Dans la mme rubrique

MAY NY CNAPMAD

14/06/2019

Kilan’ny afo ny efitra iray tao amin’ny orinasam-panjakana Cnapmad, tetsy Andranomahery, omaly maraina.

MAY NY CNAPMAD

Hamaky ny tohiny...

MMV

14/06/2019

Tsy hametraka fitoriana intsony izahay, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana MMV amin’ny resaka fifidianana eto amin’ny firenena satria leo an’ilay azo raisina fa tsy mitombina.

MMV

Hamaky ny tohiny...

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

13/06/2019

Nampiteny ny moana ny fitohanan'ny fifamoivoizana teto an-drenivohitra omaly.

FITOHANAN’NY FIFAMOIVOIZANA

Hamaky ny tohiny...

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

12/06/2019

Tafiakatra 34 ny miaramila nidoboka am-ponja noho ny fanaovana heloka bevava nandritry ny hetsika fampandrian-tany nanerana ny nosy.

MIARAMILA NIDOBOKA AM-PONJA

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana ben’ny tanàna

12/06/2019

Vinavinaina ho amin’ny volana oktobra ho avy izao ny fifidianana ben’ny tanàna eto Madagasikara.

Fifidianana ben’ny tanàna

Hamaky ny tohiny...

HALA-JAZA ENY AMBOHIBAO SY TALATAMATY

11/06/2019

Mikorotan-tsaina tanteraka ny ray aman-dreny monina eny amin’ny manodidina an’Ambohibao sy Talatamaty ankehitriny.

HALA-JAZA ENY AMBOHIBAO SY TALATAMATY

Hamaky ny tohiny...

NAMPIHINANA AKOHO VELONA

07/06/2019

Nasaina nohanina velona ilay akoho. Izay no fitsaram-bahoaka nahazo ny tovolahy iray tetsy Andraisoro omaly.

NAMPIHINANA AKOHO VELONA

Hamaky ny tohiny...


Be vaovao

SARAN’NY SARY AMIN’NY CAN 2019

10/05/2019

1 tapitrisa euros na 4 miliara ariary ny vola tsy maintsy haloan’ireo firenena Afrikanina raha te hahazo ny sary rehetra momba ny fifaninanana CAN 2019 hotanterahana any Egypte ny 21 jona ka hatramin’ny 19 jolay ho avy izao.

 

Maro amin’ireo firenena Afrikanina no milaza sahady fa  lafo ilay sarany ary ho sarotsarotra ny hanefana azy, indrindra fa mbola misy ny vola tsy maintsy hatontona amin’ny fikarakarana ny ekipa sy ny delegasionina ho avy any an-toerana hiatrika ny fifaninanana.

RALLYE MOTUL

Ahitana dingana manokana miisa 12 ny Rallye Motul izay hotanterahana eto Antananarivo ny 17,18 ary ny 19 mey ho avy izao. 296,37 km no halaviran-dalana hifaninanana ao anatin’izany. Ity no dingana faharoa amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara eto amin’ny familiana fiarakodia amin’ity taona ity.

HAZO SAROBIDY 353 KAONTENERA NANJAVONA

Kaontenera miisa 353 feno hazo sarobidy antsoina hoe Kevazingo no nanjavona tsy hita popoka tao amin’ny seranan-tsambon’i Owendo any Gabon. Efa nogiazan’ny fanjakana ny volana martsa lasa teo ireto kaontenera ireto satria tsy ara-dalàna ireto hazo sarobidy izay efa mitady ho lany tamingana ireto. Nahagaga anefa fa dia nanjavona tampoka izy ireo.Mitovitovy amin’ny andrramena eto Madagasikara ny Kevazingo ary tena lafo vidy tokoa any Azia.

KOREA AVARATRA

Nanao andrana tifitra balafomanga miisa roa indray omaly i Korea Avaratra. Nitranga ora vitsy taorian’ny fahatongavan’Atoa Stephen Biegun, solontena manokan’i Etazonia ho an’i Korea Avaratra tany Seoul renivohitr’i Korea Atsimo izao tifitra izao. Balafomanga tsy mahataka-davitra ireto notifirina ireto raha araka ny fanamarihana nataon’ny tafika Koreanina Tatsimo. Miverina amin’ny andrana tifitra balafomanga indray izany i Korea Avaratra.

 

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana