Dans la mme rubrique

Vaky fasana teto Antananarivo Mpangalatra taolam-paty 8 voasambotra

13/06/2019

Nandritra ny fanadihadian’ny zandary tamin’ireo mpamaky fasana tany Ambohibary Manjakandriana no nahalalana fa izy ireo no namaky ny fasana maro manodidina an'Antananarivo sy Manjakandrina, Andriampamaky, Talatavolonondry,

Vaky fasana teto Antananarivo Mpangalatra taolam-paty 8 voasambotra

Hamaky ny tohiny...

Raharaha kidnapping Miarinarivo Nisandoka ho zanaka tany amin’ny sisiny ilay mpaka an-keriny

13/06/2019

Nisoloky ho zanak’ilay raim-pianakaviana ivelan’ny tokantrano ilay mpaka takalon’aina zaza kely tao Soavinandriana.

Raharaha kidnapping Miarinarivo Nisandoka ho zanaka tany amin’ny sisiny ilay mpaka an-keriny

Hamaky ny tohiny...

Halatra misesy tao Taolagnaro Mpanao varo-maizina lavanila 13 no tra-tehaky ny zandary

13/06/2019

Ny zoma 7 jona 2019, tamin'ny 10ora sy sasany alina dia nisy lavanila milanja 32 kg tsy ara-dalàna tratran'ireo zandary tany amin'ny faritra Anosy, distrika Faradofay tao Ebakika, fokontany Esohihy kaominina Taolagnaro.

Halatra misesy tao Taolagnaro Mpanao varo-maizina lavanila 13 no tra-tehaky ny zandary

Hamaky ny tohiny...

Zaza very hita faty Ny fanaovana “Autopsie” no hanampy amin’ny fanadihadiana

12/06/2019

Ny alatsinainy maraina sahabo tamin’ny 9 ora no hita faty ilay zaza very tamin’ny talata heriny.

Zaza very hita faty Ny fanaovana “Autopsie” no hanampy amin’ny fanadihadiana

Hamaky ny tohiny...

Tatitry ny loza pentekosta Olona 3 maty, 2 zazarano ary 205 nandalo vonjy aina

12/06/2019

Telo no maty nandritra ny fetin’ny pentekosta raha ny tatitry ny talen’ny kabinetran’ny minisiteran’ny filaminam-bahoaka, ny CPP Albert Estel Ainanirina, omaly antoandro.

Tatitry ny loza pentekosta Olona 3 maty, 2 zazarano ary 205 nandalo vonjy aina

Hamaky ny tohiny...

Toamasina Tra-tehaka ireo jiolahy mpandroba tranombarotra

12/06/2019

Ny harivan’ny alarobia 5 jona teo, voasambotra ny olona dimy lahy anisan’ny mpanao asa ratsy.

Toamasina Tra-tehaka ireo jiolahy mpandroba tranombarotra

Hamaky ny tohiny...

Telolahy hita faty tao Ampitatafika Miaramila 27 nadoboka eny Tsiafahy

11/06/2019

Naiditra am-ponja avokoa ireo miaramila 27 fa tsy araka ny feo nandeha raha ny fanamafisana avy amin’ny mpitandro filaminana. “27 fa tsy folo izany no naiditra eny Tsiafahy.

Telolahy hita faty tao Ampitatafika Miaramila 27 nadoboka eny Tsiafahy

Hamaky ny tohiny...


Tranga

Komanda Herilalatiana Andrianarisaona “Tsy nandratra polisy izany ny zandary”

10/05/2019

“Tsy nandratra polisy ny zandary, araka ny feo mandeha fa ilay polisy no nandratra tena sady nandaka ny zandary tamin’izy nitsipaka”, araka ny vaovaon’ny zandarimariam-pirenena nampian’ny Komanda Herilalatiana Andrianarisaona, raha nitafa tamin’ny mpanao gazetinay.

Niziriziry fotsiny ho “chef de poste” izy. Ity fiantso farany anefa tsy misy mahafantatra noho ny fandaminana anatiny ao an-toeram-piasan’izy ireo ihany. Nahare izany ilay zandary vavy nandalo andeha hody fa tsy miasa eny alasora dia nieritreritra fa mpisandoka ka niantso ireo zandary izay nanatanteraka fisafoana teny Ankadindratombo. Samy tsy nisy nahafantatra azy ho polisy izy ireo. Nakarina tao anaty fiara fa nandà ary voatsipaka tamin’izany ny zandary iray ary teo vao nilaza izy fa polisy nefa tsy nisy karatra. Marihina fa naharenesana fofon’alikaola izy, araka ny tafa manokana nifanaovana hatrany tamin’ny manamboninahitra ambonin’ny zandary. Izy aza no nandratra ny zandary ary noho izy tsy nanaiky nakarina dia voadona ka naratra. Nony tonga tao amin’ny zandary Alasora vao fantatry ny tao fa polisy io. Nantsoina ireo namany hampody azy tao amin’ny polisy. Nahare ny fanazavana ny mpiandraikitra tao amin’ny kaomisaria vao gaga satria ny filazan’io polisy io fotsiny no vaovao tonga tany amin’izy ireo.” Tetsy an-daniny, tonga nanadihady ny zava-nisy teny ifotony ny minisitra mpiahy ny polisy. “Nidina ifotony teny amin’ny Kaomisaria Alasora, ny minisitry ny filaminam-bahoaka, ny 8 mey lasa teo nijery ny toe-pahasalaman’ity polisy iray izay niharan’ny vono sy ratra niniana, tamin’ny alahady 5 mey lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora alina tany ho any. Raha izy andeha hody hihazo ny trano fonenany no nisy namono ary nanao herisetra. Tonga nanadihady ifotony ny minisitra mpiahy mikasika ity toe-draharaha ity. Tonga ihany koa nanolotra solondranom-boankazo kely ho azy.  Efa misy ny dingana ara-panjakana mahakasika izao raharaha izao. Manantintrantitra ny minisitry ny filaminam-bahoaka fa tsy maintsy hisy ny fanaraha-maso akaiky hatao mahakasika io tranga io.”, araka ny fampitam-baovaon’ny Kaomisera Serge Randriamanalina, avy amin’ny polisim-pirenena.

 

Haja Nirina

 <<Retour

 

Réagissez sur l'article - 0 réaction(s)

Hametraka fanamarihana

Captcha Recharger l'image

Copyright 2009 Tia Tanindrazana