly alatsinainy 13 mey teo amin’ny faha 60 taonany Parfait Lalanirina mpanorina sady lehiben’ny tarika VHF (Vavaka Hira Fiderana).Maty irery tao an-tranony izy raha araka ny fantatra satria mbola tsy eto an-toerana ny vady aman-janany.Nambaran’ireo mahalala azy koa fa efa notezain’ny aretim-po i Parfait.

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA RN 2

Fiara mpitatitra Sprinter ho any Moramanga indray no tra-doza omaly maraina teny Andriaka amin’ny lalam-pirenena faha 2. Voalaza fa nandeha mafy ity fiara ity, ka tena tafavoaka ny arabe sy nivadika ambony ambany mihitsy .Tsy nisy aloha ny maty fa nisy kosa ireo naratra ka nisy ankizy tao anatin’izany.

BE LOHA

Mitombo isa ankehitriny ny zaza Malagasy voan’ny Hydrocephalie na ilay aretina mampivonto sy mahangeza ny loha.Ny fitomboan’ny hadirin’ny toerana misy ilay ranon’atidoha  antsoina hoe “liquide cérébro-spinal” no mahatonga ny loha hihangeza.Ny aretina “Méningite” matetika no mahatonga azy ity.

TSY AMPY NY MPAMPIVELONA

Tena tsy ampy mihitsy ny isan’ireo mpampivelona eto Madagasikara.Mampivelona 1 ho an’ny olona 1000 ny eto Madagasikara rahatoa ka mpampivelona iray ho an’ny olona 500 no fenitra iraisam-pirenena.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana