Dans la męme rubrique

Fisolokiana sy fanafihana Voasambotra ilay Togoley nangalatra entana 224.770.000 ariary

24/05/2019

Voasambotry ny polisy ny alatsinainy 20 mey hariva tamin’ny 6 ora sy sasany hariva teo ilay teratany Togoley mpiambina nefa nangalatra ka namorona fa very noho ny fanafihana ny entana mitentina 224.770.000 ariary.

Fisolokiana sy fanafihana Voasambotra ilay Togoley nangalatra entana 224.770.000 ariary

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fiarovam-pirenena «Tohizana ny fanenjehana ireo dahalo ambony latabatra»

23/05/2019

Tsy ampy ny hetsika mandalo ataon’ny mpitandro filaminana, mila jerena akaiky ihany koa ireo dahalo ambony latabatra tahaka ireo mpitandro filaminana tra-tehaka tamin’ny asan-jiolahy sy fakana an-keriny teo aloha.

Minisitry ny fiarovam-pirenena «Tohizana ny fanenjehana ireo dahalo ambony latabatra»

Hamaky ny tohiny...

Vaky trano teny Itaosy Tana-maron’ny tompon-trano no nahasamborana jiolahy

23/05/2019

Nantsoin’ny tompon-trano ny mpitandro filaminana rehefa voasambotra ilay mpamaky trano mpidoroka rongony.

Vaky trano teny Itaosy Tana-maron’ny tompon-trano no nahasamborana jiolahy

Hamaky ny tohiny...

Fifandonana tany Miandrivazo Mbola ao anaty lohan’ilay Lietna ny bala

22/05/2019

Risika ny fandidiana ilay manamboninahitra voatifitra hanalana ilay bala ao anatin’ny lohany izay manakaiky ny betro.

Fifandonana tany Miandrivazo Mbola ao anaty lohan’ilay Lietna ny bala

Hamaky ny tohiny...

Jiolahy any Manja Manao fanamiana miaramila ary mitondra fitaovam-piadiana

22/05/2019

Nandritry ny fanarahan-dia no nahatraran’ny polisy sambo-belona an’i Vaika, jiolahy raindahiny, tafaporitsaka kosa ny namany efatra. Nitondra fanamiana miaramila sy basy ilay malaso ny alahady teo.

Jiolahy any Manja Manao fanamiana miaramila ary mitondra fitaovam-piadiana

Hamaky ny tohiny...

Fisolokiana iraisam-pirenena Any Comores sy Arabie Saoudite no fanondranana olona

21/05/2019

Voalaza tamin’ny famotorana fa vehivavy hiasa any Arabie Saoudite ny vehivavy roa ary any Comores no haterina handray ny sidina hihazo ny toerana.

Fisolokiana iraisam-pirenena Any Comores sy Arabie Saoudite no fanondranana olona

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny mpampihorohoro Manampy amin’ny fifehezana ny sisin-dranomasina ny Amerikanina

21/05/2019

Anisan’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny trafikan’ny harem-pirenena ary ny fampidirana basy an-tsokosoko ny fifehezana ny sisin-dranomasina.

Ady amin’ny mpampihorohoro Manampy amin’ny fifehezana ny sisin-dranomasina ny Amerikanina

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Anosipatrana atsinanana Mpidoroka sady mpivarotra rongony iray tratran’ny polisy

14/05/2019

Zava-mahadomelina alaina avy eo Anosizato seraina eny Anosipatrana no tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana.

 

 

 

 Lehilahy mpamerin-keloka amin’ny fifohana sy fiantohana rongony no tratra ny faran’ny herinandro teo. 53 taona ity voasambotry ny polisy miasa eny Ilanivato ity ny  sabotsy teo teny Anosipatrana atsinanana tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro. Polisy nanao fisafoana teny an-toerana no nifanojo taminy. Araka ny fampitam-baovao ofisialin’ny polisim-pirenena, nahatsikaritra fihetsika hafahafa izy ireo ka nisava avy hatrany. Hita tamin’ny  kitapo nentin’ilay lehilahy ireo rongony milanja 240 grama natao tao anaty fonosana miisa 25. Fantatra fa eny Anosizato no hakana azy amin’ny olona mandalo. Vidiana 25.000Ariary ny iray harona sase kely ary amidiny tsinjaraina 1.000Ariary ny fonosana eny Anosipatrana. Mahalany roa isan’andro izy rehefa mifoka, mahalafo 25 kosa rehefa mivarotra. Mbola karohina kosa hatreto ireo mpanjifa sy mpamatsy.

Haja Nirina

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana