Dans la mme rubrique

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

31/03/2020

Miasa andro aman’alina ireo mpitandro ny filaminana any amin’iny lalam-pirenena faharoa iny amin’izao.

Lalam-pirenena faharoa Lehilahy roa no voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

23/03/2020

Ny zanak’ity mpitsabo ity no nanao ny fampilazana tamin’ny tambazotra sosialy facebook ny sabotsy 21 marsa 2020 teo, fa nodimandry ny rainy, Dr Razafindranazy Jean-Jacques, 67 taona, izay dokotera amin’ny sampana vonjy aina ao amin’ny hopitalin’i Compiègne any Frantsa.

Dr Razafindranazy Jean-Jacques Mpitsabo matin’ny coronavirus voalohany tao Frantsa

Hamaky ny tohiny...

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

23/03/2020

Vazaha iray antsoina hoe Delmas Anthony Joseph no nanahirana ny olona sy ny mpitandro filaminana noho nivezivezy tao Anatin’ny Commune Befotaka-Nord.

Ahiahy amin’ny Coronavirus Vazaha iray mampisahotaka ny iray tanàna

Hamaky ny tohiny...

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

23/03/2020

Nahitana valonan-javatra mifono lambatsilena miloko manga tao anaty tsikafona sy fako, teo amin’ny Cité Canada-Toamasina omaly maraina.

Cité Canada Toamasina Fonosana nampisahotaka

Hamaky ny tohiny...

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

23/03/2020

Nikorontana ny tao Morondava ny faran’ny herinandro teo. Raha araka ny loharanom-baovao azo mantsy dia nisy olona 6 avy any ivelany tonga teto Antananarivo ny herinandro lasa teo ary

MORONDAVA Arahi-maso akaiky ireo olona 6 avy any ivelany tsy nihiboka

Hamaky ny tohiny...

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

23/03/2020

Manoloana ny toe-draharaha misy maneran-tany izay efa maha tafiditra ny firenentsika ankehitriny ihany koa sy manoloana ny toromarika izay nomen’ny filoham-pirenena Malagasy sy amin’ny tokony hanafoanana famorian’olona

Norotiana Andriamanohy “Fotoana hanehoan’ny Kristianina ny firaisankinany izao!”

Hamaky ny tohiny...

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

20/03/2020

Ny alarobia 18 martsa 2020 lasa teo , tokony tamin'ny 7ora hariva no nitrangan'ity loza mahatsiravina ity tao amin'ny Fonkotany Ambalabe, teto Mandritsara tampon-tanàna.

Loza mahatsiravina Zazalahy 13 taona maty kilan’ny afon-dasantsy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Halatra Moto sy Bisikleta Voasambotra ry Bôlô Kely sy ny ekipany

14/05/2019

Tra-tehaka ny faran’ny herinandro teo ny teny Mandroseza sy Ankazomanga ny tambajotran’ny mpangalatra kodiaran-droa.

 

 

Ny finday tavela no nijokoana an’i Bôlô Kely, ny sabotsy teo. Nanao fisafoana ny polisin’Ambohijatovo  teny Mandroseza tamin'ny  4 ora maraina, nifanena tamina telo lahy nanosika moto roa eny  an-dalana izay nanao tari-dositra ary narian'izy ireo teo ireo moto sy ny kitapony. « Scooter Yamah ZR Evolution » fotsy efa fantatra ny tompony sy « Honda 125 » mitondra ny laharana 1404 TBG izay tsy mbola fantatra kosa ny tompony. Nahitana fanapahana vy sy akanjo ary finday iray ilay kitapo. Tamin'ny alalan'io finday io no nahafahana nanara-dia an'i Bôlôkely nisamborana azy. Nandritra ny famotorana dia niaiky ny heloka vitany izy ary nanondro ireo mpivarotra moto halatra roa lahy, dia i Lala sy Kely, izay samy mbola tadiavina. Tovolahy miisa 4 ihany koa no voasambotry ny polisy miasa ao Antaniavo, ny alahady 12 mey teo teny  akaikin’ny « Jovenah  Ankazomanga »  nangalatra moto sy bisikileta. Bisikileta iray napetraka teo amin’ny parking no nisy naka ka rehefa nokarohin’ny polisy dia teo am-pita ihany no tratra. Araka ny fantatra dia ireto tovolahy ireto no anisan’ireo mpangalatra moto sy bisikileta mipetrapetraka eny amin’iny faritra Ankazomanga iny.

Haja Nirina

 

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana