Dans la mme rubrique

Hentitra ny DINIKE « Aza atambatra amin’ny zavatra hafa ny raharaham-pirenena »

24/05/2019

“Raharaham-pirenena, aleo ho an`ny firenena fa tsy hatambatra amin`ny zavatra hafa”, hoy ny mpandrindra ny antoko DINIKE any amin`ny distrika Arivonimamo, Martial Randrianarison manoloana ny fampielezan-kevitra ataon`ny filoham-pirenena.

Hentitra ny DINIKE « Aza atambatra amin’ny zavatra hafa ny raharaham-pirenena »

Hamaky ny tohiny...

Fitantanan’ny Filoha Mihamafy ny firobarobana

24/05/2019

Natao resabe ny politikan’ny fitsitsiana, nahena ny isan’ny minisitera, roahina ny mpiasa tsy raikitra, roahina ireo mpiasa sasany niditra tamin’ny andron’ny fanjakana teo aloha,…

Fitantanan’ny Filoha Mihamafy ny firobarobana

Hamaky ny tohiny...

Mahana amin’ny nataony Rajoelina Matahotra ny hirodana sahady

24/05/2019

Mazava ny fihetsik’i Andry Rajoelina mitety faritra io fa mila mahazo ny maro an’isa ao Tsimbazaza izy.

Mahana amin’ny nataony Rajoelina Matahotra ny hirodana sahady

Hamaky ny tohiny...

Tetikady politika Hahena 18 ny isan’ireo loholona

24/05/2019

Noraisina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ny 22 mey teo tany Antsiranana ny didy hitsivolana manova andininy sasany ao amin’ny lalàna laharana 2015-007 tamin’ny 3 martsa 2015

Tetikady politika Hahena 18 ny isan’ireo loholona

Hamaky ny tohiny...

Kandida Voahangy eny Atsimondrano “Efa niasa sy mbola hiasa ho an’ny vahoaka aho”

24/05/2019

Fifidianana manakaiky vahoaka io, ary ny depiote ny dia hisolotena sy hitondra ny hetahetan’ny vahoaka eny amin’ny antenimiera.

Kandida Voahangy eny Atsimondrano “Efa niasa sy mbola hiasa ho an’ny vahoaka aho”

Hamaky ny tohiny...

Kandida manana raharaham-pitsarana Tokony haato, hoy ny mpahay lalàna iraisampirenena

24/05/2019

Ny mahagaga ahy amin’ny CENI, hoy ny mpahay lalàna iraisampirenena, Arlette Ramaroson, dia ity filazana hoe « présumé innocent » amin’ireo kandida ho solombavambahoaka manana raharaham-pitsarana ity.

Politique

Mpitolon’ny 13 mey 1972 « Vontosan’ny mpanao politika tsolotra ny mpitolona ankehitriny. »

14/05/2019

Ankoatra ny fanateram-boninkazo notontosain’izy ireo tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey Analakely mba ho fahatsiarovana ireo maherifon’ny taona 1972 dia nanokana fotoana hitafana tamin’ny

mpanao gazety momba ny nampiavaka ny tolon’ny 1972 tetsy amin’ny Bon accueil Ambatonakanga koa omaly ireo mpitari-tolona tamin’ny fotoan’androny. Nadio, hoy izy ireo, ny tolona tamin’izany ary tsy nitakiana afa-tsy ny hanatsarana ny fampianarana teto Madagasikara. Ny fanaratsian’ny mpitondra ireo mpianatra nanao fitakiana no nampivadika azy ho politika sy nitakianay ny fialan’ny governemanta tamin’ny fotoan’androny. Izahay izay hitanareo ireto dia tsy nisy nitaky ny hiditra tao anaty fitondrana taorian’ny tolona natao ary na nisy nasaina hiditra aza dia nandà tsy nanaiky. Raha ampitahaina amin’ny ankehitriny kosa dia hita hovontosan’ny mpanao politika tsolotra ny mpitolona ankehitriny ary misy fifamonoana mihitsy aza. Amiko, hoy ny Maitre Willy Razafinjatovo na Olala, dia ny raiamandreny no disoiko amin’ny toe-draharaha toy izany satria izy ireo no tsy nahay nanabe.

J. Mirija

 <<Retour

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana