Dans la męme rubrique

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

23/08/2019

Tovolahy iray mpisandoka ho miaramila no nifanehitra tamin’ireo tena miaramila mpanao fisafoana amin’ny alina.

Miaramila sandoka teny Analakely Fanamian’ny rainy efa maty no entiny manala azy

Hamaky ny tohiny...

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

23/08/2019

Ny ankamaroan’ireo Bar misokatra ao amin’ny Boriborintany fahatelo dia saika manaja ny ora fidina amin’ny 9 ora alina avokoa, saingy, mbola misy ny manidy ny varavarana fotsiny, nefa mbola misy olona misotro ao anatiny.

Bar – karaoke – Discothèque Mila alalana any amin’ny prefe raha hanitatra ny ora fisokafana

Hamaky ny tohiny...

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

23/08/2019

Eo am-pidinana ifotony hizaha ny mpandray any Mahajanga sy mpivarotra ambongadin'ny rongony avy any Ambanja ary ireo roalahy tafaporitsaka ny mpitandro filaminana.

Trafikana zavamahadomelina Rongony 86 kg indray no tratra tany Port-Berger

Hamaky ny tohiny...

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

23/08/2019

Nahazo vahana tato ho ato ny fivadiham-pitokisana niafara tamin’ny halatra vola be, indrindra amin’ny fotoana androtsahana izany amin’ny banky.

Halatra 120 tapitrisa ariary tany Antsirabe Ny mpiasany ihany no namadika ilay mpambongady

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

23/08/2019

Mitohy hatrany ny fanentanan’ny CIRGN Toliara na Circonscription inter-régionale de la gendarmerie nationale ho an’ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ho fiarovana amin’ny lozam-pitaterana.

Ady amin’ny lozam-pifamoivoizana sy kolikoly Nanentana ny mpampiasa lalana ny CIRGN Toliara

Hamaky ny tohiny...

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

22/08/2019

Nitrangana lozam-pifamoivoizna teo amin’ny «digue» Andohatapenaka omaly hariva. Samy fiara mpitatitra no nifandona mafy.

Digue - Antohatapenaka 10 mahery noratrain’ny taksibe roa nifandona

Hamaky ny tohiny...

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

22/08/2019

Araka ny fampitam-baovao ofisialy teo amin'ny hopitaly HJRA, vita avokoa ny fomba arahina araka ny lalĂ na iraisam-pirenena mahakasika ny fatin'ilay tovovavy anglisy Alana Cutland.

Raharaha Alana Cutland Tsy nisy fanampim-baovao hafa azo tamin’ny fitiliana ny razana

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Seraseran’ny fahasalamana Nampisahotaka an’Antananarivo ireo afisy efa lany daty

13/05/2019

Mila fitomboka, indrindra mivoitra ireo afisy ofisialy, indrindra mahakasika ny aina sy ny fahasalamana.

 

 

Nahitana afisy mikasika ny fizarana fanafody faobe maimaimpoana ireo elakela-tranon’Antananarivo, ny faran’ny herinadro teo. Voasoratra teo amin’ilay takelaka fa mandritra ny volana martsa 2019 kanefa efa aty amin’ny 11 mey vao nisy nametraka. Vita amin’ny taratasy

tsara sady ambony kalitao izy io. Mitovy amin’ny afisy ofisialy rehetra na ny lohateny na ny votoatiny, indrindra fa ireo andrim-panjakana voakasika sy ireo fikambanana iraisam-pirenena mpiara-

miombon’antoka. Ny ivon’ny olana mitoetra amin’ny salan-taonan’ny ankizy izay 5 ka hatramin’ny 15 taona. Voasoratra fa eny amin’ny toeram-pianarana sy eny anivon’ny fiarahamonina no

anatanterahana izany. Ady amin’ny bilarziozy sy kankana no tanjona. Velon’ahiahy ny mponin’Antananarivo amin’ireo ankizy sao mihinankinam-poana izy ireo. Niteraka adihevitra teo

amin’ireo mpandalo sy mponina izany. Raha ny fandiniky ny mpanara-baovao, miteraka rahoraho ity afisy lany daty ity, indrindra mifaninana amin’ireo an’ny mpirotsaka ho fidiana Solombavambahoaka. Ny marainan’ny sabotsy izay tsy iasan’ny mpiasa birao no nitrangan’izany ka tsy hita nanamarinana

ny fototry ny vaovao avy amin’ny minisitera mpiahy sy ny fokontany.

 

Haja Nirina

 

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana